Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) MARTSA 2013

Tsy Misy na Inona na Inona Mahatafintohina An’ireo Tia An’i Jehovah

Tsy Misy na Inona na Inona Mahatafintohina An’ireo Tia An’i Jehovah

“Ho be ny fiadanan’ireo tia ny lalànao, ka tsy misy mahatafintohina azy.”—SAL. 119:165.

1. Inona no nataon’ny mpihazakazaka iray ka afaka manampy antsika ho tapa-kevitra tsy hilavo lefona?

NALAZA ho mpihazakazaka mahay i Mary Decker nanomboka tamin’izy 13 taona teo ho eo. Izy àry no nantenaina hahazo ny meday volamena tamin’ny hazakazaka 3 000 metatra, tamin’ny Lalao Olympika tamin’ny 1984. Tsy tonga teny amin’ny tsipika fahatongavana anefa izy. Voafingan’ny mpihazakazaka iray izy, ka nianjera. Naratra izy sady nitomany, ary tsy maintsy nobataina niala teo. Tsy nilavo lefona anefa i Mary. Tsy ampy herintaona taorian’izay, dia niverina nihazakazaka izy. Nandresy izy ary nomontsaniny ny zava-bita tsara indrindra maneran-tany, teo amin’ny hazakazaka 1,6 kilaometatra ataon’ny vehivavy.

2. Inona ny hazakazaka ataon’ny Kristianina, ary inona no tanjontsika?

2 Misy hazakazaka koa ataontsika Kristianina, fa hazakazaka an’ohatra. Ny tanjontsika dia ny ho tonga hatreny amin’ny tsipika fahatongavana. Tsy hoatran’ny hazakazaka zato metatra ilay izy, ka hoe ny hafainganam-pandeha no tena ilaina. Tsy toy ny hazakazaka fanazaran-tena fotsiny koa ilay izy, ka hoe miato matetitetika. Toy ny hazakazaka lavitra ezaka kosa ilay izy, ka ilaina ny miaritra sy manohy foana mandra-pahatonga any amin’ny tsipika farany. Nampiasa fanoharana momba ny mpihazakazaka ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tao Korinto. Hoy izy: “Tsy fantatrareo ve fa mihazakazaka avokoa ny mpihazakazaka rehetra manao fifaninanana, nefa iray monja no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa mba hahazoanareo azy io.”—1 Kor. 9:24.

3. Iza avy no afaka mandresy amin’ilay hazakazaka hahazoana ny fiainana?

3 Mampirisika antsika hanao an’io hazakazaka an’ohatra io ny Baiboly. (Vakio ny 1 Korintianina 9:25-27.) Fiainana mandrakizay no loka, any an-danitra ho an’ny Kristianina  voahosotra, ary eto an-tany ho an’ny mpandray anjara hafa rehetra. Tsy mitovy amin’ny ankamaroan’ny fifaninanana izy io, fa afaka mahazo loka daholo izay mandray anjara sy miaritra ka mahavita an’ilay izy hatramin’ny farany. (Mat. 24:13) Izay tsy manaraka fitsipi-dalao sy tsy tonga eny amin’ny tsipika fahatongavana ihany no tsy mahazo loka. Io irery no hazakazaka hahazoana ny fiainana mandrakizay!

4. Nahoana no tsy mora ny manao an’ilay hazakazaka hahazoana fiainana?

4 Tsy mora ny hoe hihazakazaka foana mandra-pahatonga eny amin’ny tsipika fahatongavana. Mila mifehy tena ianao ary tapa-kevitra hamita an’ilay izy. I Jesosy Kristy irery ihany no tsy tafintohina mihitsy rehefa nanao an’ilay hazakazaka an’ohatra. Isika rehetra kosa “manao fahadisoana imbetsaka”, hoy i Jakoba mpianatra. (Jak. 3:2) Tsy lavorary isika, ary tsy lavorary koa ny hafa. Mety hisy vokany amintsika izany, ka hanjary hampiadam-pamindra antsika. Misy aza miato mihitsy na lavo. Raha mitranga izany, dia mety hila fanampiana isika mba hahafahantsika hanohy an’ilay hazakazaka indray. Tsy tokony ho gaga àry isika raha lavo indraindray.—1 Mpanj. 8:46.

Ekeo ny fanampiana omena anao raha sanatria ka lavo ianao, ary miezaha hiarina

AZA MILAVO LEFONA NA TAFINTOHINA AZA

5, 6. a) Nahoana no lazaina fa “tsy misy mahatafintohina” ny Kristianina? Ary ahoana no hahatonga antsika ho “tafarina” raha lavo isika? b) Nahoana ny olona sasany no tsy tafarina mihitsy?

5 Sarin-teny ilay teny hoe tafintohina resahina eto. Midika hoe lavo izy io eo amin’ny lafiny ara-panahy. Samy hafa ny fihetsiky ny olona rehefa lavo. Misy ny mibebaka ary manompo an’i Jehovah indray. Ny hafa kosa tsy mety mibebaka mihitsy. Hoy ny Ohabolana 24:16: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany, fa ny ratsy fanahy kosa ho solafaka noho ny loza manjo azy.”

6 Raha matoky an’i Jehovah isika, dia ho tafarina foana raha sanatria tojo zava-tsarotra na manao fahadisoana. Afaka matoky isika hoe hanampy antsika ho “tafarina” i Jehovah, mba hahafahantsika manohy manompo azy amin’ny fo manontolo. Mampahery an’izay rehetra tena tia an’i Jehovah izany! Ny ratsy fanahy kosa anefa tsy mba te hiarina. Tsy mitady ny fanampian’ ny fanahy masina izy ireo, ary tsy manaiky ny fanampiana omen’ny vahoakan’i Jehovah. Tsy toy izany mihitsy ny olona ‘tia ny lalàn’i Jehovah.’ Milaza ny Baiboly fa “tsy misy mahatafintohina” azy ireo, izany hoe raha sanatria ka lavo izy ireo, dia afaka miarina foana ka hanohy an’ilay hazakazaka.—Vakio ny Salamo 119:165.

7, 8. Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, na dia “lavo” aza isika?

7 Misy olona sasany manao fahotana kely noho ny fahalemeny, ary misy aza manao izany miverimberina. Mbola mihevitra azy ireo ho marina anefa i Jehovah, raha miezaka foana izy ireo mba ho “tafarina”, izany hoe mibebaka amim-pahatsorana sy manohy ny fanompoana ary tsy mivadika. Hitantsika izany tamin’ny nataon’Andriamanitra tamin’ny Israelita. (Isaia 41:9, 10) Raha dinihina koa ilay Ohabolana 24:16 voaresaka tetsy aloha, dia tsy ilay zavatra ratsy, izany hoe ilay hoe “lavo”, no asongadina, fa ilay zavatra tsara, dia ilay hoe “tafarina” noho ny fanampian’ilay Andriamanitsika be famindram-po. (Vakio ny Isaia 55:7.) Hita hoe matoky antsika i Jehovah sy Jesosy, ka mampirisika antsika amin-katsaram-panahy mba ‘hiarina.’—Sal. 86:5; Jaona 5:19.

8 Na dia lavo aza ny mpihazakazaka iray amin’ny hazakazaka lavitra ezaka, dia mbola mety hahavita an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany ihany izy, raha miarina haingana. Ary isika? Tsy fantatsika hoe rahoviana ny “andro sy ora” hifaranan’ilay hazakazaka hahazoana fiainana. (Mat. 24:36) Tsy midika anefa izany hoe manam-potoana be isika, ka tsy maninona na lavo aza fa afaka miarina foana. Ny tena tsara dia ny hoe miezaka mafy mba tsy ho lavo. Ho azo antoka kokoa amin’izay hoe hahavita hanohy an’ilay hazakazaka isika, ka hamita an’ilay izy hatramin’ny farany. Inona àry no hanampy antsika tsy ho lavo?

ZAVATRA SASANY METY HAHATONGA ANTSIKA HO TAFINTOHINA

9. Inona no hodinihintsika izao?

9 Handinika zavatra dimy mety hahatonga antsika ho tafintohina isika izao: Ny fahalementsika, ny fanirian’ny nofo, ny tsy rariny ataon’ny mpiray finoana amintsika, ny fahoriana na ny fanenjehana, ary ny tsy fahalavorarian’ny hafa. Tadidio anefa hoe na dia lavo aza isika, dia tena manam-paharetana amintsika i Jehovah. Tsy tonga izy dia hieritreritra hoe nivadika taminy isika.

10, 11. Inona no fahalemen’i Davida?

10 Toy ny vatovato mahatafintohina, eny amin’ny lalan’ny mpihazakazaka ny fahalemena. Hiresaka fahalemena roa isika, hita tamin’ny tantaran’i Davida Mpanjaka sy ny apostoly Petera. Tsy nahavita nifehy tena i Davida, ary i Petera indray natahotra olona.

11 Hita hoe tsy ampy fifehezan-tena i Davida, rehefa novingavingain’i Nabala. Saika nanaonao foana izy tamin’izay. Hita koa izany tatỳ aoriana, tamin’izy nijangajanga tamin’i Batseba. Na izany aza anefa, dia niezaka foana izy nampifaly an’i Jehovah. Nahazo fanampiana izy, ka “tafarina” indray.—1 Sam. 25:5-13, 32, 33; 2 Sam. 12:1-13.

12. Inona no nanampy an’i Petera hanohy an’ilay hazakazaka, na dia nanao fahadisoana aza?

12 I Petera indray natahotra olona ka nanao fahadisoana, na dia hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah sy Jesosy aza. Nanda ny Tompony teo anatrehan’ny olona maromaro, ohatra, izy. Tsy indray mandeha fa intelo mihitsy! (Lioka 22:54-62) Nihatakataka tamin’ireo Kristianina hafa firenena koa i Petera, indray mandeha, ka toy ny hoe ambany noho ny Kristianina jiosy izy ireny. Fantatry ny apostoly Paoly fa tsy tokony hanavakavaka ny Kristianina. Nanome torohevitra hentitra an’i Petera àry izy, dieny mbola tsy nisy vokany ratsy tamin’ny fiangonana izany. (Gal. 2:11-14) Tezitra tamin’izany ve i Petera, ka tsy nanohy an’ilay hazakazaka kristianina intsony? Tsia. Nisaintsaina tsara ny torohevitr’i Paoly izy, nampihatra an’ilay izy, ary nanohy foana an’ilay hazakazaka.

13. Nahoana ny aretina no mety hahatonga antsika halemy ara-panahy?

13 Mety ho anisan’ny fahalemena koa ny aretina. Mety hanelingelina ny ara-panahintsika izy  io, ary mety hahatonga antsika hitsahatra amin’ilay hazakazaka. Narary mafy, ohatra, ny anabavy japoney iray, 17 taona taorian’ny batisany. Variana be tamin’ny aretiny izy, ka lasa nalemy ara-panahy, ary tsy nivory intsony. Nisy anti-panahy roa nitsidika azy sy nampahery azy, ka nandeha nivory indray izy. Hoy izy: “Latsa-dranomaso aho rehefa nivory voalohany taorian’izay, satria niarahaba ahy tamin-katsaram-panahy ny mpiara-manompo.” Manohy an’ilay hazakazaka indray io anabavintsika io izao.

14, 15. Inona no zavatra hentitra tokony hatao rehefa manana fanirian-dratsy? Hazavao amin’ny ohatra.

14 Anisan’ny vato mahatafintohina olona maro koa ny fanirian’ny nofo. Raha mitady halaim-panahy isika hanatanteraka ny fanirian-dratsy ao anatintsika, dia mila manao zavatra hentitra isika, mba hadio foana ny saintsika ary hadio foana ny fitondran-tenantsika. Tadidio ny torohevitr’i Jesosy hoe “ario” izay rehetra mety hahatonga anao hanota, eny fa na dia ny masonao na ny tananao aza. Tokony hesorintsika àry ny eritreri-dratsy ary hohalavirintsika izay fanao maloto mety hahatonga antsika tsy hanohy an’ilay hazakazaka.—Vakio ny Matio 5:29, 30.

15 Nitantara ny rahalahy iray notezaina tao amin’ny fahamarinana hoe niady mafy tamin’ny faniriana hiray amin’ny lehilahy izy hatramin’izay. Tsapany hoe tsy nitovy tamin’ny olon-kafa izy, ary tsy nety nahazo aina rehefa tafaraka tamin’ny olona maromaro. Mpisava lalana maharitra sy mpanampy amin’ny fanompoana izy tatỳ aoriana, tamin’izy 20 taona. Nanao fahadisoana lehibe anefa izy, ka nahazo fananarana ary nampian’ny anti-panahy. Nivavaka àry izy, nianatra ny Baiboly, ary nifantoka tamin’ny fanampiana ny hafa, ka afaka niarina indray ary nanohy an’ilay hazakazaka. Hoy izy taona maro tatỳ aoriana: “Mbola ao amiko ihany ilay fanirian-dratsy indraindray, nefa tsy avelako ho resin’ilay izy aho. Tsapako hoe tsy avelan’i Jehovah halaim-panahy mihoatra noho izay zakako aho, fa matoa ilay izy mbola avelany hitranga, dia matoky izy hoe vitako ny mandresy an’ilay izy.” Hoy koa io rahalahy io: “Hovalian-tsoa ny ady mafy rehetra ataoko, rehefa ao amin’ny tontolo vaovao. Izany no tena tadiaviko! Fa mandra-pahatongan’izany, dia hiady mafy foana aho.” Tapa-kevitra ny hanohy foana an’ilay hazakazaka izy.

16, 17. a) Na dia nihevitra aza ny rahalahy iray hoe niharan’ny tsy rariny, inona no nanampy azy hiatrika izany? b) Inona no tokony hotadidintsika mba tsy hahatonga antsika halemy ara-panahy?

16 Mety ho vato mahatafintohina koa ny tsy rariny ataon’ny mpiara-manompo amintsika. Nihevitra ny rahalahy iray any Frantsa, izay anti-panahy taloha, hoe niharan’ny tsy rariny izy. Tezitra be izy, ka tsy nivory sy tsy nitory intsony. Nitsidika azy ny anti-panahy roa tatỳ aoriana, ary nihaino azy tsara sady nangoraka azy. Navelan’izy ireo hitantara ny fahitany an’ilay toe-javatra ilay rahalahy, ary tsy notapahin’izy ireo ny teniny. Nampirisihin’izy ireo izy mba hametraka an’ilay izy tamin’i Jehovah. Nantitranterin’izy ireo koa fa ny mampifaly an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra. Nandray tsara an’ilay torohevitra ilay rahalahy, ka tsy ela dia niverina nanao an’ilay hazakazaka kristianina. Lasa nazoto nanompo an’i Jehovah indray izy.

17 Mila mitadidy ny Kristianina rehetra hoe i Jesosy Kristy no voatendry ho Lohan’ny fiangonana, fa tsy olombelona tsy lavorary. Manana ‘maso tahaka ny lelafo’ izy, ka hitany tsara izay rehetra mitranga eo anivon’ny fiangonana, ary mahita mihoatra noho isika izy. (Apok. 1:13-16) Mety ho hitan’i Jesosy, ohatra, hoe isika no tsy nahazo tsara an’ilay zava-nitranga na nandika vilana an’ilay izy, fa tsy hoe tena tsy rariny ilay izy. Halamin’i Jesosy amin’ny fomba tonga lafatra ny olana mitranga, amin’ny fotoana mampety azy. Tsy tokony havelantsika hampiala antsika amin’ilay hazakazaka àry ny zavatra ataon’ny hafa na ny fanapahan-kevitra raisiny.

18. Inona no hanampy antsika hiatrika an’ireo olana mampahory antsika?

18 Mety ho vato mahatafintohina koa ny fahoriana na ny fanenjehana. Nilaza i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny mpamafy, fa hisy olona  sasany ho lavo rehefa hisy “fahoriana” na “fanenjehana.” Mety hanenjika antsika ny fianakaviana, na ny olona eo amin’ny manodidina, na ny fitondrana. Tena mety ho lavo isika, raha “tsy mamaka” tsara ao amin’ny fahamarinana, izany hoe malemy finoana. (Mat. 13:21) Raha miezaka hanana toe-po tsara foana anefa isika, dia hamaka ao am-pontsika ny voan’ny fahamarinana, ary hanana finoana matanjaka isika. Ilaina koa ny misaintsaina zavatra “mendri-piderana” rehefa iharam-pitsapana. (Vakio ny Filipianina 4:6-9.) Manome hery antsika i Jehovah, ka afaka mahatohitra fitsapana isika ary tsy atahorana ho lavo.

Aza avela hisy na inona na inona hisakana anao tsy hamita an’ilay hazakazaka

19. Inona no hanampy antsika tsy hiala amin’ilay hazakazaka, raha nisy mpiara-manompo nampahatezitra antsika?

19 Mety ho vato mahatafintohina koa ny tsy fahalavorarian’ny olona eo anivon’ny fiangonana. Lasa tsy nanompo an’i Jehovah intsony ny olona sasany noho ny tsy fitovian-kevitra, teo amin’ny resaka miankina amin’ny feon’ny fieritreretana. (1 Kor. 8:12, 13) Ahoana àry raha misy olona nampahatezitra antsika? Havelantsika ho lasa olana lehibe ve ilay izy? Mampirisika antsika ny Baiboly mba tsy hitsara intsony, hamela heloka, ary tsy hanizingizina ny zontsika. (Lioka 6:37) Raha tezitra ianao noho ny nataon’ny hafa taminao, dia saintsaino ireto: ‘Moa ve aho manakiana ny hafa, satria tsy manao zavatra mifanaraka amin’ny eritreritro izy? Havelako hampiala ahy amin’ilay hazakazaka ve ny tsy fahalavorarian’ireo rahalahy sy anabavy?’ Raha tia an’i Jehovah isika, dia ho tapa-kevitra hoe na inona na inona ataon’ny hafa, dia tsy havelantsika izany hisakana antsika tsy ho tonga any amin’ny tsipika fahatongavana.

MIARETA ARY MIEZAHA MBA TSY HO LAVO

20, 21. Inona no fanapahan-kevitrao momba ilay hazakazaka hahazoana ny fiainana?

20 Tianao ve ny hamita an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany? (2 Tim. 4:7, 8) Tsy maintsy manao fianarana samirery ianao, mba hahavitana izany. Ampiasao ny Baiboly sy ny boky aman-gazety, mba hanaovana fikarohana sy hisaintsainana, ary mba hahitana an’ireo zavatra mety hahatonga anao ho lavo. Raha sanatria ka lavo anefa isika, dia tadidio fa mbola afaka miarina, ary manohy an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany. Mety ho azontsika atao aza ny miana-javatra avy amin’ireo fahadisoana nataontsika, mba hahafahantsika manao tsara kokoa an’ilay hazakazaka.

21 Asehon’ny Baiboly fa mila manao zavatra isika fa tsy mipetra-potsiny, raha te hamita an’ilay hazakazaka hahazoana fiainana mandrakizay. Tsy mitovy amin’ny hoe mitaingina bisy ilay izy, ka hoe ilay bisy no mitondra anao any amin’ny toerana tianao haleha. Isika mihitsy no mila manao zavatra. Mila mihazakazaka isika. Raha manao izany isika, dia omen’i Jehovah ‘fiadanana’ be dia be, izany hoe omeny filaminan-tsaina. Ho toy ny rivotra manosika antsika avy ao aoriana izy io, eo am-panaovana an’ilay hazakazaka. (Sal. 119:165) Matokia fa hahazo fanampiana amin’i Jehovah isika dieny ankehitriny, ary hahazo fitahiana mandrakizay rehefa mahavita an’ilay hazakazaka!—Jak. 1:12.