Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ry mpiara-manompo malala,

Araka ny efa fantatrao, dia misy tantaran’olona maro ao amin’ny Baiboly. Maro amin’izy ireo no tsy nivadika sady niatrika zava-tsarotra mitovy amin’ny antsika. “Nanana fihetseham-po toa antsika” izy ireo. (Jakoba 5:17) Novesaran’ny olana sy ny adin-tsaina ny sasany. Ny hafa indray nalahelo mafy noho ny nataon’ny fianakaviany na ny mpiara-manompo aminy. Nisy koa nanamelo-tena tafahoatra noho ny fahadisoana vitany.

Niala tanteraka tamin’i Jehovah ve anefa ireny olona ireny? Tsia. Nitovy tamin’ilay mpanao salamo izay nivavaka toy izao izy ireo: “Mirenireny toy ny ondry very aho. Mba tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba manadino ny didinao aho.” (Salamo 119:176) Izany koa ve no tsapanao?

Tsy hadinon’i Jehovah mihitsy ny mpanompony niala tao am-bala. Tadiaviny kosa izy ireny, ary matetika ny mpiara-manompo no ampiasainy amin’izany. Diniho, ohatra, ny nanampian’i Jehovah an’i Joba mpanompony. Niharan’ny fahoriana maro izy. Lasa nahantra tampoka izy, namoy an’ireo sombin’ny ainy, ary narary mafy. Mbola niaritra ny teny nandratra fo nataon’ireo olona tokony ho nampahery azy koa izy. Kivy izy ka niteniteny foana indraindray. Tsy niala tamin’i Jehovah mihitsy anefa izy. (Joba 1:22; 2:10) Ahoana no nanampian’i Jehovah azy tamin’izany?

Fomba iray nanampian’i Jehovah an’i Joba ny nanirahany an’i Eliho, mpiray finoana taminy, mba hampahery azy. Nihaino tsara ny fitarainan’i Joba aloha i Eliho vao niteny. Nanakiana an’i Joba ve izy? Sa izy nanao izay hahamenatra azy sy izay hahatonga azy hanamelo-tena mba hanitsiany ny fomba fisainany? Nihevi-tena ho ambony noho i Joba ve izy? Tsy izany mihitsy! Nahazo fanahy masina i Eliho ka nilaza hoe: “Tahaka anao ihany aho, eo anatrehan’ilay tena Andriamanitra, ary mba novolavolaina tamin’ny tanimanga koa.” Nanome toky an’i Joba izy avy eo hoe: “Tsy misy tokony hatahoranao ahy, ary tsy havesatra aminao ny lanjan’ny teniko.” (Joba 33:6, 7) Tsy nampitombo ny fahorian’i Joba i Eliho. Be fitiavana kosa izy ka nanome azy ny torohevitra sy fampaherezana nilainy.

Izany koa no nataonay rehefa nanomana an’ity bokikely ity izahay. Nihaino aloha izahay, izany hoe nandinika tsara ny zavatra niainan’ireo niala tamin’ny fiangonana sy ny tenin’izy ireo. (Ohabolana 18:13) Nodinihinay tsara tamim-bavaka koa ny Soratra Masina mba hahitana hoe ahoana no nanampian’i Jehovah ny mpanompony fahiny nanana olana toy izany. Natambatray ato avy eo ireny zavatra niainan’ny olona taloha sy ankehitriny ireny. Manasa anao amim-pitiavana àry izahay mba handinika azy ity. Matokia fa tena tia anao izahay.

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah