Mpifofo Ain’olona Lasa Mpikatsaka Fiadanana
Mpifofo Ain’olona Lasa Mpikatsaka Fiadanana
NOTANTARAIN’I TOSHIAKI NIWA
Hilaza ny fihetseham-pony talohan’ny hanaovany vivery ny ainy ny mpanamory fiaramanidina japoney taloha. Nampiofanina hanjera ny fiaramanidiny teo ambony sambo mpiady amerikanina mantsy izy, nandritra ny Ady Lehibe II.
RESY tanteraka tamin’ilay ady tany Midway i Japon, tamin’ny Jona 1942, ka tsy afaka nanitatra ny faritaniny tany Pasifika intsony. Resy foana izy hatreo, ka nalain’i Etazonia sy ny mpiray dina indray ireo tany nobodoiny.
Nilaza ny fitondram-panjakana japoney, tamin’ny Septambra 1943, fa hantsoina ho miaramila ireo mpianatry ny oniversite, izay nahazo lalana tsy hanao izany teo aloha. Nandao ny fonenan’ny mpianatra aho ny volana Desambra, fony aho 20 taona, ary niditra tao amin’ny tafika an-dranomasina. Nianatra ho mpanamory fiaramanidina tao amin’io tafika io aho, iray volana taorian’izay. Nampiofanina hanamory fiaramanidina mpiady antsoina hoe Zero aho, tamin’ny Desambra 1944.
Andiany Manokana Kamikaze
Efa ho resy i Japon tamin’izay. Nitombo ny zera baomba nataon’ny fiaramanidina B-29 teto Japon, tamin’ny Febroary 1945. Nanampy trotraka koa anefa ny daroka baomba nataon’ny tafika an-dranomasina amerikanina, izay efa nanakaiky an’i Japon tamin’io fotoana io.
Nanapa-kevitra ny hanao paikady farany ny mpitari-tafika japoney, volana vitsivitsy talohan’izay, ka hampanao vivery ny aina ny miaramila. Nampaharitra kokoa ny fifandonana io fanapahan-kevitra io, na dia efa niharihary izao aza fa tsy afaka handresy i Japon. Azo antoka fa nampitombo ny isan’ny maty izany.
Niforona àry ny Andiany Manokana Kamikaze. Nomena ny anaran’ilay “rivotra avy amin’Andriamanitra”, na kamikaze, izy io. Io rivo-doza io, hono, no nampiverin-dalana ny sambon’ny Mongol izay nitady hanafika an’i Japon tamin’ny taonjato faha-13. Fiaramanidina Zero dimy samy nitondra baomba 250 kilao no nanafika voalohany. Nanao vivery ny ainy ny mpanamory azy ireo, ka nanjera ilay fiaramanidina tamin’ny sambo iray.
Nomena baiko ny tafika mba hanomana fiaramanidina hanaovana vivery ny aina, ka ny Andiany Yatabe nisy ahy no nasaina nanatanteraka izany. Nomena taratasy izahay rehetra, mba hanoratana raha hanolo-tena ho anisan’ilay andiany hanao vivery ny aina na tsia.
Tsapako fa tokony hanao sorona ny aiko ho an’ny fireneko aho. Raha hanolo-tena ho anisan’ilay andiany mpanao vivery ny aina aza anefa aho, dia mety ho fatifaty foana, satria mety ho voatifitra alohan’ny hahatongavako any amin’izay sambo nokendrena. Ho faly ve ny reniko raha mamono tena aho, nefa tsy nahavita ny adidiko ara-pianakaviana? Sarotra tamiko ny niaiky hoe ny fanaovana vivery ny aiko no fomba tsara indrindra hampiasako ny fiainako. Nanolo-tena ihany anefa aho.
Vonona ireo mpanamory voalohany tamin’ny Andiany Manokana Yatabe, tamin’ny Martsa 1945. Tsy voafidy aho, na dia voafidy avokoa aza ireo namako 29. Ny volana Aprily izy ireo no hanainga avy teo amin’ny tobin’ny tafika ana habakabaka, tany Kanoya, faritanin’i Kagoshima, rehefa nahazo fiofanana manokana. Nitsidika azy ireo aho, talohan’ny namindrana azy ireo tany Kanoya. Tiako ho fantatra mantsy ny fihetseham-pony manoloana izao fanaovana vivery ny aina izao.
Tony ny iray rehefa nilaza tamiko hoe: “Ho faty izahay, fa ialahy io, aza mba maimaika ny ho faty izany. Raha misy tafavoaka velona aminay, dia tsy maintsy holazainy amin’ny hafa fa tena zava-dehibe ny fiadanana, ary hiezaka izy mba hahazoana azy io.”
Niainga ireo namako ireo tamin’ny 14 Aprily 1945. Nihaino ny vokany tamin’ny fampielezam-peo izahay rehetra, ora maromaro taorian’izay. Hoy ny mpanolotra fandaharana: “Nanao vivery ny ainy teo amin’ny tafiky ny fahavalo, tany amin’ny ranomasina atsinanan’i Kikai Shima, ny Andiany Showa Voalohany, ao amin’ny Andiany Manokana Kamikaze. Maty an’ady avokoa izy rehetra.”
Ohka—Baomba olombelona
Nafindra tao amin’ny Andiany Konoike aho, roa volana taorian’izay, mba ho anisan’ny Tafika Manokana Jinrai. “Kotroka avy amin’Andriamanitra” no dikan’ny hoe Jinrai. Fiaramanidina avy tetỳ an-tanety (nantsoina hoe Mpanafika) sy fiaramanidina mpiaro ary fiaramanidina mpanjera baomba, niainga avy teny ambony sambo, no tao amin’io tafika io.
Nipetaka tamin’ny fiaramanidina Mpanafika nanana maotera roa, ny Ohka, izay midika hoe “felana serizy.” Nampiseho ireo tanora mpanamory vonona hanolotra ny ainy ny Ohka, izay fiaramanidina mpitondra bala afomanga tsy nanana afa-tsy seza iray. Nilanja 440 kilao izy io, nirefy dimy metatra ny elany, ary nisy baomba iray taonina teo ho eo tao amin’ny lohany.
Niditra tao amin’ilay Ohka ny mpanamory iray rehefa nanakaiky ny sambo nokendreny ilay fiaramanidina nitondra azy. Nosarahina tamin’io fiaramanidina io ilay Ohka avy eo. Nanidintsidina teny aloha izy io, tamin’ny alalan’ny bala afomanga telo, izay naharitra folo segondra avy, ary avy eo nianjera tamin’izay sambo nokendreny. Tena mety ny iantsoana azy io hoe baomba olombelona, satria izay lasa dia tsy miverina intsony!
Nitaingina fiaramanidina Zero ny mpanamory Ohka, nandritra ny fanazaran-tena. Avy eo izy dia
nanjera ilay Ohka tamin’izay sambo nokendreny, avy teny amin’ny 6 000 metatra teny. Mpanamory maro no hitako namoy ny ainy tamin’izany.Efa niainga ny andiany voalohany, talohan’ny namindrana ahy tao amin’ilay tafika. Nisy fiaramanidina Mpanafika 18 samy nitondra Ohka sy fiaramanidina mpiaro 19 tao amin’izy io. Navesatra sady niadana ireo Mpanafika, ka tsy nisy nahatratra ny sambo nokendreny. Voatifitry ny fiaramanidina mpiady amerikanina avokoa ny Mpanafika sy ny fiaramanidina rehetra mpiaro azy.
Potika daholo ny fiaramanidina mpiaro, ka voatery nanao ny asany tsy nisy azy ireny ny Tafika Jinrai. Tsy nisy niverina izay rehetra niainga taorian’izay. Maty avokoa izy rehetra, nanjavona tany an’ady, tany Okinawa.
Ireo andro farany niadiana
Nafindra tany amin’ny Andiany Otsu aho, tamin’ny Aogositra 1945. Teo am-pototry ny tendrombohitra Hiei-zan, akaikin’ny tanànan’i Kyoto, no nisy ny toby nandefasana ahy. Rehefa fantatra fa ho tonga ny tafika amerikanina, dia natao ny planina mba hanafihana azy ireo: Nasaina nanao vivery ny ainy ny mpanamory Ohka, ka hanjera ny Ohka tamin’ny sambon’ny fahavalo, avy teny amin’ny tendrombohitra. Nasiana lalam-by hiaingan’ireo fiaramanidina ireo teny an-tampon’ilay tendrombohitra.
Niandry ny baiko hiainganay izahay. Tsy nisy nanome io baiko io mihitsy anefa. Nitolo-batana tanteraka tamin’i Etazonia sy ny mpiray dina taminy mantsy i Japon tamin’ny 15 Aogositra, rehefa potiky ny baomba ataomika i Hiroshima sy Nagasaki, tamin’ny 6 sy 9 Aogositra. Vita ihany ny ady, tamin’ny farany. Kely fotsiny no tsy nahafaty ahy.
Niverina tany Yokohama, tanàna niaviako aho, tamin’ny faramparan’ny volana Aogositra. Nianjeran’ny baomban’ny fiaramanidina B-29 anefa ny tranoko, ka lavenona sisa. Tsy nanana fanantenana intsony ny fianakaviako. Maty kilan’ny afo ny anabaviko sy ny zanany. Nionona anefa izahay rehefa tafaverina soa aman-tsara ny zandriko lahy.
Rava ny tanàna ary tsy ampy ny sakafo, nefa mbola niverina tany amin’ny oniversite ihany aho mba hamita ny fianarako. Nahazo diplaoma sady nahita asa aho, rehefa nianatra herintaona. Nanambady an’i Michiko aho tamin’ny 1953 ary roa lahy ny zanakay.
Fikatsahana fiadanana
Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Michiko, tamin’ny 1974. Tsy ela dia nanomboka nanatrika fivoriana izy ary nandray anjara tamin’ny asa fitoriana. Nanohitra azy aho satria nivoaka matetika loatra izy. Nohazavainy fa ny asa fanompoana kristianina no mitondra ny tena fiadanana sy fahasambarana. Tsapako fa tsy tokony hanohitra azy aho, raha izany no izy, fa tokony hanampy aza.
Tamin’izay indrindra no nampidirako tanora Vavolombelona vitsivitsy, mba hiambina amin’ny alina. Nanontaniako momba ny fikambanany sy ny fanompoany ireo tanora Vavolombelona ireo nony tonga. Gaga aho satria tsy mba toy ny tanora mitovy taona aminy izy ireo, fa manana tanjona eo amin’ny fiainana ary feno fahafoizan-tena. Nianaran’izy ireo avy tao amin’ny Baiboly izany toetra izany. Nanazava izy ireo fa tsy manavakava-bolon-koditra ny Vavolombelona maneran-tany sady manaraka tsara ny didin’ny Baiboly mba ho tia an’Andriamanitra sy ny namany. (Matio 22:36-40) Toy ny rahalahiny sy anabaviny no fiheverany ny mpiara-manompo aminy, na inona na inona fiaviany.—Jaona 13:35; 1 Petera 2:17.
‘Resa-be fotsiny izany’, hoy aho an’eritreritra. Niady tamin’izy samy izy ny fivavahana maro ao amin’ny Kristianisma Anarana, ka tsy ninoako ho hafa noho ireny ny Vavolombelon’i Jehovah.
Nolazaiko tamin’izy ireo fa tsy nampino ahy izay nolazainy. Nasehon’ireo tanora Vavolombelona
ireo avy tao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa nogadraina ary novonoina mihitsy aza ny Vavolombelona tany Alemaina, noho izy ireo tsy nomba ny atsy na ny aroa, nandritra ny fitondran’i Hitler. Resy lahatra aho fa ny Vavolombelon’i Jehovah no tena Kristianina.Nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra tamin’ny batisa anaty rano ny vadiko tamin’ny Desambra 1975. Nisy nanasa ahy hianatra Baiboly tamin’io fotoana io. Tsy nety anefa aho rehefa nieritreritra ireo vola tsy maintsy haloako. Anisan’izany ny saram-pianaran’ny zanako roa lahy sy ny vola tsy maintsy haloa tamin’ilay trano novidinay. Nanao fanitsiana teo amin’ny asany mantsy ireo lehilahy manambady tao amin’ilay fiangonana mba hananana fotoana bebe kokoa hanaovana zavatra ara-panahy. Noheveriko fa hantenaina hanao izany koa aho. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany anefa aho, tamin’ny farany, rehefa naseho ahy fa azo ampifandanjaina tsara ny fomba fiaina kristianina sy ny asa.
Fanapahan-kevitra hanompo an’ilay Andriamanitry ny fiadanana
Nanontany ny mpampianatra Baiboly ahy, roa taona tatỳ aoriana, raha mba efa nieritreritra ny hanolo-tena ho an’Andriamanitra aho. Tsy te hanao io dingana io anefa aho, ary nampanahy ahy izany.
Nihazakazaka nidina ny tohatry ny toeram-piasako aho indray andro. Tafintohina aho ary nianjera sady nidona mafy ny lohako, ka tsy nahatsiaro tena aho. Narary mafy ny lohako, rehefa nahatsiaro tena aho, ka nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Soa ihany fa tsy nisy triatra na lalan-dra tapaka, na dia nivonto be aza ny lohako.
Nisaotra an’i Jehovah tamin’ny foko manontolo aho fa velon’aina! Nanomboka teo dia tapa-kevitra aho fa hampiasa ny fiainako mba hanaovana ny sitrapony ary hanolo-tena ho azy. Natao batisa aho tamin’ny Jolay 1977, tamin’izaho 53 taona. Nianatra ny Baiboly koa i Yasuyuki, zanako lahimatoa ary natao batisa, roa taona taorian’izay.
Nisotro ronono aho, folo taona teo ho eo taorian’ny batisako. Nanaraka ny fomba fiaina kristianina foana aho nandritra ireny taona ireny, ka nampifandanja azy io tamin’ny asa fivelomana. Faly aho izao fa anti-panahy eto Yokohama ary manokana fotoana betsaka amin’ny fanompoana kristianina. Anti-panahy sady mpanompo manontolo andro eo anivon’ny fiangonana tsy lavitra anay ny zanako lahimatoa.
Faly aho satria tsy maty tamin’ilay fanafihana manokana nataon’ny tafika sy ilay fanaovana vivery ny aina. Raisiko ho voninahitra ny mandray anjara amin’ny fitoriana “ity filazantsaran’ny fanjakana ity.” (Matio 24:14) Tena miaiky aho fa ny manompo an’Andriamanitra ihany no fomba fiaina tsara indrindra. (Salamo 144:15) Tsy hisy intsony ny ady ao amin’ny tontolo vaovao ho avy tsy ho ela, satria “ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”—Isaia 2:4.
Tiako ny hihaona indray amin’ireo olom-pantatro maty tany an’ady, amin’ny fitsanganany amin’ny maty, raha sitrapon’Andriamanitra. Hampientam-po erỳ ny hilaza amin’izy ireo fa afaka miaina amim-piadanana izy ireo ao amin’ny paradisa an-tany eo ambany fitondran’ny Fanjakana marin’Andriamanitra any an-danitra!—Matio 6:9, 10; Asan’ny Apostoly 24:15; 1 Timoty 6:19.
[Sary, pejy 11]
Tamin’izaho mpanamory fiaramanidin’ny tafika an-dranomasina
[Sary, pejy 10, 11]
“Ohka”—Baomba olombelona
[Sary nahazoan-dalana]
© CORBIS
[Sary, pejy 12]
Miaraka amin’ireo namako talohan’ny hanaovan’izy ireo vivery ny ainy. Izaho sisa no velona, faharoa avy eo ankavia
[Sary, pejy 13]
Miaraka amin’i Michiko vadiko sy Yasuyuki zanako lahimatoa
[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]
U.S. National Archives photo