Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Koa satria fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fijanonana ho mpitovo, moa ve ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 19:10-12 mampiseho fa azo amin’ny fomba mahagaga io fanomezana io?

Diniho ny zava-nitranga tamin’i Jesosy niteny an’io. Nanazava ny fitsipik’i Jehovah momba ny fanambadiana izy tamin’izay, satria niresaka taminy momba ny fisaraham-panambadiana ny Fariseo. Nilaza izy fa na dia navelan’ny Lalàna hanao taratasy fisarahana aza ny lehilahy, raha nahita “zavatra manafintohina” amin’ny vadiny izy, dia tsy izany no izy tany am-piandohana. (Deot. 24:1, 2) Hoy àry i Jesosy avy eo: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.”—Mat. 19:3-9.

Rehefa nandre izany ny mpianany, dia niteny hoe: “Aleo tsy manambady raha izany no mahazo ny lehilahy manambady.” Tamin’izay i Jesosy no nilaza an’ilay Matio 19:10-12. Hoy izy: “Tsy ny rehetra no afaka manao izao lazaiko izao, fa izay nahazo izany fanomezana izany ihany. Fa misy tsy manambady satria manan-takaitra hatrany an-kibon-dreniny, ary misy tsy manambady satria novosirin’olona, fa misy kosa minia tsy manambady noho ny fanjakan’ny lanitra. Izay afaka mitoetra ho tsy manambady, dia aoka izy hanao izany.”

Nisy olona sasany torotoro vihy, izany hoe nisy olana ny filahiany, noho ny takaitra nentiny hatrany an-kibon-dreniny, na noho ny loza tsy nampoizina, na noho izy novosirina. Tsy afaka nanambady izy ireny. Nisy olon-kafa kosa anefa ninia tsy nanambady mihitsy. Afaka nanambady izy ireo, saingy nifehy tena ka nijanona ho mpitovo “noho ny fanjakan’ny lanitra.” Nifidy ny hijanona ho mpitovo toa an’i Jesosy izy ireo, mba hifantohana amin’ny asan’ilay Fanjakana. Tsy hoe vao teraka izy ireo, dia efa nahazo an’ilay fanomezana hoe hijanona ho mpitovo. Tsy hoe azon’izy ireo tamin’ny fomba mahagaga koa anefa izy io. Izy ireo mihitsy no nisafidy hoe hijanona ho mpitovo.

Niresaka momba an’io tenin’i Jesosy io ny apostoly Paoly tatỳ aoriana. Nekeny hoe samy afaka manompo an’i Jehovah sy mahazo sitraka aminy daholo ny Kristianina, na manambady na tsia. Nilaza anefa izy hoe “tsara kokoa” ny ataon’ireo Kristianina “tapa-kevitra ao am-pony” hijanona ho mpitovo. Fa nahoana? Tsy maintsy manokana fotoana sy hery mba hikarakarana sy hampifaliana ny vadiny ny olona manambady. Tsy manao izany adidy izany kosa ny mpitovo, ka afaka mifantoka tanteraka amin’ny fanompoana ny Tompo. Amin’izy ireo, dia “fanomezana” avy amin’Andriamanitra ny hoe mijanona ho mpitovo.—1 Kor. 7:7, 32-38.

Tsy milaza àry ny Soratra Masina hoe azon’ny olona iray amin’ny fomba mahagaga ilay fanomezana hoe hijanona ho mpitovo. Izy kosa no miezaka hahazo an’io fanomezana io ka mijanona ho mpitovo, satria tsy te ho voahelingelina izy fa hifantoka amin’ny asan’ilay Fanjakana. Maro ny mpanompon’i Jehovah te hifantoka amin’ny fanompoana, ka tapa-kevitra ao am-pony hijanona ho mpitovo. Tena tokony hampahery azy ireny isika.