Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony ho Ampy Torimaso Ianao!

Tokony ho Ampy Torimaso Ianao!

Tokony ho Ampy Torimaso Ianao!

Iza no hitsipaka ilay filazana hoe tena ilaina ny matory tsara amin’ny alina, raha te ho salama? Tsy hisy angamba. Kanefa, tsy dia zava-dehibe amin’ny olona maro ny torimaso. “Hisy fiantraikany eo aminao anefa izany ny ampitson’iny”, hoy i Shawn Currie, dokotera psikology sady mpampianatra mpanampy any amin’ny Oniversiten’i Calgary, any Kanada. Mety ho mora sosotra ianao, na ho ketraka mihitsy aza indraindray, raha tsy ampy torimaso.

Hoy ny gazety Vaovaon’i Calgary (anglisy): “Milaza ny mpahay siansa fa manampy ny atidoha hiala sasatra ny torimaso, ary mbola mitohy ihany ny fianarana, na dia mandritra ny torimaso aza.” Hoy ny Profesora Currie: “Miezaka hampiraikitra ao an-tsainao ny zavatra nianaranao nandritra ny andro ianao, amin’ny alina. Tsy mandeha tsara izany, raha tsy ampy ny torimaso.” Nilaza koa izy fa “mety hahay hifehy kokoa ny fihetseham-ponao ianao, raha ampy torimaso.”

Adiny firy àry ny torimaso ampy? Adiny valo, amin’ny ankapobeny, hoy ny manam-pahaizana maro. Hoy anefa i Currie: “Tsy mitovy ny halavan’ny torimaso ilain’ny olona tsirairay.” Miezaha àry matory tsara, hoy izy. Amin’ny fomba ahoana anefa, indrindra raha olona tsy mety mahita tory ianao? Ireto misy fanoloran-kevitra:

◼ Mandroa amin’ny rano mafana, alohan’ny hatoriana.

◼ Manaova fanatanjahan-tena imbetsaka isan-kerinandro, nefa aza atao tafahoatra, ary aza atao mafy be, alohan’ny hatoriana.

◼ Tokony hangina sy ho maizina ary hangatsiatsiaka ny efitrano fandrianao.

◼ Mifohaza amin’ny ora mitovy isa-maraina, raha azo atao, mba tsy hiovaovan’ny halavan’ny torimasonao.

Tena misy vokany tsara eo amin’ny fahasalamana ny torimaso. Ataovy loha laharana eo amin’ny fiainanao àry ny torimaso.