Hira 147
Fanananao Manokana Izy Ireo
Handika:
’Reo zanakao, Jehovah,
Ireo ’zay voahosotrao
Dia voafidy, voavidy,
Zavaboary vaovao.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ireo no voantso,
Olonao, fanananao;
Tia anao, mino anao.
Ambarany hatraiza hatraiza ianao.
Voatokana izy ’reo ho
Firenena masina,
Nahalala ka niala
Tamin’ny haizina.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ireo no voantso,
Olonao, fanananao;
Tia anao, mino anao.
Ambarany hatraiza hatraiza ianao.
Ny ondry hafa kosa
Angoniny hanara-dia.
Ary ekeny ’zay teny
Nolazain’i Kristy.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ireo no voantso,
Olonao, fanananao;
Tia anao, mino anao.
Ambarany hatraiza hatraiza ianao.
(Jereo koa ny Isaia 43:20b, 21; Mal. 3:17; Kol. 1:13.)