Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NOVAMBRA 2012

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona ny penina sy ranomainty nampiasaina fahiny?

Penina bararata tany Ejipta, taonjato voalohany

Izao no namaranan’ny apostoly Jaona ny teniny tao amin’ny taratasy fahatelo nosoratany: “Nanan-javatra maro tiako hosoratana aminao aho, nefa tsy te hanoratra aminao amin’ny ranomainty sy ny penina intsony.” (3 Jaona 13) Raha adika ara-bakiteny ny teny grika nampiasain’i Jaona, araka ny Soratra Grika—Fandikan-teny Isan’andalan’ilay Fanjakana (anglisy), dia hoe tsy te hanoratra amin’ny “ranomainty sy penina bararata” izy.

Tapaka bararata mafy no nanamboarana ny penina nampiasain’ny mpanoratra fahiny. Nodidiana misompirana ny lohan’ilay bararata ary natao maranitra tsara. Mitovy amin’ny penina misy ranomainty sy lohany metaly fahita amin’izao ihany, na ny paoziny na ny fampiasa azy. Azo noranitina tamin’ny vato fandranitana ilay izy.

Molaly no nanamboarana ny ankamaroan’ny ranomainty. Nasiana dity ilay izy mba hampahaditidity azy. Izy maina no namidy ary nafangaro tamin’ny rano ilay izy vao azo nampiasaina. Nisy fatrany tokony harahina anefa ilay rano anampohana azy. Miraikitra ilay izy fa tsy tanteraka tao ambadika rehefa nanoratana tamin’ny taratasy papyrus na taratasy vita tamin’ny hodi-biby. Nampiasa spaonjy mando fotsiny ny mpanoratra rehefa nisy soratra tiany hahitsy. Mety ho anisan’ny fitaovana fampiasan’ny mpanoratra fahiny koa àry ny spaonjy. Mety ho izany fomba famafana soratra izany no tao an-tsain’ny mpanoratra Baiboly, tamin’izy ireo niresaka momba ny anarana novonoina tao amin’ny boky fahatsiarovan’Andriamanitra.—Eksodosy 32:32, 33; Apokalypsy 3:5.

Ahoana no nanamboaran’ny apostoly Paoly tranolay?

Fitaovana fanjairana, taonjato voalohany na faharoa

Milaza ny Asan’ny Apostoly 18:3 fa nanao tranolay no anton’asan’i Paoly. Nanenona volon-drameva na volon’osy ny mpanao tranolay fahiny, mba hanamboarana ravin-damba. Nozairiny avy eo ilay lamba mba hanamboarana tranolay ho an’ny mpanao dia lavitra. Vita tamin’ny hoditra anefa ny ankamaroan’ny tranolay tamin’izany. Ny sasany kosa namboarina tamin’ny lamba rongony vita tany Tarsosy, tanàna niavian’i Paoly. Nampiasa an’izany rehetra izany angamba i Paoly rehefa nanao tranolay. Mety ho nanamboatra labasy vita tamin’ny lamba rongony izy rehefa niara-niasa tamin’i Akoila. Natao tafon’ny tokotany anatiny tamin’ny tranon’olona ireny labasy ireny mba hiarovana amin’ny masoandro.

Azo antoka fa mbola tanora i Paoly dia efa nianatra nanao tranolay. Hita tao amin’ny asa soratra ejipsianina fa nanomboka nianatra asa ny ankizy tany Ejipta rehefa 13 taona teo ho eo, tamin’ny Romanina nifehy an’io tany io. Raha 13 taona àry i Paoly no nanomboka nianatra nanao tranolay, dia mety ho 15 na 16 taona izy dia efa nahay nandidy lamba arakaraka izay didiny nilaina. Mety ho efa nahay nanjaitra sy nampiasa haolo isan-karazany koa izy. Hoy ny boky iray miresaka ny fiaimpiainan’i Paoly: “Nomena fitaovana ho azy manokana angamba i Paoly rehefa ho vita ilay fiofanany. Antsy sy haolo fotsiny no nilain’ny mpanao tranolay ka afaka nanao an’io asa io izy, na taiza na taiza.” Nety tsara mba hiveloman’i Paoly izany tamin’izy nanao misionera.