Hijery ny anatiny

Iza Marina i Maria Magdalena?

Iza Marina i Maria Magdalena?

Valiny ara-baiboly

 Mpanara-dia an’i Jesosy Kristy i Maria Magdalena, ary tsy niala taminy mihitsy. Avy amin’ilay anaran-toerana hoe Magdala (na mety hoe Magadana) angamba ilay anarany hoe Magdalena. Tany akaikin’ny Ranomasin’i Galilia no nisy azy io. Nipetraka tany angamba i Maria taloha.

 Nisy vehivavy maromaro niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany nitety tanàna, sady nanome an’izay nilain’izy ireo. Anisan’izany i Maria Magdalena. (Lioka 8:1-3) Teo izy tamin’i Jesosy novonoina ho faty. Rehefa natsangana tamin’ny maty indray i Jesosy, dia anisan’ireo olona nahita azy voalohany izy.—Marka 15:40; Jaona 20:11-18.

 Mpivaro-tena ve i Maria Magdalena taloha?

 Tsy milaza ny Baiboly hoe mpivaro-tena i Maria Magdalena taloha. Resahina ao fotsiny hoe nisy demonia fito niditra tao aminy, dia navoakan’i Jesosy daholo.—Lioka 8:2.

 Nahoana no misy mieritreritra hoe mpivaro-tena izy taloha? Tantaraina ao amin’ny Baiboly fa nisy vehivavy iray (azo inoana hoe mpivaro-tena) nanasa ny tongotr’i Jesosy tamin’ny ranomasony, dia avy eo nanamaina an’izany tamin’ny volony. Tsy resahin’ny Baiboly ny anarany. (Lioka 7:36-38) Nisy nilaza, an-jatony taona taorian’ny nahafatesan’i Maria Magdalena, fa izy io vehivavy io. Tsy misy porofo manamarina an’izany mihitsy anefa ao amin’ny Baiboly.

 “Lehiben’ny apostoly” ve i Maria Magdalena?

 Tsia. Antsoin’ny Eglizy Katolika hoe “Mb. Maria Magdalena” sy hoe “lehiben’ny apostoly” i Maria, satria izy anisan’ireo olona nitantara voalohany tamin’ny apostoly hoe nitsangana tamin’ny maty i Jesosy. (Jaona 20:18) Tsy midika anefa izany hoe apostoly izy. Tsy milaza mihitsy koa ny Soratra Masina hoe apostoly izy.—Lioka 6:12-16.

 Tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany no vita tanteraka ny Baiboly. Efa tamin’ny taonjato fahenina anefa ny lohandohany tao amin’ny eglizy vao nanapa-kevitra fa hantsoina hoe “masimbavy” i Maria Magdalena. Nisy boky tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo nilaza hoe nialona an’i Maria ny sasany tamin’ny apostolin’i Jesosy. Tsy anisan’ny Baiboly anefa ireny asa soratra ireny, sady tsy avy ao ny zavatra resahiny fa tantara noforonina fotsiny.

 Vadin’i Jesosy Kristy ve i Maria Magdalena?

 Tsia. Milaza mazava ny Baiboly fa tsy nanambady mihitsy i Jesosy. a