Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ASTER PARKER | TANTARAM-PIAINANA

Tiako Hatokana Tanteraka ho An’i Jehovah ny Fiainako

Tiako Hatokana Tanteraka ho An’i Jehovah ny Fiainako

 Tena faly aho hoe mbola kely dia efa nampianarin’i Dada sy Neny ny fahamarinana. Nanohina ny foko ny sary sy tantara tao amin’ilay boky hoe Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray. Nafana fo erỳ aho niresaka an’izay nianarako tamin’ny ankizy mpiray tanàna taminay sy tamin’ny dadabenay rehefa tonga nitsidika anay izy. Zatra nanao zavatra ara-panahy niaraka taminay ankizy i Dada sy Neny, dia izany no nanampy anay mianakavy hahavita hiatrika fiovana rehefa niala tany Asmara, any Érythrée, izahay dia nifindra nankany Addis-Abeba, any Etiopia.

 Mbola kely aho dia efa tia ny fahamarinana. Te hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa aho. Faly be aho fa tratrako io tanjona io tamin’izaho 13 taona. Nanontanian’ny Ranadahy Helge Linck a aho, tamin’izaho 14 taona, raha efa nieritreritra hanao mpisava lalana. Tena tadidiko tsara io fotoana io. Na dia efa nanao mpisava lalana vonjimaika (mpisava lalana mpanampy amin’izao) aza i Dada sy Neny tamin’izany, dia mbola tsy azoko an-tsaina mihitsy hoe hoatran’ny ahoana izany mpisava lalana maharitra izany. Nampitsiry faniriana tato am-poko io fanontanian’ny Ranadahy Linck io, satria lasa te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa aho.

Tamin’izaho mbola ankizy, miaraka amin’i Josiah anadahiko

Niomana hiatrika fanenjehana

 Nisy olana ara-politika tany Etiopia tamin’ny 1974, dia be dia be ny olona voasambotra sy novonoina sady nanjaka ny korontana. Lasa tsy afaka nitory isan-trano izahay, rehefa nandeha ny fotoana, ary olona vitsivitsy ihany no afaka niara-nivory. Nampiomanin’i Dada sy Neny hiatrika fanoherana mafimafy kokoa àry izahay ankizy. Nandinika ny torolalan’ny Baiboly izahay, dia ireny no nanampy anay hahatakatra ny dikan’ilay hoe tsy manao politika. Nianaranay hoe hanampy anay hahita an’izay tokony holazaina i Jehovah rehefa misy manontany anay, ary mety hilaina ny mangina indraindray.​—Matio 10:19; 27:12, 14.

AFP PHOTO

Nandritra an’ilay korontana tamin’ny 1974

 Nanomboka niasa tamin’ny kompaniam-pitaterana ana habakabaka etiopianina aho rehefa vita ny fianarako. Vao tonga tany am-piasana aho indray maraina izay, dia noharabain’ny mpiara-miasa tamiko satria voafidy hitarika ny matso ho fahatsiarovana ny tsingerin-taonan’ny governemanta. Tonga dia niteny tamin’ny lehibeko aho hoe tsy handray anjara amin’ilay fankalazana satria tsy manao politika.

 Niasa tao amin’ny seranam-piaramanidina aho ny ampitson’iny. Tazako avy lavitra tamin’izay hoe nisy lehilahy maromaro nilanja basy, nandeha nanatona ny toerana fividianana tapakila. Nieritreritra aho hoe tonga mba hisambotra olona te hitsoaka an’ilay firenena ry zareo. Izaho anefa no notondroin-dry zareo! Fa inona no nitadiavan-dry zareo ahy? Mba hoatran’ny andro rehetra ihany iny andro iny tamin’ny voalohany, fa niova tampoka avy eo.

Fanampiana tany am-ponja

 Nentin’ireo miaramila ireo tao amin’ny birao iray izay aho, dia nalaina am-bavany tao nandritra ny ora maro. Nanontanian-dry zareo aho hoe: “Iza no manakarama ny Vavolombelon’i Jehovah? Miasa ho an’ny Antoko Miady ho An’ny Fahafahan’i Érythrée ve ianao? Miasa ho an’ny fanjakana amerikanina ve ianao na ny dadanao?” Na dia tena nampiady saina be aza io fotoana io, dia tony aho satria nanampy ahy i Jehovah.​—Filipianina 4:6, 7.

 Nentin’ireo miaramila ireo nankany amin’ny trano iray navadika ho fonja aho rehefa vita ilay famotorana. Efitra iray mirefy 28 metatra toradroa no nametrahan-dry zareo ahy, ary efa feno tovovavy gadra politika 15 teo ho eo tao.

Tamin’izaho niasa tamin’ny kompaniam-pitaterana ana habakabaka

 Natory teo amin’ny tany aho ny alin’iny, ary mbola nanao fanamian’ilay kompaniam-pitaterana niasako. Niasa saina aho satria fantatro hoe nieritreritra be an’ahy izao ny ray aman-dreniko sy ny iray tam-po amiko. Fantatry ry zareo hoe voasambotra aho, fa tsy fantany ny toerana nisy ahy. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho mba hanampiany ny fianakaviako hahita hoe aiza aho no voatazona.

 Rehefa nifoha maraina aho ny andro nanaraka, dia nisy mpiambina iray fantatro. Gaga be izy nahita ahy dia niteny hoe: “Aster, fa inona no ataonao atỳ?” Niangaviako izy mba ho any amin’ny ray aman-dreniko sy hiteny amin-dry zareo hoe aiza aho. Ny harivan’io ihany aho dia naharay sakafo sy akanjo avy amin’i Dada sy Neny. Nolazain’ilay mpiambina tamin-dry zareo mantsy hoe aiza aho. Tena namaly ny vavaka nataoko i Jehovah! Nanome toky ahy io zavatra niainako io hoe tsy irery mihitsy aho.

 Tsy navela hanana Baiboly na boky sy gazety hafa aho, ary tsy nisy navela hitsidika ahy na ny ray aman-dreniko na ny namako. Mbola nampahery ahy foana anefa i Jehovah, dia ny mpiara-migadra tamiko no nampiasainy. Nitory tamin-dry zareo aho isan’andro, ary tena variana ry zareo rehefa niresahako ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Matetika ry zareo no niteny hoe: “Izahay eto miady ho an’ny fitondram-panjakan’olombelona, nefa ianao miady ho an’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Aza milefitra mihitsy, na dia rahonan-dry zareo hovonoina aza ianao!”

 Nanao famotorana sy nidaroka an’ireo voafonja ny mpiambina indraindray. Tonga haka ahy ry zareo, indray alina izay, tamin’ny 11 ora teo ho eo. Rehefa tonga tao amin’ilay efitra fanaovana famotorana izahay, dia nisy zavatra be dia be niampangan-dry zareo ahy. Niteny tamiko ry zareo hoe tsy manohana ny fanjakana aho. Nisy mpiambina roa lahy nidaroka ahy avy eo rehefa tsy nety namerina teny faneva politika aho. Imbetsaka aho no nentin’ny mpiambina mba hatao famotorana hoatr’izany. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah foana aho isaky ny nandeha tany, ary tsapako hoe nanohana ahy izy.

 Rehefa afaka telo volana, dia nisy mpiambina iray tonga teo amiko ary nilaza hoe afaka mivoaka ny fonja aho. Gaga sy faly be aho tamin’izay, nefa nalahelo kely koa satria nahafinaritra ahy ny niresaka ny zavatra hataon’ilay Fanjakana tamin’ireo tovovavy tao am-ponja.

 Volana vitsivitsy taorian’ny nanafahana ahy, dia nisy miaramila tonga tao aminay mba hisambotra ny tanora rehetra tao amin’ny fianakavianay! Tsy tao an-trano aho tamin’izay. Nosamborin-dry zareo ny roa tamin’ny rahavaviko sy ny iray tamin’ny anadahiko. Tamin’izay fotoana izay aho no tapa-kevitra hoe ny miala ao amin’ilay firenena no tena mety amiko. Tsy zakako ny nieritreritra hoe handao ny fianakaviako indray, nefa nampahery ahy i Neny mba hatanja-tsaina sy hatoky an’i Jehovah. Nandray raoplanina ho any Etazonia aho, fotoana fohy taorian’izay. Ny harivan’iny ihany, dia nisy miaramila tonga tao an-tranonay mba hisambotra ahy fanindroany. Nandeha haingana tany amin’ny seranam-piaramanidina ry zareo rehefa tsy nahita ahy tao an-trano. Rehefa tonga teny anefa ry zareo, dia efa niainga ilay raoplanina nisy ahy.

 Tonga tany Maryland aho ary notsenain’i Haywood sy Joan Ward, misionera nampianatra Baiboly an’i Dada sy Neny. Tratrako ilay tanjoko hoe hanao mpisava lalana, dimy volana tatỳ aoriana. I Cyndi, zanakavavin-dry zareo, no namako tamin’izaho mpisava lalana, ary tena nahafinaritra be ny fanompoanay.

Miaraka amin’i Cyndi Ward, namako tamin’izaho mpisava lalana

Be atao tamin’ny fanompoana tao amin’ny Betela

Tamin’izahay mivady nanompo tao amin’ny Betelan’i Wallkill, New York

 Nitsidika Betela tany New York aho, tamin’ny tapatapaky ny taona 1979, dia tamin’izay no nifankahitanay sy Wesley Parker. Tiako be ny toetrany sy ny tanjony teo amin’ny fanompoana. Nivady izahay tamin’ny 1981, dia avy eo aho nifindra tany Wallkill, any New York, mba hanompo ao amin’ny Betela miaraka amin’i Wesley. Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanadiovana sy ny Fanasan-damba aho, dia tatỳ aoriana niaraka tamin’ny ekipan’ny MEPS tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Ordinatera. Lasa afaka nifantoka tanteraka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah aho rehefa nanompo tao amin’ny Betela. Nifankahafantatra tamin’ny ranadahy sy rahavavy be dia be koa aho, ary mbola mpinamana izahay hatramin’izao.

 Nalahelo anefa aho satria mbola niaritra fanenjehana mafy ny fianakaviako tany Etiopia. Mbola tany am-ponja foana manko ireo iray tam-po amiko telo nosamborina. b Tsy maintsy nikarakara sy nanatitra sakafo ho an-dry zareo foana i Neny isan’andro, satria tsy nanome sakafo ny fonja.

 I Jehovah no fialofako nandritra an’io fotoan-tsarotra io, ary ny fianakavian’ny Betela no nampionona sy nanohana ahy. (Marka 10:29, 30) Nilaza tamiko ny Ranadahy John Booth, indray andro izay, hoe: “Tena faly izahay hoe manompo eto amin’ny Betela ianao. Tsy ho nisy mihitsy izao raha tsy notahin’i Jehovah ianao.” c Nanome toky ahy ireo teny mamy ireo fa notahin’i Jehovah ilay fanapahan-kevitro hoe hiala tany Etiopia, ary hikarakara ny fianakaviako foana izy.

Niara-nanompo an’i Jehovah izahay mianakavy kely

 Lasa fantatray tamin’ny Janoary 1989 hoe bevohoka aho. Taitra be izahay tamin’ny voalohany! Niova ho fifaliana anefa ny tebitebinay, rehefa afaka andro vitsivitsy. Na izany aza, dia lasa saina ihany izahay hoe mba ho hainay ve ny hitaiza tsara ny zanakay, aiza izahay no hipetraka, dia inona no hivelomanay rehefa miala ao amin’ny Betela.

 Nataonay tao anaty fiaranay daholo ny entanay tamin’ny 15 Aprily 1989, dia lasa izahay nankany Oregon. Mbola te hanompo manontolo andro mantsy izahay, dia tany no noeritreretinay hoe hanaovana mpisava lalana. Vao tonga kelikely anefa izahay, dia nisy namanay niteny taminay hoe tsy mety aminay ilay manao mpisava lalana. Tsy nanan-javatra firy tokoa aloha izahay e, sady efa hanan-janaka tsy ho ela. Dia ahoana àry izany no hataonay? Tamin’izay fotoana izay mihitsy no nitsidika anay ny mpiandraikitra ny faritra, i Guy Pierce sy Penny vadiny. d Nampirisika anay mba hifikitra amin’ny tanjonay ry zareo. Nanomboka nanao mpisava lalana àry izahay sady natoky hoe hanampy anay i Jehovah. (Malakia 3:10) Mbola mpisava lalana foana izahay rehefa teraka i Lemuel zanakay lahimatoa, sy Jadon zanakay lahiaivo.

 Tena tianay ny nanao mpisava lalana, tamin’ireo zanakay lahy mbola kely. Imbetsaka manko izahay no afaka niresaka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, tsy tamin’ny mpiray tanàna taminay ihany fa tamin’ireo zanakay koa. (Deoteronomia 11:19) Rehefa teraka anefa i Japheth zanakay faralahy, dia voatery najanonay kely aloha ny asan’ny mpisava lalana.​—Mika 6:8.

Nampianarinay hanompo an’i Jehovah ny zanakay

 Tsapanay fa mila manampy ny tsirairay amin’ny zanakay izahay, amin’izay ry zareo hino hoe tena misy i Jehovah sady azo atao namana akaiky. Izany mantsy no andraikitra lehibe indrindra anananay ray aman-dreny. Mba hahavitana an’izany, dia nezahinay mba hahafinaritra foana ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana, amin’izay tsy andrin-dry zareo. Niaraka namaky an’ilay boky hoe Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe sy ilay hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly izahay, tamin-dry zareo mbola kely. Nolalaovinay mihitsy aza ny tantara sasany tao. Izaho irery moa no vehivavy tao an-trano, dia rehefa nilalao ny tantaran’i Jezebela izahay, dia izaho no nanao Jezebela. Faly erỳ izy telo lahy mody manosika ahy avy eo amin’ny sezalava, dia avy eo mody manao alika! Nampianatra tsirairay an’ireo zanakay lahy koa i Wesley, ankoatra ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianay.

 Tena tianay sy nokarakarainay tsara ny zanakay, ary nivavaka izahay mba hifankatia be foana. Rehefa nihalehibe ry zareo, dia nampianarinay hanao raharaha. Nanasa vilia ry zareo, nanadio ny efitranony, ary nanasa ny akanjony. Nianatra nahandro sakafo koa ry zareo.

 Tsy ny zanakay ihany no niana-javatra, fa na izahay ray aman-dreny koa aza. Misy fotoana, ohatra, izahay entim-po be, dia manao teny mandratra amin’ny zanakay na izahay samy izahay. Miezaka manetry tena izahay amin’ireny fotoana ireny, dia miala tsiny.

 Matetika izahay no nanasa mpiara-manompo tao amin’ny fiangonana mba hivahiny ao aminay. Nasainay koa ny Betelita, misionera, mpiandraikitra mpitety faritany, ary izay nanompo tany amin’ny toerana mila mpitory bebe kokoa. (Romanina 12:13) Rehefa nandray vahiny izahay, dia tsy nalefanay hilalao tany amin’ny efitra hafa ny zanakay. Niaraka taminay teo ry zareo, dia nihaino resadresaka sy fitantarana. Ny zanakay indray aza matetika no nahatadidy tsipiriany betsaka kokoa tamin’ilay resadresaka noho izahay sy Wesley.

 Niezaka be izahay sy Wesley mba hahafinaritra foana ny fanompoanay an’i Jehovah. Nanao fandaharana mialoha, ohatra, izahay dia nanangona vola sy fotoana fialan-tsasatra, amin’izay afaka nitety firenena samihafa. Isaky ny nandeha izahay, dia nitsidika biraon’ny sampana, nanatrika fivoriana, ary nandray anjara tamin’ny fanompoana. Nahatonga anay ho tena tia ny fandaminan’i Jehovah maneran-tany izany, sady nahatonga anay mianakavy hifandray akaiky kokoa.

Tamin’izahay mianakavy nitsidika ny foibe tany Brooklyn, New York, tamin’ny 2013

Mbola be atao amin’ny fanompoana foana

 Voamarikay hoe be olona miteny espaniola tao amin’ny faritaninay, nefa ry zareo tsy dia nisy nitory matetika. Nanontanianay àry ny Ranadahy Pierce hoe ahoana ny heviny raha hifindra any amin’ny fiangonana miteny espaniola izahay mianakavy. Tena mbola kely ny zanakay tamin’izany. Sady nitsikitsiky be izy no namaly hoe: “Raha mpanjono izao ianao, dia ho any amin’ny toerana misy trondro.” Nampahery anay io teniny io, ka nifindra tany amin’ny fiangonana miteny espaniola any Woodburn, any Oregon, izahay. Faly izahay fa nanana mpianatra Baiboly maromaro nandroso sady afaka nanampy ny sasany tamin-dry zareo ho vita batisa. Tena nahafaly anay koa ny nahita hoe lasa fiangonana ilay antoko-mpitory kely miteny espaniola.

 Nisy fotoana very asa i Wesley, dia voatery nifindra teto Kalifornia izahay noho ny asany vaovao. Tapa-kevitra ny hanao mpisava lalana izahay sy Lemuel ary Jadon, roa taona taorian’izay. Tena faly aho tamin’ny 2007 fa nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana niaraka tamin-dry zareo. Taoriana kelin’ilay sekoly, dia voamarikay fa be olona miteny arabo tao amin’ny faritaninay. Nanapa-kevitra àry izahay mianakavy hoe hifindra ao amin’ny fiangonana miteny arabo, rehefa avy nanompo tao amin’ny faritany miteny espaniola nandritra ny 13 taona. Nahafinaritra anay ny niresaka ny fahamarinana tamin’ireo mpifindra monina be dia be miteny arabo, tsy tetỳ aminay ihany fa tany an-tany hafa koa rehefa nisy ezaka manokana. Mbola manohy manao mpisava lalana ao amin’ny faritany miteny arabo eto San Diego, Kalifornia, izao izahay.

 Vady sy raim-pianakaviana tena tsara i Wesley. Nanaja lalina ny fandaminan’i Jehovah izy. Mbola tsy niteny zavatra ratsy momba ny Betela na ny fandaharan’ny fiangonana mihitsy izy. Mahita zavatra tsara holazaina foana aza izy. Miara-mivavaka amiko sy mivavaka ho ahy izy, ary rehefa miatrika toe-javatra mampiady saina izahay, dia ny vavaka ataony no mampahery ahy sy manampy ahy ho tony.

 Rehefa mieritreritra ny fiainanay aho, dia hitako hoe samy nahafinaritra anay na ilay manompo manontolo andro, na ilay mitaiza, na ilay manompo any amin’ny fiangonana mila mpitory bebe kokoa. Hitanay hoe tahin’i Jehovah izay manao loha laharana ny fanompoana azy, ary tsy ory na inona na inona mihitsy izahay. (Salamo 37:25) Resy lahatra aho hoe ny nanokana tanteraka ny fiainako ho an’i Jehovah no fanapahan-kevitra tsara indrindra nataoko hatramin’izay.​—Salamo 84:10.

Avy any ankavia: Japheth, Lemuel, izaho, Jadon, ary Wesley

a Nanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’i Kenya ny Rahalahy Linck. Io biraon’ny sampana io no niandraikitra ny asa tany Etiopia.

b Nafahana tao am-ponja ireo iray tam-po amiko rehefa afaka efa-taona.

c Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana ny Rahalahy Booth, mandra-pahavitany ny fanompoany teto an-tany tamin’ny 1996.

d Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana ny Rahalahy Pierce tatỳ aoriana, mandra-pahavitany ny fanompoany teto an-tany tamin’ny 2014.