Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Inona no mety hanampy ny Kristianina raha tsy manompo an’i Jehovah intsony ny havany?

Miorena tsara amin’ny finoana ianao sy ny mpianakavinao mbola mahatoky. Aoka ianao ho revo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ho vonona hanampy olon-kafa. Manàna foana fanantenana fa mbola mety hiverina ilay havanao. Aza manamelo-tena. Ekeo ny fomba famaizana ampiasain’Andriamanitra, ary aborahy amin’ny namanao ny ao am-ponao.—1/9, pejy 18-21.

• Inona no lafin-javatra roa manampy antsika hamantatra ilay antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany”?

Milaza fisehoan-javatra hitranga mandritra “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” ny Baiboly. (Matio 24:3, 7, 8; Lioka 21:11) Lazainy koa ny fiovan’ny toetra sy fanaon’ny olona miaina amin’ny “andro farany.” (2 Timoty 3:1-5) Ankoatra izany, dia hotorina amin’io fotoana io ny vaovao tsaran’ilay fanjakana.—15/9, pejy 4-6.

• Inona no tokony hataon’ny fiangonana, raha misy Kristianina nitondra fiara niharan’ny lozam-pifamoivoizana, ka nisy olona maty?

Mety ho hitan’ireo anti-panahy nanao fanadihadiana fa tsy meloka noho ny trosan-dra ilay Kristianina, satria tsy afa-nanoatra, na tsy afaka nanao zavatra firy hisorohana ilay loza nahafaty olona. Raha nivesatra trosan-dra kosa izy ary mibebaka, dia homena fananarana avy ao amin’ny Soratra Masina ary hoferana ny tombontsoa mety ho azony eo anivon’ny fiangonana.—15/9, pejy 30.

• Nahoana no tsy avy amin’ny fandrosoana ara-tsiansa ny fiainana mandrakizay?

Mikaroka fomba hampitomboana ny halavan’ny androm-piainan’ny olona ny mpahay siansa. Mitady fomba hahatonga ny sela ho afaka hizara imbetsaka kokoa izy ireo, na manao izay hampaniriana sela mba hanamboarana taova vaovao mitovy amin’ny teo aloha, ho an’ny olona marary. Asehon’ny Baiboly anefa fa amin’ny alalan’ny vidim-panavotana nomen’i Jesosy ihany no hahazoan’ny olona fiainana mandrakizay.—1/10, pejy 3-5.

• Avy amin’ny fandroana fanaon’ny Jiosy ve ny batisa kristianina?

Tsia. Ny Jiosy ihany no nandroboka ny tenany tao anaty rano, rehefa nanao ilay fombafomba fidiovana. Tsy nitovy tamin’izany ny batisa nataon’i Jaona. Tsy maintsy naverina foana koa ilay fidiovana notakin’ny Lalàn’i Mosesy, fa indray mandeha ihany no atao ny batisa kristianina.—15/10, pejy 12-13.

• Inona no atao hoe Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana?

Fiofanana maharitra valo herinandro izy io. Anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo no manao azy, ary vonona hanompo any amin’ny toerana mila fanampiana bebe kokoa izy ireo. Mety ho ao amin’ny fiangonany ihany, na any amin’ny fiangonana hafa eo amin’ny taniny, na any amin’ny firenena hafa no hanendrena azy ireo.—15/11, pejy 10-11.

• Inona na iza no atao hoe antikristy voalaza ao amin’ny 1 Jaona 2:18; 4:3?

Mety hanondro ny olona rehetra manohitra an’i Kristy, na mihambo ho Kristy na ho solontenany ny hoe “antikristy.” Hita amin’ny tenin’i Jesosy sy Jaona fa antokon’olona izy io, ary manaparitaka lainga ara-pivavahana sy mandà ny Fanjakan’Andriamanitra.—1/12, pejy 4-6.