Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Tokony Hampianatra ny Ankizy?

Iza no Tokony Hampianatra ny Ankizy?

Iza no Tokony Hampianatra ny Ankizy?

“Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra azy, fa izay rehetra nahazo fampianarana tonga lafatra dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.”—LIOKA 6:40.

MISY ray aman-dreny mahatsapa fa tsy hainy ny mampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra. Mihevitra izy ireo fa tsy dia nahita fianarana na tsy tena mahalala momba ny fivavahana, ka tsy hahay hampianatra mihitsy. Mety ho ny havany na ny mpitondra fivavahana àry no asainy hampianatra ny zanany.

Iza anefa no tena tokony hampianatra ny ankizy ny fahamarinana sy ny fitsipika momba ny fitondran-tena? Diniho izay lazain’ny Baiboly, ary ampitahao amin’izay hitan’ny mpikaroka izany.

Inona no andraikitry ny ray?

Ny hevitry ny Baiboly: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”—Efesianina 6:4.

Ny zavatra hitan’ny mpikaroka: Mahazo tombony ny raim-pianakaviana raha matoky tanteraka ny zavatra inoany. Hoy ny lahatsoratra iray nivoaka tamin’ny 2009 momba izany: “Mety hahay hitaiza kokoa ny raim-pianakaviana raha mandray anjara amin’ny fivavahana iray. Ny fivavahana no manampy ny olona hitandrina ny fitondran-tenany sy hahazo namana manohana. Izy io koa no manome fampianarana sy tari-dalana eo amin’ny fiainana.”

Milaza ny Baiboly fa manana andraikitra lehibe ny ray eo amin’ny fitaizana sy fampiofanana ny zanany. (Ohabolana 4:1; Kolosianina 3:21; Hebreo 12:9) Mbola mitombina ve izany ankehitriny? Namoaka lahatsoratra ny oniversite any Floride tamin’ny 2009 fa tena misy vokany amin’ny ankizy ny fisian’ny rainy. Hitan’ny mpikaroka fa lasa nahay nangoraka sy nahatsiaro ho misy vidiny kokoa ny ankizy, rehefa tena nandray anjara tamin’ny fitaizana azy ny rainy. Tsy dia naditra ny ankizilahy, ary niasa tsara kokoa ny sain’ny ankizivavy. Mbola azo ampiharina foana tokoa ny torohevitry ny Baiboly!

Zava-dehibe ny andraikitry ny reny

Ny hevitry ny Baiboly: “Aza atao tsinontsinona ny lalàn-dreninao.”—Ohabolana 1:8.

Ny zavatra hitan’ny mpikaroka: Hoy ny Boky Momba ny Fisainan’ny Ankizy (anglisy) tamin’ny 2006: “Betsaka kokoa ny fotoana lanin’ny reny iarahana amin’ny zanany tsirairay raha oharina amin’ny an’ny ray. Manan-tombo 65% ka hatramin’ny 80% eo ho eo izany. Toy izany ny any amin’ny tany maro.” Ny fomba fitenin’ny reniny, ny fanaony, ary ny toe-tsainy àry no tahafin’ilay zaza rehefa mihalehibe izy.

Fanomezana sarobidy roa, fara fahakeliny, no omenareo ray aman-dreny ny zanakareo, raha miara-mampianatra azy ny marina momba an’Andriamanitra ianareo. Hifandray akaiky amin’ilay Rainy any an-danitra izy ireo, ary hahasoa azy mandritra ny androm-piainany izany. Ho hitan’izy ireo amin’ny modely asehonareo koa fa tokony hiara-hiasa ny mpivady mba hanatratrarana tanjona lehibe. (Kolosianina 3:18-20) Mety ho afaka hanampy anareo hampianatra ny zanakareo ny olon-kafa. Ianareo anefa no tena tokony hampianatra azy ireo momba an’Andriamanitra sy ny fiainam-pianakaviana tiany.

Inona àry no fomba mandaitra indrindra hampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany?