Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 137

Omeo Fahasahiana Izahay

Omeo Fahasahiana Izahay

(Asan’ny Apostoly 4:29)

  1. Na dia miezaka aza izahay

    Amin’ny asa fitoriana,

    Maro be no maneso anay,

    Manakivy, manakiana.

    Nefa ianao no ekenay,

    Tsy hatahotra olona izahay.

    Hatanjaho re ’zahay, Jehovah,

    Ny fanahinao no ilainay.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Omeo fahasahiana izahay,

    Omeo herim-po hatrany.

    Omeo toky mba tsy hanahy,

    Fa hitory eran-tany.

    Efa kely ’zao ny fotoana,

    Efa akaiky Hara-magedona.

    Omeo fahasahiana izahay,

    Hitory foana.

  2. Na matahotra aza izahay,

    Dia miantehitra aminao.

    N’inon’inona hanjo anay,

    Fantatray fa eo ianao.

    Ry Jehovah, mba jereo

    Satria mandrahona izy ’reo.

    Koa ampio ’zahay tsy ho kivy,

    N’inon’inona mbola hiseho.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Omeo fahasahiana izahay,

    Omeo herim-po hatrany.

    Omeo toky mba tsy hanahy,

    Fa hitory eran-tany.

    Efa kely ’zao ny fotoana,

    Efa akaiky Hara-magedona.

    Omeo fahasahiana izahay,

    Hitory foana.

(Jereo koa ny 1 Tes. 2:2; Heb. 10:35.)