Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpandihy Mena Midorehitra

Mpandihy Mena Midorehitra

Mpandihy Mena Midorehitra

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY KENYA

MISY feom-borona be dia be tsy mety mitsahatra manako eo amin’ilay farihy. Mandehandeha eo amin’ilay rano mamirapiratra sady maitsomaitso ireo vorona mavokely be dia be ireo. Feno azy koa ny lanitra ary kanto ny fanidiny. Mihodinkodina eo ambonin’ny rano izy, ary mikopakopaka ny elany lava sady manify, ka mampiseho loko mena midorehitra. Tena mahazendana ilay andiam-borona mareva-doko! Toa tsy misy karazam-borona mahatalanjona noho io eto an-tany. Tsy inona izany fa ny sama any amin’i Rift Valley, any Afrika.

Avo dia sy bikàna

Nankafizina hatramin’ny ela ny sama, noho ny bikany kanto sy mahafinaritra. Natao sokitra tamin’ny vato ny sarin’io vorona lava tenda io sady hita amin’ny endri-tsoratra ejipsianina fahiny. Tena hafakely sy mahavariana io vorona io, hany ka nohajain’ny Ejipsianina fatratra, toy ny sary velon’ilay andriamanitra Ra. Natao sary tao anatina zohy fahiny izy io, ka miavaka tsara ny tendany lava sy miforitra, sy ny feny mahia sy tsara bika.

Karazana sama efatra no hita any Afrika, Amerika Atsimo, Eorazia, ary Karaiba amin’izao fotoana izao. Antsoina hoe sama kely ny kely indrindra amin’izy ireo. Tsara tarehy ny lokony amin’izato volony mavokely, ary ny feny sy ny tongony mena midorehitra. Avo roa heny noho ny haben’ny sama kely ny haben’ny sama be, ary 140 santimetatra ny halavany. Manana zavatra iray hitovizany ny sama rehetra, dia ny vavany. Somary miforitra izy io eo ampovoany ary mifaingoka midina, ka mahafinaritra ny mijery azy.

Kanto ny fijery ilay vorona rehefa hanidina: manakopaka ny elany izy ary mihazakazaka eo ambonin’ny rano amin’ireto tongotra kinga erỳ, ka mahazo vahana tsara hiakarana eny amin’ny lanitra. Mahitsy be manaraka ny tendany ny lohany, ary atsotrany ao aoriana ny tongony, ka mahafinaritra erỳ ny mijery azy mikopaka elatra eny amin’ny lanitra eny. Sama efatra tapitrisa eo ho eo no monina any amin’i Rift Valley, atsy Afrika.

Vorona marefo ao amin’ny toerana sarotra iainana

Salama sy mitombo tsara ny sama mipetraka any amin’ireo farihy maromaro mifanakaiky any amin’i Rift Valley, na dia feno karibonetra aza ny ranon’izy ireo. Betsaka aoka izany ny karibonetra ao aminy, hany ka toy ny menaka ilay izy rehefa kasihina ary somary mandoro ny hoditra. Mety hahatratra 65 degre ny mari-pana manodidina ireo farihy ireo. Miakatra avy amin’ilay rano mandroatra ny fofona maherin’ny solifara sy ranon-tsira ka mameno ilay rivotra mafana. Mahery be ilay karibonetra sy sira ao anatin’ilay rano, ka lasa mivaingana fotsifotsy manaraka ny moron-drano.

Vitsy ny zavaboary afaka miaina anaty rano mampidi-doza toy izany. Misy zavaboary bitika afaka mivelona anefa any, dia ny ahidrano manga manopy maitso. Manafana ireo rano misy karibonetra ny masoandro, ka afaka miroborobo tsara ireo ahidrano ireo. Mivadika ho maitso mihitsy ny rano noho ny habetsahany. Toy ny vatosoa maitso amin’ny rojo tsara tarehy ireo farihy ireo, ka mandravaka ny lohasaha sy tendrombohitra eo amin’i Rift Valley.

Mahagaga ny hoe afaka miaina anaty toerana sarotra iainana sy tsy mahatamana toy izany ny zavaboary marefo toy ny sama. Mahazo aina erỳ anefa izy ao. Mahatanty ilay rano mampidi-doza ny feny lava mahia. Ny rantsantongony moa somary miraikitra, ka misakana azy tsy hilentika ao amin’ilay fotaka malama sy madity. Ny sama kely no tena voaomana ho amin’io toe-piainana sarotra io. Misy tsiratsiraka madinika ao amin’ny vavany ao. Izy ireo no mitroka sy manatantavana ireo zavamiaina bitika dia bitika, izay tena betsaka eo amin’ny dimy ka hatramin’ny fito santimetatra ambanin’ny rano. Rehefa misakafo ny sama, dia atsofony midina kely anaty rano ny vavany. Ny lelany no mampiditra sy mamoaka ny rano izay sivanin’ireo tsiratsiraka. Hazonin’ireo tsiratsiraka ireo kosa ireo zavamiaina bitika dia bitika.

Rehefa mitady vady ny sama

Toy ny hoe nendahana ny ridao lehibe manakona sehatra iray, rehefa miposaka eo amin’ilay farihy maitso tanora ny masoandron’ny maraina. Ahariharin’ilay hazavana mivolombolamena ny andiana sama maro be, midorehitra toy ny lelafo eo ambonin’ny rano. Mitangorongorona kely ireo vorona. Miara-mandeha amin’izay ireo sama mitady vady. Ahitsiny tsara ny tendany ary ahetsiketsiny miankavia miankavanana ny vavany.

Tarafin’ny masoandro ny volony tsara tarehy rehefa mifanena ireo andiam-borona, ka mifamahofaho ny loko mena antitra sy mavokely. Mitsambikimbikina sy mandihy izy ireo, ary velariny tsara ny elany mba hampisehoana ny lokony mena midorehitra. Mihazakazaka anaty rano sy lasa misidina izy, ka mampidera ny lokony marevaka, ary miverina indray avy eo mba hamerina izany rehetra izany. Mifanety aoka izany ireo sama, ka tsy afaka manidina avy hatrany, fa tsy maintsy miandry ny hiaingan’ireo eny amin’ny sisiny aloha. Migagaka sy mipentsompentsona izy ireo, ka mihorakoraka mankarenin-tsofina.

Miara-manidina manao tsipika iray lava be izy ireo na manao endrika V, ary mandeha an-jato kilaometatra mandra-pahatongany any amin’ny farihy iray misy karibonetra. Io mantsy no tena tsara hanatodizany sy hamelomany ny zanany. Mahagaga fa miara-mifindra monina ireo sama ireo sy ny sama any amin’ny farihy hafa any amin’i Rift Valley.

Lasa kanto ilay ratsy tarehy

Mifidy farihy mitokana sy sarotra aleha ny sama mba hanorenana ny akaniny. Tena mila mitoka-monina ny andiana sama rehefa hanorina akany sy hanatody, satria faran’izay mora taitra. Mety handao tanteraka ny atodiny ary tsy hiverina intsony izy, raha misy manelingelina.

Sahirana miasa ireo andiam-borona. Mafana fo erỳ ireo ray aman-dreny manomboka manamboatra ny tranony. Manondrika ny tendany lava be izy, ka mandraoka tany sy taim-borona ary volom-borona vitsivitsy mba hanaovana dongona iray mirefy 40 santimetatra eo ho eo. Asiany lavaka kely eo ambonin’izy io mba hametrahana atody iray, sy hiarovana azy amin’ny rano marivo sy misy karibonetra. Vetivety dia manomboka foy ireo zana-borona ana hetsy. Miara-mivezivezy eo amin’io toerana io ireo ray aman-dreny avy eo, miasa mafy mba hamelomana sy hikarakarana ireto zanany mangataka hanina.

Ilaozany tampoka ny zanany, raha vao mahay mandeha. Lasa izy ireo mitady toerana ahitana ahidrano betsaka sy tsara kokoa. Afaka misakafo tsara sy mahazo hery indray izy any, sady tsy voahelingelin’ny zanany be fangataka. Angonina ireo zana-borona maro be ireo avy eo ary misy vorona vitsivitsy mijanona, mba hikarakara tsara azy ireo. Entiny mankeny amin’ny toerana rakotra sira mivaingana ireo zana-borona be kotaba ireo, mandra-pahatafaray azy indray amin’ny ray aman-dreniny avy. Mahagaga fa tadidin’ny ray aman-dreniny tsara ny zanany, na dia eo amin’izany fisavorovoroana be izany aza, sady manohy mikarakara azy izy.

Mikaviavia ireo zana-borona kely ary tsy tsara tarehy toy ny ray aman-dreniny. Fohy ny tendany sy ny tongony, mahitsy ny vavany, ary fotsy ranoray ny volony. Hitombo anefa ny tongotra keliny, hihalava sy hiforitra ny tendany, ary hanomboka hifaingoka midina ny vavany, ka hanome ilay endrika kanto mampiavaka ny sama. Afaka roa na telo taona eo ho eo ireo zana-borona ratsy tarehy ireo vao ho lasa sama tsara tarehy sy midorehitra. Hanambady izy avy eo ary hanaraka ireo andiana sama mavokely maro be, izay mandravaka ireo farihin’i Rift Valley.

Ny bikan’ny sama mahafinaritra sy kanto dia mampiseho tsara fa nisy manam-pahaizana namolavola azy. Fahafinaretana ho an’ny masontsika sy ny sofintsika ny fandinihana io zavaboary mahatehotia io. Manjary mitombo mihitsy aza ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika an’ilay namorona azy, dia i Jehovah Andriamanitra.

[Sary, pejy 17]

Sama be

[Sary, pejy 17]

Sama kely

[Sary, pejy 18]

Tsy tsara tarehy toy ny ray aman-dreniny ireo zana-borona