Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Novambra 2012

Aoka Isika Hifamela Heloka Tanteraka

Aoka Isika Hifamela Heloka Tanteraka

“Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka.”—KOL. 3:13.

1, 2. Nahoana isika tsirairay no mila mandinika hoe tia mamela heloka ve isika?

MANAMPY antsika ny Baiboly hahafantatra hoe ahoana ny fiheveran’i Jehovah ny fahotana, ary manao ahoana ny fihetseham-pony rehefa manota isika. Milaza koa ny Baiboly fa vonona hamela heloka izy. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe nahoana i Jehovah no namela ny helok’i Davida sy Manase. Hitany fa tena nanenina ireo mpanjaka ireo, ka niaiky ny fahotany. Tapa-kevitra ny tsy hamerina intsony izy ireo, ary tena nibebaka. Vokatr’izany, dia nankasitrahan’i Jehovah indray izy ireo.

2 Eritrereto indray anefa izao: Manao ahoana ny fihetseham-ponao, raha iray amin’ny fianakavianao no maty noho ny nataon’i Manase? Hamela ny helok’i Manase ve ianao? Tena tokony hosaintsaininao izany, satria tsy manaja lalàna ny olona eto amin’ity tontolo ity, sady mahery setra sy tia tena. Nahoana àry isika Kristianina no tokony ho tia mamela heloka? Ary ahoana raha mijaly ianao, noho ny zavatra tsy nety nataon’ny hafa na noho ny tsy rariny? Inona no hanampy anao hifehy ny fihetseham-ponao, sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah, ary hamela heloka?

NAHOANA ISIKA NO MILA MAMELA HELOKA?

3-5. a) Inona no fanoharana nataon’i Jesosy mba hampisehoana fa tena ilaina ny mamela heloka? b) Inona no tian’i Jesosy hasongadina tamin’ilay fanoharana?

3 Tena ilaina ny mamela ny helok’ireo nanao fahadisoana tamintsika, na anisan’ny fiangonana ilay olona na tsia. Tsy maintsy manao izany isika, raha tiantsika ny hifandray tsara amin’ny fianakaviantsika, na ny namantsika, na ny mpiara-belona amintsika, na i Jehovah. Milaza ny Soratra  Masina fa takina amintsika Kristianina ny hamelantsika ny heloky ny hafa, na impiry izy no nanao fahadisoana tamintsika na impiry. Nanao fanoharana i Jesosy mba hampisehoana fa tena mila mamela heloka isika.

4 Nisy mpanompo iray nananan’ny tompony vola karama 60 000 000 andro. Vola be ilay izy, kanefa nofoanan’ny tompony. Ahoana anefa no nataon’io mpanompo io avy eo? Nisy mpanompo hafa nananany vola karama 100 andro monja. Niangavy azy ilay mpanompo mba hanemotra ny fotoana handoavany ny trosany. Tsy nety namindra fo anefa izy fa nogadrainy ilay mpanompo hafa. Tezitra ny tompony rehefa nandre izany, ka nilaza hoe: “Tsy mba tokony hamindra fo amin’ny mpanompo namanao koa ve ianao, toy ny namindrako fo taminao?” Natolony tamin’ny mpiambina ny fonja àry ilay mpanompo, mandra-pandoany ny trosany rehetra.—Mat. 18:21-34.

Inona no tian’i Jesosy hasongadina tamin’ilay fanoharana nataony?

5 Inona no tian’i Jesosy hasongadina tamin’ilay fanoharana? Hoy izy namarana ny teniny: “Toy izany koa no hataon’ny Raiko any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.” (Mat. 18:35) Mazava àry ny tenin’i Jesosy. Tsy lavorary isika ary manota matetika, ka tsy mahavita mankatò tanteraka an’i Jehovah. Vonona hamela sy hanadino ny helotsika anefa izy. Raha te hifandray tsara aminy àry isika, dia tsy maintsy mamela ny fahadisoana nataon’ny hafa tamintsika. Izany no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Hoy izy: “Raha mamela ny heloky ny olona ianareo, dia hamela ny helokareo koa ny Rainareo any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny heloky ny olona kosa ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.”—Mat. 6:14, 15.

6. Nahoana no tsy mora ny mamela heloka?

6 Mety hilaza ianao hoe: ‘Tena tsara izany torohevitra izany, saingy sarotra tanterahina.’ Marina izany satria voadona ny fihetseham-pontsika rehefa nisy zavatra tsy nety natao tamintsika. Mety ho tezitra na hahatsiaro ho nisy namadika isika, ka te hitaky ny rariny na te hamaly faty. Misy aza mihevitra fa tsy ho vitany mihitsy ny hamela an’ilay nanao fahadisoana.  Raha mahatsapa toy izany ianao, inona no hanampy anao hanao izay takin’i Jehovah, izany hoe hamela heloka?

NAHOANA IANAO NO TEZITRA?

7, 8. Inona no hanampy anao hamela heloka, raha nahatezitra anao ny zavatra nataon’ny hafa?

7 Mety ho tezitra be isika rehefa mihevitra fa niharan’ny tsy rariny. Nitantara ny tovolahy iray hoe nisafoaka be izy indray andro, ka nivoaka ny trano sady nivoady fa tsy hiverina intsony. Inona no nanampy azy? Hoy izy: ‘Tsara erỳ ny andro tamin’izay, ary nandeha tamin’ny lalankely iray aho. Nangina sy nahafinaritra erỳ ilay toerana, ka nihatony tsikelikely aho. Niverina tany an-trano aho rehefa afaka ora vitsivitsy, sady nanenina mafy noho izaho tezitra.’ Asehon’io ohatra io fa mila mamela ny fontsika hitony isika. Manampy antsika izany mba handinika tsara ny zava-misy, fa tsy hilaza na hanao zavatra mety hanenenantsika.—Sal. 4:4; Ohab. 14:29; Jak. 1:19, 20.

8 Ahoana anefa raha hitanao fa mbola tsy afaka ny fonao aorian’izay? Ezaho fantarina hoe nahoana ianao no tezitra. Diniho hoe tena tsy rariny ve ny natao taminao? Tena namingavinga anao ve ilay olona? Tena nitady hanisy ratsy anao ve izy? Tena ratsy tokoa ve ny nataony? Rehefa mandinika sy miezaka hahatakatra ny antony mampahatezitra anao ianao, dia ho hitanao hoe inona no zavatra tsara indrindra tokony hataonao, izay mifanaraka amin’ny Soratra Masina. (Vakio ny Ohabolana 15:28; 17:27.) Hahatakatra ny tena zava-misy ianao rehefa misaintsaina toy izany, ka ho vonona hamela heloka. Marina fa mety ho sarotra ny misaintsaina toy izany, rehefa tezitra. Raha manao izany anefa ianao, dia toy ny hoe mamela ny Tenin’Andriamanitra hamantatra ny ‘eritreritry ny fonao sy ny fikasany’, ary hamela azy io hanampy anao hamela heloka toa an’i Jehovah.—Heb. 4:12.

TENA TE HAMPAHATEZITRA ANAO VE ILAY OLONA?

9, 10. a) Inona no mety hataontsika rehefa mieritreritra isika hoe manao izay hampahatezitra antsika ny olona iray? b) Inona no vokany raha miezaka ny tsy ho mora tezitra sy vonona hamela heloka ianao?

9 Maro ny zavatra mahasosotra ankehitriny. Ahoana, ohatra, no ataonao raha mitondra fiara ianao, ary misy fiara manitsy any aminao, ka mitady ho voadona ianao? Efa renao tamin’ny vaovao angamba hoe nisy mpamily tezitra, ka nikasi-tanana an’ilay mpamily hafa. Kristianina anefa ianao, ka tena tsy tokony hanao toy izany.

10 Tsara kokoa ny maka fotoana kely handinihana ny tena zava-misy. Mety hoe nisy fahadisoanao ihany angamba tamin’ilay izy, satria mety hoe variana ianao. Na mety hoe nisy olana ny fiaran’ilay olona. Ny tiantsika hahatongavana dia hoe raha mandinika amin’ny saina tsy miangatra, sy vonona hamela heloka isika, dia hihena ny fahatezerantsika sy ny fihetseham-po ratsy hafa. Tsy tokony ho mora tezitra isika. Hoy mantsy ny Mpitoriteny 7:9: “Aoka ianao tsy ho mora tezitra, fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” Matetika isika no mieritreritra hoe manao izay hampahatezitra antsika ilay olona. Indraindray anefa dia noho ny tsy fahalavorariana fotsiny izany, na diso ny fandraisantsika an’ilay zava-nitranga. Diniho amin’ny saina tsy miangatra àry ny teny na ny zavatra nataon’ny hafa, ary miezaha hamela heloka noho ny fitiavana. Hahita fifaliana kokoa ianao raha manao izany.—Vakio ny 1 Petera 4:8.

‘AOKA HIVERINA AMINAO NY FIADANANAO’

11. Tokony hanao ahoana ny fihetseham-pontsika, na inona na inona ataon’ny olona itoriantsika?

11 Ahoana no ahaizanao mifehy tena, rehefa tsy manaja anao ny olona itorianao? Rehefa nirahin’i Jesosy hitory ireo mpianany 70, dia nasainy nilaza tamin’ny tompon-trano izy ireo hoe: “Ho amin’ity trano ity anie ny fiadanana.” Hoy koa izy: “Raha misy zanaky ny fiadanana  ao, dia hitoetra eo aminy ny fiadananareo, fa raha tsy izany kosa, dia hiverina aminareo izany.” (Lioka 10:1, 5, 6) Faly isika rehefa mihaino tsara antsika ny olona itoriantsika, satria mety handray soa avy amin’ilay hafatra entintsika izy ireo. Tsy mandray tsara anefa ny olona indraindray, ka mila ady amintsika. Ahoana no hataontsika amin’izay? Nilaza i Jesosy fa raha manao toy izany ny olona, dia tokony hiverina amintsika ny fiadanantsika, izany hoe tokony hanana fiadanana anaty foana isika. Tokony ho tony foana isika any anatintsika any, rehefa miala eo amin’ilay olona, na ahoana na ahoana fomba itondrany antsika. Raha tezitra mantsy isika noho ilay olona nanohitra, dia ho very ilay fiadanana anaty ananantsika.

12. Inona no tokony hataontsika, araka ny tenin’i Paoly ao amin’ny Efesianina 4:31, 32?

12 Tsy rehefa eny amin’ny fanompoana ihany isika no mila miezaka hanana fiadanana anaty, fa amin’ny toe-javatra rehetra koa. Ny hoe mamela ny heloky ny hafa akory tsy midika hoe milefitra amin’ny fahadisoan’ny hafa na manamaivana ny vokatr’ilay izy. Midika kosa izy io hoe tsy mitana lolompo amin’ilay olona noho ilay fahadisoany, ary miezaka foana mba hanana fiadanana anaty. Lasa tsy mahita fifaliana ny olona sasany, satria mifantoka foana amin’ny zavatra ratsy nataon’ny hafa taminy. Aza manaiky hofehezin’ny hatezerana toy izany. Tadidio fa tsy ho faly mihitsy ianao raha mitana lolompo. Miezaha àry hamela heloka.—Vakio ny Efesianina 4:31, 32.

MIEZAHA HAMPIFALY AN’I JEHOVAH

13. a) Ahoana no hahafahantsika “mampivangongo vainafo” eo ambony lohan’ny fahavalontsika? b) Inona no mety ho vokany raha tsara fanahy foana isika?

13 Ahoana no azonao anampiana an’ireo olona manao ratsy anao, mba hahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? Hoy ny apostoly Paoly: “ ‘Raha noana ny fahavalonao dia omeo sakafo, ary raha mangetaheta izy, omeo zavatra hosotroiny, satria ny fanaovanao izany dia hanalefaka ny hamafin’ny fony, toy ny hoe mampivangongo vainafo eo ambony lohany ianao.’ Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.” (Rom. 12:20, 21) Raha manaja an’ilay olona ianao, na dia tezitra be aminao aza izy, dia mety hiova ilay olona. Mety ‘hampivangongo vainafo eo ambony lohany’ ianao, ka hiseho ny toetra tsarany. Ho afaka hanampy an’ilay olona hahatakatra ny fahamarinana ianao, raha miezaka hahatakatra ny fihetseham-pony, na mangoraka azy. Ary na dia tsy miova aza ilay olona, ka tsara fanahy foana ianao, dia mety ho tonga saina ihany izy ka hieritreritra hoe nahoana ianao no miavaka.—1 Pet. 2:12; 3:16.

14. Nahoana ianao no tsy tokony hitana lolompo, na inona na inona nataon’ny hafa taminao?

14 Tsy mety indraindray ny mifandray amin’ny olona sasany. Anisan’izany ireo olona efa anisan’ny fiangonana taloha, saingy nanota nefa tsy nibebaka ka voaroaka. Ahoana anefa raha nibebaka ilay olona ka voaray indray, nefa nandratra ny fonao ny zavatra nataony? Mety ho tena sarotra aminao ny hamela ny helony, satria elaela vao sitrana ny ratram-po. Afaka mangataka amin’i Jehovah anefa ianao mba hanampy anao hamela ny helony. Tena mila manao izany ianao, satria tsy fantatrao izay tena ao am-pon’ilay olona, fa i Jehovah no mahalala izany. Dinihiny mantsy ny tena ao am-pon’ny olona, ary manam-paharetana amin’ireo olona nanota izy. (Sal. 7:9; Ohab. 17:3) Izany no mahatonga ny Soratra Masina hilaza hoe: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Manaova izay tsara eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ” (Rom. 12:17-19) Ankoatra izany, dia tsy manana zo hitsara ny hafa isika. (Mat. 7:1, 2)  Afaka matoky anefa ianao fa hanao ny rariny i Jehovah.

15. Inona no hanampy antsika tsy hitana lolompo amin’ny olona nanao ratsy antsika?

15 Raha tsapanao fa niharan’ny tsy rariny ianao, ka sarotra aminao ny mamela ny heloky ny olona iray nibebaka, dia tadidio fa manana olana koa ilay olona. Tsy lavorary toa antsika rehetra ihany izy. (Rom. 3:23) Be fangorahana i Jehovah ka mangoraka ny olona tsy lavorary rehetra. Tena mety àry raha mivavaka ho an’ilay olona nampahatezitra anao ianao. Tsy ho tezitra amin’ilay olona intsony ianao, raha mivavaka ho azy. Nohazavain’i Jesosy fa tsy tokony hitana lolompo amin’ny hafa isika, na dia nanao tsy nety tamintsika aza izy ireo. Hoy izy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.”—Mat. 5:44.

16, 17. Ahoana no tokony hataonao raha hitan’ny anti-panahy fa nibebaka ny olona iray nanota, ary nahoana ianao no tokony hanao izany?

16 Notendren’i Jehovah hitsara an’ireo olona nanao ratsy eo anivon’ny fiangonana ny anti-panahy. Marina fa tsy toa an’i Jehovah izy ireo, ka tsy mahalala ny zava-drehetra. Miezaka anefa izy ireo mba handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy masina. Rehefa avy nivavaka tamin’i Jehovah àry ny anti-panahy mba hanampy azy ireo hanapa-kevitra, dia afaka matoky isika fa mifanaraka amin’ny fomba fihevitr’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisin’izy ireo.—Mat. 18:18.

Tadidio fa tsy maintsy mamela heloka ny Kristianina

17 Amin’izay indrindra no ahitana raha tena tsy mivadika isika. Ahoana raha hitan’ny anti-panahy fa nibebaka ny olona iray nanao ratsy, ka voavela ny helony? Hamela ny helok’ilay olona ve ianao, ka hampiseho hoe mbola tianao izy? (2 Kor. 2:5-8) Tsy mora ny manao izany, indrindra fa raha ianao na ny fianakavianao ilay nanaovan-dratsy. Raha matoky an’i Jehovah sy ny fomba fandaminany zavatra eo anivon’ny fiangonana anefa ianao, dia hanao zavatra amim-pahendrena. Hasehonao amin’ny zavatra ataonao fa mamela heloka tanteraka ianao.—Ohab. 3:5, 6.

18. Inona avy no soa azonao raha mamela heloka tanteraka ianao?

18 Misy vokany ratsy ny hoe tsy mamela heloka. Mety hankarary antsika izany, na hampikorontan-tsaina antsika, na hahatonga antsika tsy hifandray tsara amin’ny hafa. Hitan’ny manam-pahaizana kosa anefa fa mahasoa ny mamela heloka. Mahatonga antsika ho salama kokoa izany, satria esorintsika ao am-pontsika ny hatezerana sy ny alahelo. Lasa mifandray tsara amin’ny hafa koa isika. Ary ny tena lehibe indrindra, dia hanjary hifandray tsara amin’i Jehovah Raintsika any an-danitra isika.—Vakio ny Kolosianina 3:12-14.