Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany no “efa niandriandry” ny Mesia?

“Efa niandriandry ny olona” tamin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa, “ary samy nihevitra tao am-pony momba an’i Jaona hoe: ‘Izy angamba no Kristy?’” (Lioka 3:15) Nahoana ny Jiosy no nanantena fa efa hiseho ny Mesia? Misy antony maromaro.

Taorian’ny nahaterahan’i Jesosy, dia nisy anjelin’i Jehovah niseho tamin’ny mpiandry ondry, izay niandry ny ondriny tany an-tsaha tsy lavitra an’i Betlehema. Hoy ilay anjely: “Mpamonjy no teraka ho anareo androany ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo.” (Lioka 2:8-11) “Nisy anjely maro be avy amin’ny tafiky ny lanitra niaraka tamin’ilay anjely, ka nidera an’Andriamanitra hoe: * ‘Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany eo amin’ny olona ankasitrahany.’”Lioka 2:13, 14.

Azo antoka fa nisy vokany be tamin’ireo mpiandry ondry nanetry tena ireo ny hafatr’ilay anjely. Nankany Betlehema avy hatrany izy ireo. Rehefa nahita an’i Josefa sy Maria ary Jesosy izy ireo, “dia nampahafantariny azy ireo izay nolazaina taminy momba ilay zaza. Ary gaga izay rehetra nandre ny teny nolazain’ny mpiandry ondry.” (Lioka 2:17, 18) Niresaka tamin’ny olon-kafa koa ireo mpiandry ondry, matoa voalaza eo hoe “izay rehetra nandre.” Nody izy ireo avy eo, ary “nanome voninahitra sy nidera an’Andriamanitra noho izay rehetra hitany sy reny, araka ny nolazaina taminy.” (Lioka 2:20) Azo antoka fa nanaparitaka an’ilay vaovao tsara momba an’i Kristy ireo mpiandry ondry.

Nankany Jerosalema i Maria tatỳ aoriana mba hanolotra ny zanany lahimatoa ho an’i Jehovah, araka ny notakin’ny Lalàn’i Mosesy. “Nisaotra an’Andriamanitra” i Ana mpaminanivavy tamin’izay, “ary niresaka momba ilay zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanafahana an’i Jerosalema.” (Lioka 2:36-38; Eks. 13:12) Vao mainka niely àry ny vaovao momba an’ilay ho Mesia.

“Nisy mpanandro avy any atsinanana tonga tao Jerosalema”, tatỳ aoriana. Hoy izy ireo: “Aiza ilay nateraka ho mpanjakan’ny Jiosy? Fa hitanay ny kintany fony izahay tany atsinanana, ka tonga hiankohoka eo anatrehany izahay.” (Mat. 2:1, 2) ‘Nitebiteby i Heroda Mpanjaka sy ny olona rehetra tao Jerosalema’, rehefa nandre izany. “Koa novoriny avokoa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna rehetra  teo amin’ny vahoaka, ka nanontaniany hoe aiza ny toerana hahaterahan’i Kristy.” (Mat. 2:3, 4) Maro be àry no nanjary nahalala fa tonga ilay ho Mesia. *

Nisy Jiosy nihevitra fa mety ho i Jaona Mpanao Batisa no Kristy, araka an’ilay Lioka 3:15. Tsy nanaiky an’izany anefa i Jaona. Nanetry tena izy ka nilaza hoe: “Ilay ho avy ao aoriako kosa mahery noho izaho, ka tsy mendrika hanala ny kapany akory aza aho. Izy no hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina sy amin’ny afo.” (Mat. 3:11) Vao mainka niandriandry ny Mesia ny olona rehefa nandre izany.

Nanao kajy avy tamin’ilay faminaniana momba ny 70 herinandro ao amin’ny Daniela 9:24-27 ve ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, mba hahitana ny fotoana hisehoan’ny Mesia? Mety ho nanao izany izy ireo, saingy tsy azo antoka izany. Samy nanana ny fomba nandraisany an’ilay 70 herinandro ny olona maro tamin’ny andron’i Jesosy, ary tsy misy mitovitovy amin’ny fahazoantsika an’ilay izy ankehitriny ny hevitr’izy ireo. *

Anisan’izany ny Esenianina, izay noheverina fa sekta jiosy nitoka-monina. Nampianarin’izy ireo fa hisy Mesia roa hipoitra rehefa hifarana ny 490 taona. Tsy azontsika antoka anefa raha nanao kajy avy tamin’ny faminanian’i Daniela izy ireo. Na dia izay tokoa aza no nataon’izy ireo, dia tsy azo inoana hoe nanaiky ny fomba fanisany an’ilay 70 herinandro ny Jiosy.

Nisy Jiosy tamin’ny taonjato faharoa nihevitra fa nanomboka ilay 70 herinandro rehefa rava ny tempoly voalohany tamin’ny 607 T.K. ary nifarana rehefa rava ny tempoly faharoa tamin’ny taona 70 A.K. Nisy indray nihevitra fa nifanitsy tamin’ny fotoana nanjakan’ny Makabeo tamin’ny taonjato faharoa T.K. ireo 70 herinandro. Tsy tena niray hevitra àry izy ireo hoe ahoana no fomba fanisana an’ilay 70 herinandro.

Raha efa nazava tamin’ny taonjato voalohany ny fomba fanisana ny 70 herinandro, dia azo antoka fa ho niresaka an’izany ny apostoly sy ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany. Tsy maintsy ho nampiasain’izy ireo izany mba hanaporofoana fa tonga ara-potoana ny Mesia, dia i Jesosy Kristy. Tsy misy porofo anefa hoe nanao izany izy ireo.

Matetika koa ireo mpanoratra ny Filazantsara no miresaka an’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo, izay tanteraka tamin’i Jesosy Kristy. (Mat. 1:22, 23; 2:13-15; 4:13-16) Tsy misy milaza anefa izy ireo hoe misy ifandraisany amin’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany ilay faminaniana momba ny 70 herinandro.

Tsy azontsika antoka àry raha nazava tamin’ny olona tamin’ny andron’i Jesosy ilay faminaniana momba ny 70 herinandro. Hita ao amin’ny Filazantsara anefa ny antony nahatonga ny olona ‘hiandriandry’ ny Mesia, ary mitombina ilay izy.

^ feh. 4 Tsy milaza ny Baiboly hoe nihira ireo anjely rehefa teraka i Jesosy.

^ feh. 7 Mety hanontany isika hoe: ‘Ahoana no nahatonga an’ireo mpanandro hieritreritra fa nisy ifandraisany tamin’ny nahaterahan’ilay “mpanjakan’ny Jiosy” ilay “kintana” niseho tany Atsinanana? Nety ho ren’izy ireo tamin’ny diany namakivaky an’i Israely ve hoe teraka i Jesosy?’

^ feh. 9 Jereo ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela! toko 11, mba hahitana ny fahazoantsika an’ilay faminaniana momba ny 70 herinandro.