Fantaro ny Tantarantsika

Vakio ato ny zavatra niainan’ny olona sasany sy ny zava-nitranga teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tantara

Mitohy ny Tantarantsika: Fivoriambe

Ho hitanao ato ny tantaran’ny fivoriambe ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Mitohy ny Tantarantsika: Ny Asa Fanorenana

Fantaro hoe nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no manorina trano an’arivony maneran-tany.

Fitoriana ny Vaovao Tsara Amin’ny Radio sy Tele

Ahoana no nampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny radio WBBR mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana?

“Fotoana Tena Sarobidy”

Nilaza ny Tilikambo Fiambenana fa “fotoana tena sarobidy” ny Fahatsiarovana ary nasaina nankalaza azy io ny mpamaky. Ahoana no nankalazana azy io taloha?

Mitohy ny Tantarantsika: Ny Hira (Fizarana 1)

Hoatran’ny ahoana ny tantaran’ny hirantsika, ary nahoana izy ireny no zava-dehibe eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

Mitohy ny Tantarantsika: Ny Hira (Fizarana 2)

Fantaro ny tantaran’ireo fihirana nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny zato taona lasa.

“Mbola Betsaka ny Asa Fijinjana Tokony Hatao”

Vavolombelon’i Jehovah 760 000 mahery no mampiely ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, any Brezila. Ahoana no niandohan’ny asa fitoriana tany Amerika Atsimo?

Ny Fitiavana no Nampandeha Tsara ny Zava-drehetra Tao

Raha tamin’ny 1995 tany ho any ianao vao nanomboka namonjy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mety hahagaga anao ny fandaharana nataonay taloha.

Tonga Tany Portogaly ny Vaovao Tsara

Inona no olana natrehin’ireo nitory voalohany tany Portogaly?

1870 Hatramin’ny 1918

Nahatonga ny Vaovao Tsara Hiely Tany Irlandy ny Lahateny

Inona no nahatonga an’i Charles Russell hieritreritra hoe “efa masaka hojinjaina ny vokatra”?

Feno 100 Taona Ilay Sanganasa

Feno 100 taona amin’ity taona ity ny nivoahan’ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, izay nanampy ny olona mba hino fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.

Nanampy Olona Maro Hahalala ny Marina ny “Eurêka-Drame”

“Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” ihany ny “Eurêka-Drame” saingy fohy kokoa. Na ny toerana mitokana tsy misy elektrisite aza azo nandefasana azy.

“Mahita Vokatra Aho ka Midera An’i Jehovah”

Tsy tena azon’ny Mpianatra ny Baiboly ny hoe tsy momba ny atsy na ny aroa nandritra ny Ady Lehibe I. Tsy nivadika anefa izy ireo ka nahita vokatra tsara.

Tsy Nivadika tao Anatin’ny “Fitsapana”

Ho hitanao ato fa niharihary tamin’ny rehetra hoe tsy niady ny Mpianatra ny Baiboly, nandritra ny Ady Lehibe I tamin’ny 1914.

1919 Hatramin’ny 1930

“Iza no Nanankinana An’ilay Asa?”

Nisy fivoriambe niavaka tamin’ny 1919. Nisy vokany eran-tany ny fizarana an’ilay gazety navoaka tamin’io fotoana io.

‘Lasa Be Zotom-po sy Be Fitiavana Tsy Nisy Hoatr’izany’

Taorian’ilay fivoriambe tamin’ny 1922, inona no nataon’ny Mpianatra ny Baiboly mba ‘hanambarana an’ilay Mpanjaka sy ny fanjakany’?

“Iny no Hafatra Tsara Indrindra”

Nanana radio tao amin’ny tanàna efatra tany Kanada ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny), tamin’ny 1926.

Niposaka Tany Japon ny Hazavana

Nanampy tamin’ny fitoriana an’ilay Fanjakana tany Japon ireo tranofiara namboarina nantsoina hoe Jeho.

Tonga Tamin’ny Fotoana Nety Ilay Fampisehoana An-tsary

Ho hitanao ato hoe nanampy ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina hiatrika an’ireo fitsapana tamin’ny Ady Lehibe II ny “Fampisehoana Momba ny Famoronana.”

“I Jehovah no Namindra Anareo Teto Frantsa mba Hianatra ny Fahamarinana”

Tsy nampoizina ny vokatr’ilay fifanarahana nifanaovan’i Frantsa sy Polonina tamin’ny 1919.

“Toy ny Sokatra ao Anaty Akorany Aho”

Nisy Olana Ara-toe-karena Lehibe eran-tany, tamin’ny faramparan’ny 1929. Ahoana no nataon’ny mpisava lalana tamin’izany?

1931 Hatramin’izao

Manampy Antsika Hiray Saina Foana ny Filan-kevi-pitantanana: Fizarana 1

Ahoana no ataon’ny Filan-kevi-pitantanana mba hiray saina foana ny mpiara-manompo maneran-tany?

Manampy Antsika Hiray Saina Foana ny Filan-kevi-pitantanana: Fizarana 2

Ahoana no nataon’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny mpiara-manompo maneran-tany hiray saina?

Natanjaka Ara-panahy Foana Ry Zareo na dia Tao Anatin’ny Sarotra Aza

Tsy mora ny fiainan’ny mpiara-manompo nipetraka tany amin’ny faritra ravaravan’ny Ady Lehibe II tany Eoropa. Inona no ianarantsika avy amin-dry zareo?

Niray Saina na dia Nisara-bazana aza ny Olona tao Amin’ny Firenena Nisy Azy

Ahoana no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Afrika Atsimo tamin’ny andron’ny apartheid? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny tantaran-dry zareo?

Fikambanana Ara-kolontsaina Nampianatra ny Marina ao Amin’ny Baiboly

Nekena ara-dalàna ho fikambanana sivily sy ara-kolontsaina ny Vavolombelon’i Jehovah tany Meksika nandritra ny 50 taona. Jereo fa notahin’i Jehovah foana ny asantsika na dia noferan’ny fanjakana aza ny zavatra azontsika natao teo amin’ny fanompoana azy.

“Aza Avela Hisy na Inona na Inona Hanakana Anareo”

Namela modely ho antsika ireo mpisava lalana tany Frantsa taoriana kelin’ny 1930, satria be zotom-po sy niaritra.

“Na Ratsy ny Lalana na Lavitra Be”

Nisy mpisava lalana tena nazoto, tapa-kevitra ny hitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra tany amin’ny tany efitr’i Aostralia, tamin’ny taona 1930 tany ho any.

“Rahoviana Indray no Misy Fivoriambe E?”

Inona no nampiavaka an’ilay fivoriambe natao tany Mexico tamin’ny 1932?

Faly Be Ilay Mpanjaka!

Ho hitanao ato ny tantaran’ny mpanjaka iray tany Soazilandy, izay tia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Tonga Tany Azia Atsimoatsinanana Ilay Mpitondra Hazavana

Be herim-po ireo rahalahy nandeha tamin’ny Lightbearer ka nizara hazavana ara-panahy tany amin’ny faritra midadasika sady be mponina, na dia teo aza ny fanenjehana.

Ilay Fiara Nalaza Be

Nanampy olona an-tapitrisany handre ny vaovao tsara ilay “fiara misy fanamafisam-peo an’​ny Watch Tower”, nanomboka tamin’​ny 1936 ka hatramin’ny 1941.

“Ry Mpitory eto Grande-Bretagne, Mifohaza!!”

Zara raha nitombo ny isan’ny mpitory tany Grande-Bretagne nandritra ny folo taona. Niova anefa izany. Nahoana?

Kristianina Mafana Fo sy Tia Fihavanana ny Vavolombelon’i Jehovah any Nouvelle-Zélande

Fa maninona ny Vavolombelon’i Jehovah no noheverina hoe nampidi-doza ny fiaraha-monina taorian’ny 1940?

Izay Tsara Indrindra no Nomen’izy Ireo

Ahoana no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana haingana ny mpiara-manompo taminy tany Alemaina, taorian’ny ady lehibe faharoa?

Be dia Be no Ampianarina Mamaky Teny sy Manoratra Eran-tany

Midera ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana any amin’ny tany samihafa noho ny ezaka vitan’izy ireo mba hampianarana ny olona hamaky teny sy hanoratra.

Nanompo An’i Jehovah Foana Izy Ireo na dia Mafy aza ny Fiainana

Nahantra be ny Vavolombelon’i Jehovah tany Philippines teo anelanelan’ny 1970 sy 1990. Manampy antsika ny ohatr’izy ireo rehefa miova tampoka ny fiainantsika.

Mitohy ny Tantarantsika: Manampy Antsika Hitory Amin’ny ‘Fiteny Rehetra’ ny MEPS

Manararaotra ny teknolojia ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hamokarana boky vita pirinty sy lahatsoratra ao amin’ny Internet amin’ny fiteny 1 000 mahery. Ho hitanao ato ny fomba anaovany an’izany.