Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Aogositra 2017

 FANTARO NY TANTARANTSIKA

“Rahoviana Indray no Misy Fivoriambe E?”

“Rahoviana Indray no Misy Fivoriambe E?”

FARAMPARAN’NY Novambra 1932 tamin’izay. Nanomboka nisy jiro mandrindra ny fifamoivoizana tany Mexico, tanàna nisy mponina iray tapitrisa mahery. Herinandro tatỳ aoriana anefa, dia tsy izay intsony no maresaka tao amin’io renivohitr’i Meksika io. Nisy vahiny manan-kaja ho tonga mantsy. Fa iza izany? I Joseph Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Hanatrika fivoriambe manokana mandritra ny telo andro izy. Efa niandry azy teny amin’ny gara ny mpanao gazety sy ny fakan-tsariny. Efa tonga nitsena azy teny koa ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nilaza ny gazety Fotoam-pahasambarana fa ‘tsy hohadinoina mihitsy iny fivoriambe iny, satria anisan’ny tena nahatonga ny fahamarinana hiely eran’i Meksika.’ Nahoana anefa ilay izy no tena niavaka, nefa 150 teo ho eo monja ny mpanatrika?

Zara raha nisy olona liana tany Meksika talohan’izay. Efa nisy fivoriambe kely natao ihany tany nanomboka tamin’ny 1919, saingy nihavitsy ny fiangonana taona vitsivitsy taorian’izay. Nantenaina handroso kokoa ny fitoriana, rehefa lasa nisy biraon’ny sampana tany Mexico tamin’ny 1929. Mbola nisy olana ihany anefa. Nahazo toromarika ny mpisava lalana hoe tsy mety ny manararaotra mivarotra rehefa eny am-pitoriana. Tezitra be ny mpisava lalana iray, dia niala tamin’ny fahamarinana ary namorona antokona mpianatra Baiboly. Nandika ny toro lalan’ny Baiboly koa ny mpiandraikitra ny sampana, ka tsy maintsy nitadiavana solony. Nila nampaherezina àry ny Vavolombelona tany Meksika.

Tena nampahery azy ireo ny Rahalahy Rutherford nandritra ny fitsidihany. Nanao lahateny tsara be anankiroa izy tamin’ilay fivoriambe, ary nanao lahateny dimy nalefa tamin’ny radio. Tamin’izay no voalohany nampielezana ny vaovao tsara tamin’ny radio, tany Meksika. Rehefa vita ilay fivoriambe, dia nisy mpiandraikitra ny sampana vaovao notendrena mba hiandraikitra ny asa fitoriana. Lasa nazoto nitory indray àry ny Vavolombelona tany, ary notahin’i Jehovah.

Fivoriambe tany Mexico, tamin’ny 1941

Roa be izao ny fivoriambe natao tany, tamin’ny 1933. Ny iray tany Veracruz ary ny iray tany Mexico. Nanomboka nisy vokany tsara ny ezaka mafy nataon’ireo rahalahy. Nisy 82 ny mpitory tamin’ny 1931. Nitombo avo folo heny izany tamin’ny 1941. Nisy fivoriambe koa tamin’io taona io tao Mexico, ary 1000 teo ho eo no nanatrika.

“FENO AN-DRY ZAREO NY ARABE”

Nilanja takelaka ny mpitory tamin’ny 1943, mba hampahafantarana an’ilay fivoriambe hoe “Firenena Afaka.” * Natao tany amin’ny tanàna 12 tany Meksika izy io. Tamin’ny 1936 ny Vavolombelona no nanomboka nampiasa takelaka hoatr’izany rehefa  nisy zavatra tian’izy ireo hampahafantarina ny olona. Takelaka roa no nolanjain’izy ireo, ka ny iray nataony tao andamosiny ary ny iray teo anoloany.

Ampahana gazety tamin’ny 1944, ahitana mpitory maromaro milanja takelaka, tany Mexico

Nisy vokany be ilay filanjana takelaka teny an’arabe. Hoy ny gazety La Nación: “Nilazana ry zareo [Vavolombelona] tamin’ny andro voalohany [nanaovana an’ilay fivoriambe] hoe mbola mila manasa olona bebe kokoa. Lasa tsy omby an-dry zareo ny trano ny ampitson’iny.” Tsy faly tamin’izany ny Eglizy Katolika, ka nanao hetsika hanoherana ny Vavolombelona. Tsy natahotra mihitsy anefa izy ireo fa mbola nilanja takelaka teny an’arabe ihany. Nilaza ilay gazety fa “nahita an-dry zareo daholo ny iray tanàna.” Naseho tao koa ny sarin-dry zareo teny amin’ny araben’i Mexico. Nisy soratra teo ambanin’ilay izy hoe: “Feno an-dry zareo ny arabe.”

FANDRIANA “NALEMILEMY SY NAFANA KOKOA”

Vitsy ny fivoriambe tany Meksika. Tsy maintsy nanao ezaka be àry ny ankamaroan’ny Vavolombelona mba hanatrehana azy ireny. Maro no avy tany ambanivohitra be, tany amin’ny tanàna kely tsy tongan’ny lamasinina na tsy nisy lalana mihitsy. Tsy maintsy nitaingina ramole izy ireo na nandeha an-tongotra nandritra ny andro vitsivitsy, izay vao afaka nandray lamasinina nankany amin’ny tanàna hanaovana fivoriambe.

Nahantra ny ankamaroan’izy ireo, ka zara raha ampy natao saran-dalana nandroso ny volany. Tena be fitiavana ny mpiara-manompo, ka maro no afaka nilasy tany amin-dry zareo nandritra an’ilay fivoriambe. Ny sasany natory tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nisy fotoana natory tany amin’ny biraon’ny sampana ny rahalahy sy anabavy 90 teo ho eo. Baoritra 20 nisy boky no nalahatra, dia teo ry zareo no natory. Nilaza ny Diary fa tena nankasitraka an’izany izy ireo matoa nilaza fa “nalemilemy sy nafana kokoa noho ny gorodona simenitra” ireo fandriana baoritra.

Tena faly izy ireo namonjy fivoriambe, ka tsy nampaninona azy ireo ny nanao ezaka be mba hanatrehana an’ilay izy. Nilaza ny Diary 1949 fa nazoto nanompo an’i Jehovah foana izy ireo, na dia tsy mora tamin’izy ireo aza izany. Isaky ny nisy fivoriambe tany, dia iny foana no ambentin-dresaky ry zareo, nandritra ny fotoana elaela. Nanontany foana koa ry zareo hoe: “Rahoviana indray no misy fivoriambe e?” Mbola mahay mankasitraka hoatr’izany hatramin’izao ny mpitory any Meksika. Efa ho iray tapitrisa ry zareo izao. *Avy any amin’ny tahirintsika any Amerika Afovoany.

^ feh. 9 Nilaza ny Diary 1944 fa “lasa nalaza nanerana an’i Meksika ny Vavolombelon’i Jehovah” noho io fivoriambe io.

^ feh. 14 Nisy 2 262 646 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tany Meksika, tamin’ny 2016.