Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mikarakara Antsika Foana i Jehovah

Mikarakara Antsika Foana i Jehovah

Tantaram-piainana

Mikarakara Antsika Foana i Jehovah

NOTANTARAIN’I ENELESI MZANGA

Ny taona 1972 tamin’izay. Niditra an-keriny tao an-tranonay ny tovolahy folo avy amin’ny Fikambanan’ny Tanoran’i Malawi. Nisambotra ahy izy ireo ary nitaritarika ahy ho any amin’ny saha fambolena fary teo akaiky teo. Nodarohan’izy ireo aho rehefa tonga tany, ary navelany rehefa noheveriny fa maty.

Nenjehina tamin-kabibiana toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah maro teto Malawi. Fa nahoana? Inona no nanampy azy ireo hiaritra? Mamelà ahy hilaza ny tantaran’ny fianakaviako.

TERAKA tamin’ny 31 Desambra 1921 aho. Mpivavaka be ny fianakaviako. Pasiteran’ny Fiangonana Foibe Presbyterianina Afrikanina ny raiko. Tany Nkhoma, tanàna kely any akaikin’i Lilongwe, renivohitr’i Malawi, aho no nihalehibe. Nanambady an’i Emmas Mzanga aho, tamin’izaho 15 taona.

Namangy anay ny naman’ny raiko indray andro. Pasitera koa izy. Tsikariny fa nisy Vavolombelon’i Jehovah nipetraka teo akaikinay, ka nampitandrina anay izy mba tsy hiaraka tamin’izy ireo. Nilazany izahay fa nisy demonia ny Vavolombelona, ka raha tsy nitandrina izahay, dia nety hisy demonia koa. Natahotra be izahay rehefa nahare izany, ka nifindra tany amin’ny tanàna hafa. Nahita asa tao amin’ny fivarotana iray i Emmas rehefa tonga tany. Tsy ela anefa dia fantatray fa hay nisy Vavolombelon’i Jehovah koa teo akaikinay!

Tena tia Baiboly anefa i Emmas, ka nandeha niresaka tamin’ny iray tamin’ireo Vavolombelona izy, tsy ela taorian’izay. Voavalin’ilay Vavolombelona tsara ny fanontaniana maro napetrany, ka nanaiky hampianariny Baiboly izy. Tamin’ny voalohany, dia tany am-pivarotana i Emmas no nianatra isan-kerinandro, ary tao an-tranonay kosa tatỳ aoriana. Natahotra an’ireo Vavolombelon’i Jehovah aho, ka niala tao an-trano isaky ny tonga izy ireo. Nanohy nianatra anefa i Emmas. Natao batisa izy tamin’ny Aprily 1951, rehefa nianatra enim-bolana teo ho eo. Tsy nolazainy tamiko anefa izany, satria natahotra izy sao ho rava ny fanambadianay.

Niaritra nandritra ny roatokom-bolana

Indray andro anefa, dia nilaza tamiko i Ellen Kadzalero namako fa natao batisa ny vadiko, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tena tezitra aho! Tsy nety niresaka tamin’i Emmas aho nanomboka tamin’izay, ary tsy nikarakarako sakafo izy. Tsy nantsaka sy nanafana ny rano handroany intsony aho, na dia tokony ho andraikitry ny vehivavy aza izany, araka ny kolontsainay.

Rehefa niaritra an’izany nandritra ny roatokom-bolana i Emmas, dia nangataka ahy tamin-katsaram-panahy hihaino azy. Nohazavainy tamiko ny antony nanapahany hevitra ho lasa Vavolombelona. Namaky sy nanazava andininy maromaro izy, toy ny 1 Korintianina 9:16. Tena nihetsi-po aho, ka tsapako fa nila nitory ny vaovao tsara koa aho. Nanapa-kevitra àry aho fa hiara-mianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Faly be mihitsy ilay vadiko be fitiavana ny harivan’io, satria nikarakarako sakafo natsiro.

Nitory ny fahamarinana tamin’ny havana aman-tsakaiza

Nanenjika mafy anay ny ray aman-dreninay rehefa nandre fa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Nanoratra tatỳ aminay ny fianakaviako hoe tsy nahazo namangy azy ireo intsony izahay. Nampalahelo anay izany, nefa natoky ny fampanantenan’i Jesosy izahay fa hahazo anadahy, rahavavy, ray, ary reny ara-panahy maro.​—Matio 19:29.

Nandroso haingana ny fianarako Baiboly, ka natao batisa aho tamin’ny Aogositra 1951, telo volana sy tapany monja taorian’ny vadiko. Tsapako fa tokony hitory ny fahamarinana tamin’i Ellen namako aho. Faly aho satria nanaiky hampianariko Baiboly izy. Natao batisa izy tamin’ny Mey 1952, ka lasa rahavaviko ara-panahy. Nanjary nifandray akaiky kokoa izahay. Mbola mpinamana be izahay hatramin’izao.

Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra i Emmas tamin’ny 1954. Efa enina ny zanakay tamin’izay. Nitsidika fiangonana nandritra ny herinandro tamin’izany ny mpiandraikitra ny faritra nanana ankohonana, ary nody tany amin’ny vady aman-janany ny herinandro nanaraka. Nataon’i Emmas azo antoka anefa fa nitarika ny fianaram-pianakavianay foana aho, na tsy teo aza izy. Nataonay izay hahatonga ilay fianarana hahafinaritra an’ireo zanakay. Nolazainay tamin’izy ireo koa fa tena tianay i Jehovah sy ny fahamarinana avy ao amin’ny Teniny. Niara-nitory koa izahay mianakavy. Nanatanjaka ny finoan’ny zanakay izany fampiofanana ara-panahy izany, ka nanomana azy ireo ho amin’ilay fanenjehana hatrehinay tsy ho ela.

Nanomboka ny fanenjehana ara-pivavahana

Nahaleo tena i Malawi tamin’ny 1964. Fantatry ny manam-pahefana avy amin’ny antoko teo amin’ny fitondrana fa tsy nanao politika izahay, ka notereny hividy ny karatra maha mpikambana ao amin’izy ireo. * Tsy nety nividy izahay sy Emmas, ka nopotehin’ireo olona anisan’ny Fikambanan’ny Tanora ny saha novolenay katsaka, izay niantoka ny sakafonay nandritra ny taona nanaraka. Nihira toy izao izy ireo teo am-panapahana an’ireo katsaka: “Hitomany izay rehetra tsy mety mividy ny karatr’i Kamuzu [Prezidà Banda] satria hohanin’ny vitsikazo ny katsaka ambolen’izy ireo.” Tsy namoy fo anefa izahay, na dia tsy nanana sakafo intsony aza. Nikarakara anay i Jehovah. Nampahery sy nampiseho fitiavana anay izy.​—Filipianina 4:12, 13.

Izaho sy ny ankizy irery no tao an-trano indray alina, tamin’ny Aogositra 1964. Efa natory izahay, nefa taitra aho satria nahare olona nihirahira avy tany lavitra tany. Fikambanana miafina avy tamina foko iray izy ireo, ary nantsoina hoe Gulewamkulu. Mpandihy izy ireo, ary natahorana satria manafika ny olona, sady misandoka hoe fanahin’ny razana. Nirahin’ny Fikambanan’ny Tanora hanafika anay ny Gulewamkulu. Nofohaziko haingana ny ankizy, ary nandositra tany anaty bozaka izahay, talohan’ny nahatongavan’izy ireo tao an-tranonay.

Nahita hazavana nanjelanjelatra izahay avy tao amin’ilay bozaka niafenanay. Nodoran’ny Gulewamkulu ilay trano nitafo bozaka nipetrahanay. May tanteraka ny tranonay sy ny entanay rehetra. Mbola nidona-tsetroka ny sisa tavela tamin’ilay trano rehefa nilaozan’ny Gulewamkulu. Renay izy ireo niteny hoe: “Mafana tsara ao izay ilay Vavolombelona.” Tena nisaotra an’i Jehovah izahay satria afaka nandositra! Marina fa ravan’izy ireo daholo ny fanananay, nefa tsy ravany kosa ny fatokisanay an’i Jehovah mihoatra noho ny olona.​—Salamo 118:8.

Renay fa nodoran’ny Gulewamkulu toy izany koa ny tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah dimy teo akaikinay. Tena faly sy velom-pankasitrahana izahay rehefa tonga nanampy anay ny mpiara-manompo taminay avy teo amin’ny fiangonana nanodidina! Naorin’izy ireo indray ny tranonay, ary nomeny sakafo izahay nandritra ny herinandro maromaro.

Nihamafy ny fanenjehana

Niezaka nanangona an-keriny ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra nanerana an’i Malawi ny mpanenjika, tamin’ny Septambra 1967. Nitety trano ny tovolahy avy tamin’ny Fikambanan’ny Tanora sy ny Tanora Mpitari-dalan’i Malawi, mba hitady an’ireo Vavolombelona. Tsy nisy indrafo sy tia ady ireo tovolahy ireo, ary nitondra antsibe. Nasainy nividy karatry ny antoko teo amin’ny fitondrana izay Vavolombelona hitany.

Tonga tao an-tranonay izy ireo, ary nanontany raha efa nividy an’ilay karatra izahay. Hoy aho tamin’izy ireo: “Mbola tsy nividy aho, sady tsy hividy mihitsy, na izao na any aoriana.” Nosamborin’izy ireo àry izahay mivady, ary nentiny tany amin’ny polisy. Tsy afaka nitondra na inona na inona izahay. Tsy nahita anay tao an-trano ireo zanakay kely rehefa avy nianatra, ka natahotra be. Soa ihany fa tonga i Daniel zokin’izy ireo taoriana kelin’izay. Nolazain’ny mpifanila trano azy izay nitranga. Nentiny nanaraka azy avy hatrany ny zandriny rehetra, ary nankany amin’ny polisy izy ireo. Nampiditra anay tao anaty kamiao mba hoentina tany Lilongwe ny polisy, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zanakay. Nanaraka anay koa àry izy ireo.

Nanaovana sarintsarim-pitsarana izahay rehefa tonga tany amin’ny polisy tany Lilongwe. Nanontany anay izy ireo hoe: “Mbola hijanona ho Vavolombelon’i Jehovah ve ianareo?” Namaly izahay hoe: “Eny!”, na dia fantatray aza fa tsy maintsy ho voasazy higadra fito taona izahay ho vokatr’izany. Nosazina 14 taona kosa ireo noheverina fa “nitarika” ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy nisakafo izahay iny alina iny sady tsy afaka natory. Nentin’ny polisy tany amin’ny Fonjan’i Maula izahay ny ampitso. Feno hipoka daholo ireo efitra figadrana, ka tsy nahita toerana hatoriana akory izahay na dia teo amin’ny tany aza! Siô iray monja no solon’ny kabine isaky ny efitra. Kely ny sakafo sady ratsy karakara. Rehefa afaka tapa-bolana, dia hitan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny fonja fa tsy natahorana izahay, ka navelan’izy ireo nanatanja-tena teny an-tokotany. Maro be izahay no tafaraka, ka afaka nifampahery foana isan’andro, ary afaka nitory tamin’ny mpigadra hafa. Gaga be izahay avy eo satria nafahana rehefa afaka telo volana teo ho eo. Noteren’ny firenena avy any ivelany hanao izany mantsy ny fitondram-panjakan’i Malawi.

Nasain’ny polisy nody izahay. Nilaza taminay koa anefa izy ireo fa efa voarara ny Vavolombelon’i Jehovah teto Malawi. Naharitra efa ho 26 taona izany fandrarana izany, nanomboka ny 20 Oktobra 1967 ka hatramin’ny 12 Aogositra 1993. Tena mafy ireo taona ireo, nefa nahavita tsy nanao politika mihitsy izahay noho ny fanampian’i Jehovah.

Nohazaina toy ny biby

Nisy didy navoakan’ny fanjakana tamin’ny Oktobra 1972, ka niteraka fanenjehana mafy indray izany. Voalazan’ilay didy fa tsy maintsy noroahina tamin’ny asany sy tao an-tanànany ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra. Nohazaina toy ny biby àry izahay.

Tamin’izay, dia tonga tao an-tranonay ny anadahy kristianina iray mbola tanora, ary nilaza izao hafatra maika izao tamin’i Emmas: ‘Tadiavin’ny Fikambanan’ny Tanora hotapahina ny lohanao, ary avy eo hahantony amin’ny hazo sy hoentiny any amin’ny manam-pahefana eto an-toerana.’ Niala tao an-trano haingana i Emmas. Talohan’ny handehanany anefa, dia nitady hevitra izy mba hahafahanay hanaraka azy, raha vao afaka nanao izany izahay. Nalefako haingana àry ny ankizy. Avy eo, tamin’ny fotoana handehanako indrindra, dia tonga ny tanora folo avy tamin’ny Fikambanan’ny Tanora mba hitady an’i Emmas. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo, nefa tsy hitany tao intsony i Emmas. Tezitra izy ireo, ka notaritaritiny nankany amin’ny saha fambolena fary teo akaiky teo aho, ary nodakadakany sy nodarohany tamin’ny tahom-pary. Navelan’izy ireo aho rehefa noheveriny fa maty. Nandady nankany an-trano aho rehefa nahatsiaro tena.

Nanao vivery ny ainy niverina tany an-tranonay i Emmas ny alin’iny, mba hitady ahy. Niaraka tamin’ny namanay iray nanana fiara izy, ka nobatain’izy ireo moramora nankao anatin’ilay fiara aho, rehefa hitany fa tena voa mafy. Nankany amin’ny anadahy iray tany Lilongwe izahay. Nihasitrana tsikelikely aho tany, ka nanomboka nitady fomba handosiranay hiala teto Malawi i Emmas.

Mpitsoa-ponenana tsy nahita haleha

Nanana kamiao nahazaka entana hatramin’ny dimy taonina i Dinesi zanakay vavy sy ny vadiny. Tanora Mpitari-dalan’i Malawi taloha ny mpamilin’izy ireo. Nalahelo anay anefa io mpamily io. Nanolo-tena hanampy anay sy ny Vavolombelona hafa àry izy. Efa nisy toerana natokana hiafenan’ireo Vavolombelona, ka naka azy ireo tany ilay mpamily nandritra ny alina maromaro. Nanaovany ny fanamiany tamin’izy mbola Tanora Mpitari-dalan’i Malawi, ka navelan’ny polisy handalo teo amin’ireo barazy nataon’izy ireo teny amin’ny lalana izy, rehefa nitondra ilay kamiao feno Vavolombelona. Nanao vivery ny ainy izy hanampiana Vavolombelona an-jato hiampita ny sisin-tany mba ho any Zambia.

Nampodian’ny fitondram-panjakan’i Zambia teto Malawi izahay rehefa afaka volana vitsivitsy. Tsy afaka niverina tany an-tanànanay anefa izahay. Nisy nangalatra avokoa mantsy ny entana navelanay tany. Nisy naka hatramin’ny tafo fanitso teo amin’ny tranonay aza. Nandositra tany Mozambika àry izahay satria tsy nisy toerana azo antoka afaka naleha. Nipetraka tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Mlangeni izahay nandritra ny roa taona sy tapany. Niova anefa ny fitondrana tany Mozambika avy eo. Nakaton’izy ireo ilay toby tamin’ny Jona 1975, ary notereny hiverina teto Malawi izahay. Mbola tsy niova kosa ny fomba nitondrana ny vahoakan’i Jehovah teto. Tsy nanan-tsafidy izahay fa tsy maintsy nandositra tany Zambia indray. Nankany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Chigumukire izahay.

Rehefa afaka roa volana, dia nisy fiara fitaterana sy kamiaon’ny miaramila maromaro nijanona teny an-tsisin’ny arabe. Nisy miaramila zambianina an-jato nirongo fiadiana niditra tao amin’ilay toby. Nilaza taminay izy ireo fa nanamboarana trano tsara tarehy izahay, ka haterina amin’ny fiara ho any. Fantatray fa tsy marina izany. Natosik’ireo miaramila ny olona mba hiditra tao amin’ireo kamiao sy fiara fitaterana. Nanomboka nisahotaka ny olona. Nanao tifi-danitra tamin’ny basy maro vava ny miaramila, ka anadahy sy rahavavy an’arivo no niparitaka nandositra noho ny tahotra.

Voatosika i Emmas ka nianjera, ary voahitsaka. Nanampy azy hiarina anefa ny iray tamin’ireo anadahy. Nieritreritra izahay tamin’izay hoe nanomboka ny fahoriana lehibe. Nandositra niverina teto Malawi daholo ny mpitsoa-ponenana. Tonga teo amoron’ny renirano iray izahay, raha mbola tany Zambia, ka nifampitantana ireo anadahy mba hahafahan’ny rehetra hiampita soa aman-tsara. Nangonin’ny miaramila zambianina indray izahay rehefa tonga teny ampita, ka noteren’izy ireo hody teto Malawi.

Tafaverina teto Malawi indray àry izahay, nefa tsy hitanay izay haleha. Renay fa nilazana ny olona mba hijery sao nisy “vahiny” tonga tao an-tanànany. Nampandrenesina nandritra ny fivoriana ara-politika izany, ary navoaka tamin’ny gazety. Ny Vavolombelon’i Jehovah no vahiny tiana holazaina. Tapa-kevitra àry izahay fa ho any an-drenivohitra, satria tsy dia ho mora hita toy ny any an-tanàna izahay any. Afaka nanofa trano kely izahay, ary afaka nanohy nitsidika niafina an’ireo fiangonana i Emmas.

Famonjena ny fivorian’ny fiangonana

Inona no nanampy anay tsy hivadika? Ny fivorian’ny fiangonana! Nivory malalaka izahay tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Mozambika sy Zambia, ary trano tsotra nitafo bozaka ny Efitrano Fanjakananay. Nampidi-doza sy sarotra kosa ny nivory teto Malawi, nefa tena nahasoa anay foana izany. Tamin’ny alina be sy tany amin’ny toerana lavitra izahay matetika no nivory, mba tsy hisy hahita. Tsy nitehaka izahay fa nampifampikasokasoka ny tananay fotsiny rehefa hisaotra ny mpandahateny, mba tsy hisarihana ny sain’ny olona ho amin’ny fivorianay.

Tamin’ny alina be no natao ny batisa. Toy izany no nanaovana batisa an’i Abiyudi zanakay lahy. Nentina tany amin’ny toerana feno heniheny izy sy ny mpilatsaka hatao batisa hafa, taorian’ny lahatenin’ny batisa. Efa nisy toerana nolavahana tany, ka tao izy ireo no natao batisa.

Tsy natahorana ny trano kelinay

Ny tranonay tany Lilongwe no nandefasana ny boky sy gazety nandritra ireo taona faramparany nisian’ny fandrarana, satria tsy natahorana hisy hahita izy io. Nalefa tany an-tranonay ny taratasy sy ny boky aman-gazety avy tany amin’ny biraon’ny sampan’i Zambia. Nisy anadahy nitondra bisikileta naka azy ireo tao an-tranonay, ary nizara izany nanerana an’i Malawi. Manify ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana satria natao tamin’ny taratasy fanaovana Baiboly. Nahazaka gazety avo roa heny noho ireo vita tamin’ny taratasy tsotra àry ireo anadahy. Nizara gazety Ny Tilikambo Fiambenana kely koa izy ireo. Tsy nisy afa-tsy lahatsoratra fianarana tao amin’izy io. Azo nafenina tany anatin’ny paosin’ny lobaka io gazety kely io satria vita tamin’ny ravin-taratasy iray monja.

Nety ho nigadra ireny anadahy ireny tamin’izany, ary nety ho notandindomin-doza ny ainy, rehefa namakivaky ny ala tamin’ny bisikileta nitondra baoritra be dia be feno boky sy gazety voarara. Indraindray, dia tamin’ny alina izy ireo no nandeha. Teo koa ny barazy nataon’ny polisy sy ny loza hafa, nefa nandeha an-jato kilaometatra izy ireo, mba hanatitra sakafo ara-panahy ho an’ny rahalahiny, na tsara ny andro na ratsy. Tena be herim-po ireny anadahy malala ireny!

Mikarakara ny mpitondratena i Jehovah

Tapaka lalan-dra i Emmas tamin’izy nanao lahateny tany amin’ny fiangonana iray notsidihiny, tamin’ny Desambra 1992. Tsy nahay niteny intsony izy taorian’izay. Nisy lalan-dra hafa tapaka indray tao aminy tatỳ aoriana, ka lasa nalemy ny ilany. Mafy taminy ny nizaka izany. Nanamaivamaivana ny fahakiviako anefa ny fanampiana sy ny fitiavana avy tamin’ny fiangonana nisy anay. Afaka nikarakara ny vadiko tao an-trano àry aho mandra-pahafatiny tamin’ny Novambra 1994, tamin’izy 76 taona. Nivady nandritra ny 57 taona izahay. Nahita ny nifaranan’ny fandrarana i Emmas talohan’ny nahafatesany. Mbola malahelo an’iny vadiko nahatoky iny aho hatramin’izao.

Rehefa maty i Emmas, dia nanapa-kevitra ny hikarakara ahy ny vinantolahiko, na dia tsy maintsy namelona ny vadiny sy ny zanany dimy aza izy. Nampalahelo anefa fa narary fotoana fohy monja izy, ka maty tamin’ny Aogositra 2000. Ahoana no hahitan’ny zanako vavy sakafo sy trano ho anay? Hitako indray tamin’izay fa mikarakara antsika i Jehovah sady “Rain’ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena.” (Salamo 68:5) Nanome trano tsara tarehy ho anay i Jehovah, tamin’ny alalan’ny mpanompony eto an-tany. Ahoana no nitrangan’izany? Hitan’ireo anadahy sy rahavavy teo anivon’ny fiangonanay ny fahorianay, ka nanorenan’izy ireo trano tao anatin’ny iray volana sy herinandro monja izahay! Nisy anadahy mpandatsa-biriky avy tany amin’ny fiangonana hafa tonga nanampy. Tsy hitanay izay hilazana ny hafalianay noho ny fitiavana sy ny hatsaram-panahin’ireo Vavolombelona rehetra ireo. Tsara noho ny tranon’ny maro amin’izy ireo ny trano namboariny ho anay. Fitoriana vita ho azy tamin’ireo mpiara-monina taminay izany fitiavana nasehon’ny fiangonana izany. Toy ny hoe efa any amin’ny Paradisa no fahatsapako ny tenako, rehefa mandeha matory aho amin’ny alina! Tsy vitan’ny hoe naorina tamin’ny biriky sy rihitra simenitra ilay trano tsara tarehy, fa tena naorina tamim-pitiavana koa, araka ny fanamarihan’ny olona maro.​—Galatianina 6:10.

Mbola mikarakara anay foana i Jehovah

Mila ho kivy tanteraka aho indraindray, nefa tsara fanahy tamiko sy nanampy ahy i Jehovah. Mbola velona ny fito amin’ireo zanako sivy, ary 123 izao ny isan’ny mpianakaviko sy ny havako. Tena velom-pankasitrahana aho satria manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ny ankamaroan’izy ireo!

Efa 82 taona aho izao, ary tena faly aho rehefa mahita ny zavatra notanterahin’ny fanahy masin’Andriamanitra teto Malawi. Tato anatin’ny efa-taona monja aho, dia nahita ny isan’ny Efitrano Fanjakana nitombo nanomboka tamin’ny iray ka hatramin’ny 600 mahery. Manana biraon’ny sampana vaovao koa izahay izao any Lilongwe, ary mahazo malalaka sy tsy tapaka sakafo ara-panahy mampahery. Tena tanteraka tamiko ilay fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 54:17 hoe: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina.” Miaiky tanteraka aho rehefa avy nanompo an’i Jehovah nandritra ny 50 taona mahery, fa mikarakara antsika foana izy, na inona na inona fisedrana mety hatrehintsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Raha te hahalala bebe kokoa ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Malawi ianao, dia jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1999, pejy 149-223, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 24]

Natao batisa tamin’ny Aprily 1951 i Emmas vadiko

[Sary, pejy 26]

Ny sasany amin’ireo anadahy be herim-po nizara ireo boky sy gazety

[Sary, pejy 28]

Trano naorina tamim-pitiavana