Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 FANTARO NY TANTARANTSIKA

Feno 100 Taona Ilay Sanganasa

Feno 100 Taona Ilay Sanganasa

Dia tena ny Rahalahy Russell mihitsy io e!”—Lehilahy iray nijery ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” tamin’ny 1914.

FENO 100 taona amin’ity taona ity ny nivoahan’ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” Nanampy ny olona izy io mba hino fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly ary i Jehovah no Mpamorona. Maro mantsy no lasa tsy nanam-pinoana, satria niely be ny fampianarana hoe nisy ho azy izao rehetra izao. Nisy nanakiana koa ny Baiboly ary nisy nilaza fa tsy tena misy ny marina.

I Charles Russell no nitarika ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany. Niezaka foana izy nitady izay fomba mahomby sy haingana indrindra hampielezana ny fahamarinana ara-baiboly. Efa 30 taona mahery ny Mpianatra ny Baiboly no nampiasa zavatra vita pirinty ary nandaitra izany. Nisy fomba vaovao nahaliana azy ireo anefa, dia ny sarimihetsika.

NITORY TAMIN’NY ALALAN’NY SARIMIHETSIKA

Taorian’ny 1890 vao nisy sarimihetsika tsy misy feo naseho vahoaka. Efa nisy sarimihetsika ara-pivavahana nalefa tao amin’ny fiangonana iray tao New York, tamin’ny 1903. Vao nanomboka kelikely àry ny famokarana sarimihetsika tamin’ny 1912, dia efa sahy nanomana an’ilay “Fampisehoana An-tsary” i Russell. Hitany fa azo ampitana ny fahamarinana izy io, ary mandaitra kokoa noho ny boky.

Adiny valo ilay “Fampisehoana An-tsary”, ary matetika no nozaraina efatra ny fandefasana azy. Sary miloko sy sarimihetsika mampiseho tantara ara-baiboly be mpahalala no hita amin’ilay izy. Misy lahateny ara-baiboly fohifohy 96 noraisim-peo amin’ilay izy, ka mpandahateny iray malaza sy tsara feo no nanao izany. Nampiarahina tamin’ny mozika kilasika ny ankamaroan’ny sary. Nisy olona mahay, nandefa ny feo sy mozika tamin’ny grafofaonina sady nampifanaraka an’izany tamin’izay sary niseho.

‘Hita ao daholo, manomboka amin’ny famoronana ny kintana ka hatramin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.’—Stuart Barnes, 14 taona tamin’ny 1914

Novidina ny ankamaroan’ny horonan-tsary sy sary natao tamin’ny takelaka fitaratra. Mpanao hoso-doko tena mahay avy any Philadelphie, New York, Paris, ary Londres no nanao azy ireny, ary natao  tanana daholo izy ireny. Maro koa no natao tao amin’ny Betela, ary tao matetika no nosoloana izay vaky. Ankoatra an’ireo horonan-tsary novidina, dia ny mpianakavin’ny Betela no nilalao tamin’ny horonan-tsary sasany. Nisy, ohatra, nanao ny anjaran’i Abrahama sy Isaka ary ilay anjely nisakana an’i Abrahama tsy hanao sorona an-janany. Tao Yonkers, any New York, izany no natao.—Gen. 22:9-12.

Voaofana tsara ireo olona nikirakira fitaovana, ka nahay nampifanaraka ny sary sy ny feo. Horonan-tsary telo kilaometatra teo ho eo no nampiasaina, diska 26, ary sary 500 teo ho eo

Nilaza tamin’ny mpanao gazety ny mpiara-miasa iray tamin’ny Rahalahy Russell fa hahatonga ‘olona an’arivony maro ho liana amin’ny Soratra Masina’ io fampisehoana io, ary “handaitra noho izay rehetra efa natao mba hampielezana fampianarana ara-pivavahana.” Nankasitrahan’ny mpitondra fivavahana ve ilay zava-baovao nanampiana ny olona mangetaheta ny fahamarinana? Tsia. Nanaratsy azy io ny ankamaroany. Nisy aza nampiasa fomba an-kolaka na mivantana mba hisakanana ny olona tsy hijery an’ilay izy. Nanapaka ny jiro izy ireo tany amin’ny toerana iray.

Anabavy mampandroso ny mpijery sady mizara maimaim-poana bokikely misy sary avy amin’ilay fampisehoana. An-tapitrisany ny bokikely voazara

Nomena haingon’akanjo kely misy sarin’i Jesosy sy soratra hoe “Pax” (Fiadanana) ny mpanatrika, mba hampahatsiahivana azy ireo ho tia fihavanana

Feno hipoka anefa ireo toerana nandefasana an’ilay fampisehoana, izay tsy nisy vidim-pidirana. Nahatratra 80 isan’andro ny tanàna nampisehoana an’ilay izy tany Etazonia. Maro no sambany nahita sarimihetsika misy feo ka talanjona. Nalefa nisesy haingana be ny sary sasany, ka afaka nahita akoho kely mivoaka avy ao anaty akorany sy voninkazo mivelatra tsikelikely ny mpijery. Nisy resaka siansa koa ny sary sasany, ary nanasongadina fa tena mahay i Jehovah. Rehefa nahita ny sarin’ny Rahalahy Russell nanao teny fanokafana ny mpijery iray, dia nilaza hoe: “Dia tena ny Rahalahy Russell mihitsy io e!”

NAMPIELY BE NY FAHAMARINANA

Trano fijerena teatra any New York, an’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena tamin’izany. Tao no nalefa voalohany ilay “Fampisehoana An-tsary”, tamin’ny 11 Janoary 1914

Nilaza i Tim Dirks, manam-pahaizana momba ny tantaran’ny sarimihetsika, fa ‘iny no filma voalohany nahitana sary miloko sy sarimihetsika niaraka tamin’ny tenin’olona noraisim-peo.’ Efa nisy ihany ny filma nahitana ny sasany tamin’ireo, saingy tsy tonga dia niaraka, ary tsy momba ny Baiboly. Iny koa no be mpijery indrindra, satria sivy tapitrisa teo ho eo ny fitambaran’ny mpijery tany Amerika Avaratra, Eoropa, Aostralia, ary Nouvelle-Zélande, ny taona voalohany nandefasana azy!

Tao New York no nalefa voalohany ilay fampisehoana, tamin’ny 11 Janoary 1914. Nipoaka ny Ady Lehibe I, fito volana taorian’izay. Mbola nivory mba hijery azy io anefa ny olona maro eran-tany, ka nahazo fampaherezana rehefa nahita ny sary mampiseho ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Sanganasa niavaka tokoa ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, tamin’ny 1914.

“Fampisehoana An-tsary” 20 no nampiasaina nanerana an’i Amerika Avaratra