Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 129

Miareta fa Aza Kivy

Miareta fa Aza Kivy

(Matio 24:13)

  1. 1. Ny finoako ve

    Mba mety hahatanty fahoriana?

    Toa an’i Kristy,

    Nahavita niaritra, nangina;

    Nantenainy, nandrandrainy

    ’Lay tena fifaliana.

    (FIVERENANA)

    Miareta na dia maro

    Ny olana mianjady.

    Jehovah mahatsiaro,

    Miareta hatramy faran’ilay ady.

  2. 2. Taona nifandimby

    No nahitanay ny mangidy;

    Nitomany ihany,

    Nefa tsy niova ny safidy.

    “Paradisa, kely sisa!”

    ’Zay foana no tadidy.

    (FIVERENANA)

    Miareta na dia maro

    Ny olana mianjady.

    Jehovah mahatsiaro,

    Miareta hatramy faran’ilay ady.

  3. 3. Atrakao ny loha

    Mba tsy ho resin’ny ankaso.

    Ny andron’i Jehovah

    Tena efa akaiky, taza-maso.

    Fitahiana ny ao aoriana,

    Tsy ho ela io fa andraso!

    (FIVERENANA)

    Miareta na dia maro

    Ny olana mianjady.

    Jehovah mahatsiaro,

    Miareta hatramy faran’ilay ady.