Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) MARTSA 2013

Manana “Fo Mahalala” An’i Jehovah ve Ianao?

Manana “Fo Mahalala” An’i Jehovah ve Ianao?

“Homeko fo mahalala ahy izy ireo mba hahafantarany hoe izaho no Jehovah. Dia ho oloko izy ireo.” —JER. 24:7.

1, 2. Nahoana ny olona sasany no te hahalala bebe kokoa momba ny aviavy?

EFA nihinana aviavy ve ianao? Be mpitia ny aviavy, ka betsaka ny mamboly azy io. Anisan’izany, ohatra, ny Israelita fahiny. (Nah. 3:12; Lioka 13:6-9) Mahasalama ny aviavy, ary misy aza milaza fa mahatsara fo izy io.

2 Nasain’i Jehovah nanoratra momba ny aviavy koa i Jeremia mpaminany. Niresaka momba ny fo an’ohatra izy tamin’izay, fa tsy ny vokatry ny aviavy eo amin’ny fahasalamana. Handinika ny tenin’i Jeremia isika izao, satria mahasoa antsika sy ny fianakaviantsika izany. Eo am-pandinihana izany, dia eritrereto hoe inona no azontsika ampiharina amin’izay nolazainy.

3. Iza no oharina amin’ny aviavy ao amin’ny Jeremia toko faha-24?

3 Narary ara-panahy ny firenen’ny Joda tamin’ny taona 617 T.K. Nomen’i Jehovah fahitana momba ny hoavin’izy ireo àry i Jeremia, ary niresaka momba ny aviavy “tena tsara” sy ny aviavy “tena ratsy.” (Vakio ny Jeremia 24:1-3.) Ny aviavy ratsy dia i Zedekia Mpanjaka sy ny olon-kafa mitovy aminy, izay horinganin’i Nebokadnezara Mpanjaka sy ny tafiny. Ny aviavy tsara kosa dia i Ezekiela sy Daniela ary ireo namany telo lahy izay efa tany Babylona, sy ny Jiosy sasany mbola hoentina mankany. Nody tany Jerosalema ny Jiosy sasany tatỳ aoriana, ary nanorina an’i Jerosalema sy ny tempoliny.—Jer. 24:8-10; 25:11, 12; 29:10.

4. Nahoana no mampahery antsika ny tenin’i Jehovah momba ireo aviavy tsara?

4 Nilaza toy izao i Jehovah momba ireo olona nohariny tamin’ny aviavy tsara: “Homeko fo mahalala ahy izy ireo mba hahafantarany hoe izaho no Jehovah. Dia ho oloko izy ireo.” (Jer. 24:7) Io no andinin-teny fototra amin’ity lahatsoratra ity, ary tena mampahery izy io! Voalaza eo fa tian’i Jehovah homena “fo mahalala” azy isika. Ny tiany holazaina  amin’ny hoe “fo” eo, dia ny toetra maha izy antsika manontolo. Midika izany fa tian’i Jehovah raha isika amin’ny maha isika antsika no maniry hahalala azy, sy te ho anisan’ny vahoakany. Inona no hanampy anao ho lasa toy izany? Mila mianatra Baiboly ianao, mampihatra izay ianaranao, mibebaka sy miala amin’ny fahotanao, manokan-tena ho an’Andriamanitra, ary atao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina. (Mat. 28:19, 20; Asa. 3:19) Efa manao an’ireo ve ianao? Efa mivory tsy tapaka ve ianao, ary miezaka manao an’ireo dingana ireo? Sa efa nahavita azy rehetra?

5. Momba an’iza no tena nosoratan’i Jeremia?

5 Mbola mila mandinika ny toe-tsaintsika sy ny zavatra ataontsika isika, na dia efa nanao ny sasany tamin’ireo dingana ireo aza, na nahavita azy rehetra mihitsy. Nahoana? Hahafantatra ny valin’izany isika, rehefa mandinika ny zavatra nosoratan’i Jeremia momba ny fo. Niresaka momba an’ireo firenena nanodidina an’i Joda i Jeremia, kanefa mahakasika ny firenen’ny Joda no tena nosoratany, dia izay nitranga nandritra ny fitondran’ireo mpanjaka dimy nifandimby tao. (Jer. 1:15, 16) Nifantoka tamin’ireo olona efa voatokana ho an’i Jehovah àry ny zavatra nosoratan’i Jeremia. Nifidy ny ho vahoakan’i Jehovah ny razamben’izy ireo, ary nanamafy izany ny vahoaka tamin’ny andron’i Jeremia. (Eks. 19:3-8) Hoy izy ireo tamin’i Jehovah: “Indreto izahay manatona anao, fa ianao Jehovah ô no Andriamanitray!” (Jer. 3:22) Nanao ahoana anefa ny fon’izy ireo?

NILA FANDIDIANA NY FON’IZY IREO

6. Nahoana isika no tokony hisaintsaina an’izay nolazain’i Jehovah momba ny fo?

6 Manana fitaovana arifomba ny mpitsabo ankehitriny, ka afaka mahita ny ao anatin’ny fo sy ny fiasany. Mbola mahay noho izany anefa i Jehovah, ka mahita lavitra kokoa. Hoy izy: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina. Iza no mahalala ny aminy? Izaho Jehovah no mandinika ny fo ... mba hamaliako ny tsirairay araka izay ataony sy araka ny vokatry ny asany.” (Jer. 17:9, 10) Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe “mandinika ny fo”? Izany akory tsy midika hoe mandinika ny fahasalaman’ny fo ara-bakiteny, izay mitepo intelo arivo tapitrisa eo ho eo, ao anatin’ny 70 na 80 taona. Ny fo an’ohatra no tian’i Jehovah horesahina, izany hoe ny maha izy antsika. Tafiditra amin’izany ny faniriantsika, ny toe-tsaintsika, ny eritreritsika, ary ny tanjontsika. Manana an’io fo an’ohatra io ianao. Mandinika azy io i Jehovah, ary afaka manao toy izany koa ianao, na dia tsy amin’ny fomba tonga lafatra aza.

7. Ahoana no nilazan’i Jeremia ny fon’ny ankamaroan’ny Jiosy?

7 Mba hahafahantsika mandinika ny fontsika, dia tsara ho fantatsika hoe nanao ahoana ny fon’ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia. Hoy i Jeremia: “Tsy voafora fo ny taranak’Israely manontolo.” Tsy niresaka momba ny famorana fanao eo amin’ny lehilahy jiosy akory i Jeremia teo, satria efa voafora izy ireo. Hoy i Jeremia: “ ‘Ho avy ny andro’, hoy i Jehovah, ‘izay hanaovako ampamoaka an’izay rehetra voafora nefa mbola tsy mifora.’ ” (Jer. 9:25, 26) “Tsy voafora fo” àry no tiany horesahina teo. Inona no dikan’ny hoe “tsy voafora fo”?

8, 9. Inona no nila nataon’ny ankamaroan’ny Jiosy momba ny fony?

8 Manampy antsika hahalala ny dikan’ny hoe “tsy voafora fo” ny zavatra nasain’i Jehovah nataon’ny Jiosy. Hoy izy: ‘Forao ny fonareo ry olon’i Joda sy mponin’i Jerosalema, sao hirehitra ny fahatezerako. Ratsy mantsy ny nataonareo.’ Fa inona no nahatonga azy ireo hanao ratsy? Satria ratsy ny fony. (Vakio ny Marka 7:20-23.) Hitan’i Jehovah tao am-pon’izy ireo hoe mikomy izy ireo ary tsy mety miova. Tsy nahafaly an’i Jehovah ny fomba fisainan’izy ireo sy  ny antony nanosika azy hanao zavatra. (Vakio ny Jeremia 5:23, 24; 7:24-26.) Niteny tamin’izy ireo àry i Jehovah hoe: “Aoka hoforana ianareo mba hadio eo anatrehan’i Jehovah, eny, forao ny fonareo.”—Jer. 4:4; 18:11, 12.

9 Nila fandidiana àry ny fon’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia. Nila ‘noforana ny fon’izy ireo’, toy ny tamin’ny andron’i Mosesy. (Deot. 10:16; 30:6) Inona no atao amin’izany? Tokony hesoriny izay rehetra mahatonga ny fony tsy hihontsina, izany hoe izay eritreritra sy faniriana ary antony manosika mifanohitra amin’ny didin’i Jehovah.—Asa. 7:51.

AHOANA NO HANANANTSIKA “FO MAHALALA” AN’I JEHOVAH?

10. Inona no tokony hataontsika, raha manahaka an’i Davida isika?

10 Velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika, satria ampahafantariny antsika ny momba ny fo. Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Fa nahoana moa izany no mahakasika antsika Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?’ Marina fa tsy manao ratsy ny ankamaroan’ny Kristianina, ary tsy toy ireo “aviavy ratsy” tamin’ny andron’i Jeremia. Tsy mivadika sy madio fitondran-tena ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. Tadidio anefa fa na i Davida, izay nanao ny marina, aza niangavy an’i Jehovah hoe: “Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko. Diniho aho, ka fantaro ny zavatra mampanahy ahy. Ary jereo sao misy lalana mampahory ato anatiko.”—Sal. 17:3; 139:23, 24.

11, 12. a) Nahoana isika tsirairay no tokony handinika ny fontsika? b) Inona no tsy hataon’Andriamanitra mihitsy?

11 Tian’i Jehovah ho ilay karazan’olona ankasitrahany isika, ary tiany ho toy izany foana. Hoy i Jeremia: ‘Ianao Jehovah Tompon’ny tafika ô, no mandinika ny olo-marina! Hitanao ny voa sy ny fo.’ (Jer. 20:12) Koa raha ny fon’ny olo-marina aza dinihin’i Jehovah, tsy midika ve izany fa mila mandinika ny fontsika amin’ny saina tsy miangatra koa isika? (Vakio ny Salamo 11:5.) Mety ho hitantsika amin’izany raha manana toe-tsaina, na tanjona, na fihetseham-po lalina mila ahitsy isika. Ho hitantsika raha misy zavatra mahatonga ny fontsika tsy dia hihontsina, ka mila ‘forana ny fontsika’ mba hanesorana an’ilay izy. Raha tsapanao àry hoe tena ilaina ny mandinika ny fo, inona no zavatra azonao jerena ao, ary inona no azonao atao mba hanovana azy io?—Jer. 4:4.

12 Tsara homarihina fa tsy manery antsika hiova i Jehovah. Nilaza tamin’ireo olona toy ny “aviavy tsara” izy hoe: ‘Homeny fo mahalala azy’ izy ireo. Tsy nilaza izy hoe hotereny hiova ny fon’izy ireo. Homeny fo mahalala azy kosa izy ireo, raha maniry hanana izany. Tokony hanana izany faniriana izany koa isika.

Handray soa isika raha mandinika ny fontsika sy manitsy izay tsy mety ao amin’izy io

13, 14. Inona no mety ho ao am-pon’ny Kristianina iray ka hanimba azy?

13 Hoy i Jesosy: ‘Avy ao am-po no ivoahan’ny eritreri-dratsy, ny vonoan’olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny halatra, ny fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary ny fanevatevana zava-masina.’ (Mat. 15:19) Tsy hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra intsony ny rahalahy iray, raha tsy mihontsina ny fony, ka manitsakitsa-bady izy na mijangajanga ary  tsy mety mibebaka. Na dia tsy nanao an’ireo fahotana ireo aza anefa ny olona iray, dia mety hanana fanirian-dratsy, ary mety hamela izany hitombo ao am-pony. (Vakio ny Matio 5:27, 28.) Tena manampy àry ny mandinika ny fo. Inona no hitanao rehefa mandinika tsara ny ao am-ponao ianao? Ohatra hoe: Moa ve ao am-ponao misy fanirian-dratsy hanao firaisana amin’ny olona iray tsy vadinao, faniriana fantatrao hoe tsy tian’i Jehovah ka tokony hesorina ao am-ponao?

14 Mety hoe tsy ‘hamono olona’ koa isika, kanefa mety hitana lolompo amin’ny mpiara-manompo amintsika. Mety hoe havelantsika hitombo ao am-pontsika izany, ka hankahala azy mihitsy isika. (Lev. 19:17) Hiezaka ve isika mba hanaisotra izany fihetseham-po izany, izay mety hahatonga ny fontsika tsy hihontsina?—Mat. 5:21, 22.

15, 16. a) Inona no mety hataon’ny Kristianina iray, ka ahitana hoe “tsy voafora fo” izy? b) Araka ny hevitrao, nahoana no tsy tian’i Jehovah raha “tsy voafora fo” isika mpanompony?

15 Soa ihany fa tsy manana fo ratsy toy izany ny ankamaroan’ny Kristianina. Tsara homarihina anefa fa niresaka momba ny “eritreri-dratsy” koa i Jesosy. Ny hoe eritreri-dratsy eo dia ireo eritreritra rehetra mety hanimba ny fiainantsika. Mety hihevitra, ohatra, ny olona iray hoe tsy tokony hivadika amin’ny havany mihitsy izy, na inona na inona mitranga. Marina fa tokony “ho tia ny mpianakaviny” ny Kristianina, ary tsy tokony hanahaka an’ireo olona maro tsy manam-pitiavana amin’izao “andro farany” izao. (2 Tim. 3:1, 3) Mety ho lasa tafahoatra anefa ny fitiavana ny mpianakavy. Maro no mihevitra fa ny fifandraisana amin’ny fianakaviana no zava-dehibe indrindra amin’ny fifandraisana rehetra. Vokatr’izany, dia miaro na miandany amin’ny havany foana izy, na inona na inona vokany. Heveriny ho toy ny hoe natao taminy izay ratsy natao tamin’ny havany. Izany, ohatra, no nahatonga an’ireo anadahin’i Dina hahavanon-doza. (Gen. 34:13, 25-30) Izany koa no nahatonga an’i Absaloma hamono an’i Amnona rahalahiny. (2 Sam. 13:1-30) Mety hampidi-doza tokoa ny eritreritra na ny fomba fihevitra tsy mety toy izany!

16 Marina fa tsy hamono olona toa azy ireo isika. Mety hitranga anefa ny hoe tezitra be amin’ny rahalahy na anabavy iray isika, satria nanao ratsy tamin’ny mpianakavintsika izy, na tsy tena hoe nanao ratsy izy fa izany no fiheverantsika azy. Mety tsy handray an’ilay olona ao an-tranontsika isika vokatr’izany, na tsy hanaiky hankany aminy rehefa manasa antsika izy.  (Heb. 13:1, 2) Tsy manam-pitiavana ny olona manana fihetseham-po ratsy, na tsy mahay mandray vahiny toy izany, ary tsy azo hamaivanina izany na alan-tsiny. Mahita ny ao am-po i Jehovah, ary hitany amin’izany hoe “tsy voafora fo” isika. (Jer. 9:25, 26) Tadidio ny tenin’i Jehovah hoe: “Forao ny fonareo”, izany hoe esory izay tsy metimety ao amin’ny fonareo.—Jer. 4:4.

MIOVÀ ARY MIEZAHA FOANA HANANA “FO MAHALALA” AN’I JEHOVAH

17. Nahoana no mora kokoa amintsika ny hanova ny fontsika, raha matahotra an’i Jehovah isika?

17 Ahoana no hataonao, raha mandinika ny fonao ianao, ka mahita fa tsy dia mihontsina amin’ny torohevitr’i Jehovah izy io, izany hoe mbola “tsy voafora” tsara? Hitanao angamba hoe matahotra olona ianao, na mitady laza, na tia vola, na mafy loha, na tsy manaiky raha tsy tanteraka ny fanirianao. Aza kivy raha izany no izy, satria tsy ianao irery no mahatsapa toy izany. (Jer. 7:24; 11:8) “Mafy loha sy mpikomy” ny Jiosy sasany tamin’ny andron’i Jeremia. Tsy mba ‘natahotra an’i Jehovah’ izy ireo, kanefa ‘i Jehovah no nanome azy ireo oram-be sy oram-pararano.’ (Jer. 5:23, 24) Mila miezaka àry isika mba hatahotra kokoa an’i Jehovah sy hankasitraka azy bebe kokoa, raha tiantsika ny hanaisotra an’izay tsy mety ao am-pontsika. Ho mora kokoa amintsika ny hanova ny fontsika sy hankatò an’i Jehovah, raha matahotra azy isika.

18. Inona no nampanantenain’i Jehovah an’ireo olona nanaovany fifanekena vaovao?

18 Homen’i Jehovah “fo mahalala” azy isika, rehefa miezaka foana hanatsara ny fontsika. Izany no nampanantenainy an’ireo voahosotra nanaovany fifanekena vaovao. Hoy izy: “Hataoko ao anatin’izy ireo ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony. Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho oloko.” Hoy koa izy: “Samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny intsony izy ireo hoe: ‘Mahalalà an’i Jehovah!’ Fa hahalala ahy izy rehetra, manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra ... Fa havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.”—Jer. 31:31-34. *

19. Inona no antenain’ny tena Kristianina?

19 Afaka manantena hahazo an’ireo zavatra ampanantenain’i Jehovah ireo, na ireo manantena ho any an-danitra, na ireo ho eto an-tany. Mila manana faniriana mafy hahafantatra an’i Jehovah sy ho anisan’ny vahoakany anefa isika, vao hahazo izany. Tsy maintsy voavela heloka koa isika, miorina amin’ny soron’i Kristy. Koa satria afaka mahazo famelan-keloka isika, dia tokony hamela ny heloky ny hafa koa, eny fa na dia rehefa sarotra amintsika aza izany. Hihatsara ny fonao raha esorinao ao am-ponao ny fahatezerana na ny fankahalana. Raha manao izany ianao, dia mampiseho fa te hanompo an’i Jehovah, sady maniry hahalala azy bebe kokoa. Amin’izay koa ianao, dia hitovy amin’ireo olona nilazan’i Jehovah hoe: “Hitady ahy tokoa ianareo ka hahita ahy, satria hitady ahy amin’ny fonareo manontolo ianareo. Ary hataoko izay hahitanareo ahy.”—Jer. 29:13, 14.

^ feh. 18 Misy fanazavana momba ny fifanekena vaovao ao amin’ny toko faha-14 amin’ilay boky hoe Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany.