NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Martsa 2013

Hita ato hoe: Ahoana no ahafahan’ny Kristianina manao foana an’ilay hazakazaka hahazoana fiainana? Ahoana no handinihana ny fo sy hahalalana an’Andriamanitra?

Tsy Misy na Inona na Inona Mahatafintohina An’ireo Tia An’i Jehovah

Ho hitanao ato hoe nahoana no lazaina fa tsy misy mahatafintohina an’ireo olona tia ny lalàn’i Jehovah. Ary inona no hanampy antsika hanohy foana an’ilay hazakazaka hahazoana fiainana?

Manana “Fo Mahalala” An’i Jehovah ve Ianao?

Afaka manampy anao hanana fo tsara foana ny tenin’i Jeremia mpaminany.

Inona no Tokony Hataon’ireo “Mahalala An’Andriamanitra”?

Ho hitanao ato hoe nahoana no ilaina ny mandinika tsy tapaka raha mbola manam-pinoana sy mahafoy tena ho an’Andriamanitra isika.

Mahazo Fampaherezana Isika ka Mampahery ny Hafa

Efa narary daholo isika rehetra, ary misy aza narary mafy mihitsy. Inona no afaka manampy antsika rehefa mitranga izany?

Jehovah no Fonenantsika

Nahoana isika no afaka matoky hoe hiaro ny vahoakany i Jehovah, na dia miaina eo amin’ny tontolo ratsy aza isika?

Omeo Voninahitra ny Anaran’i Jehovah

Manao ahoana ny fihetseham-ponao mieritreritra hoe manana tombontsoa hampiasa ny anaran’i Jehovah ianao? Inona no dikan’ny hoe mahalala ny anaran’Andriamanitra sy mandeha amin’ny anarany?

I Josèphe Tokoa ve no Nanoratra Azy Io?

Tena i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy, tokoa ve no nanoratra hoe i Jesosy no Kristy?

Aza Manary Toky Mihitsy!

Tsy tokony hanary toky mihitsy ianao raha irinao hanompo an’i Jehovah ny vadinao na ny olona ampianarinao Baiboly. Vakio ato ny tantaran’ny olona nanao toy izany.