Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsipik’iza no Azonao Arahina?

Fitsipik’iza no Azonao Arahina?

Fitsipik’iza no Azonao Arahina?

Nisy vahiny iray sambany vao nitsidika an’i Afrika. Variana izy nahita lehilahy iray nijaridina teo an-tsisin-dalana. Isaky ny minitra vitsivitsy, dia nikisaka moramora kely ilay lehilahy, sady nijoro nahitsy ihany. Tatỳ aoriana vao fantatr’ilay vahiny ny antony nanaovan’io lehilahy io izany. Hay nanaraka ny aloky ny pôtô iray ilay lehilahy. Nikisaka moramora ilay aloka, rehefa nifindra toerana ny masoandro.

MIFINDRA, na miovaova foana, toa an’io aloka afindran’ny masoandro io, ny zavatra ataon’ny olombelona sy ny fitsipika arahiny. Tsy toy izany anefa i Jehovah Andriamanitra, ilay “Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana”, araka ny nosoratan’i Jakoba. (Jakoba 1:17) Izao no tenin’Andriamanitra nosoratan’i Malakia, mpaminany hebreo: “Izaho Jehovah dia tsy miova”. (Malakia 3:6) Hoy Andriamanitra tamin’ny firenen’ny Isiraely, tamin’ny andron’i Isaia: “Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsi-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao”. (Isaia 46:4) Koa afaka matoky ny fampanantenan’ny Tsitoha foana àry isika.

Fianarana avy amin’ny Lalàna

Toy ny fampanantenany, dia tsy miovaova ny zavatra faritan’i Jehovah hoe tsara sy ratsy. Hatokisanao ve ny mpivarotra mampiasa fandanjana roa, ka ny iray ihany no marina? Tsy hatoky azy mihitsy ianao. Toy izany koa, “ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’i Jehovah; fa ny vato marina no ankasitrahany”. (Ohabolana 11:1; 20:10) Izao no anisan’ny Lalàna nomen’i Jehovah ny Isiraelita: “Aza manao izay tsy marina amin’ny fitsarana, na amin’ny fandrefesana, na amin’ny fandanjana, na amin’ny famarana. Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta.”​—Levitikosy 19:35, 36.

Nankasitrahan’Andriamanitra sy nahazo fitahiana maro ny Isiraelita rehefa nankatò io didy io. Mahazo fitahiana koa ny mpanompon’i Jehovah matoky Azy sady manaraka ny fitsipiny tsy miovaova, tsy amin’ny lanja sy ny refy ihany, fa eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana koa. Hoy Andriamanitra: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao”.​—Isaia 48:17.

Nahoana no niharatsy ny fitsipi-pitondran-tena?

Hazavain’ny Baiboly ny anton’izany. Nisy ady tany an-danitra, hoy ny bokin’ny Apokalypsy, ary misy fiantraikany eo amin’ny olombelona rehetra hatramin’izao ny fiafaran’izy io. Nanoratra ny apostoly Jaona hoe: “Nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy”.​—Apokalypsy 12:7-9.

Inona no vokatra voalohany naterak’io ady io? Nanohy ny teniny i Jaona hoe: “Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.”​—Apokalypsy 12:12.

Tonga ny “loza ho an’ny tany” rehefa nipoaka tamin’ny 1914 ny Ady Lehibe Voalohany, ary namarana ny fotoana nisian’ny fitsipi-pitondran-tena samy hafa be amin’ny an’ny olona amin’izao androntsika izao. “Toy ny soritra mazava tsara iray mampisaraka ny androntsika sy izany andro izany, ny Ady Lehibe tamin’ny 1914-1918”, hoy i Barbara Tuchman, mpahay tantara. “Tena nampisaraka tanteraka ny vanim-potoana taloha sy taorian’ilay Ady Lehibe izy io, ary nampiova ny fomba fisainan’ny olona, satria nandripaka ain’olona maro, izay afaka niasa sy namokatra nandritra ireo taona nanaraka, ary nandrava finoana sy nanova fomba fihevitra ary niteraka fahadisoam-panantenana be koa.” Mitovy hevitra amin’izany i Eric Hobsbawm, mpahay tantara iray hafa. Hoy izy: “Nanomboka tamin’ny 1914, dia miharihary fa nikororosy ny fitsipi-pitondran-tena, any amin’ny tany mandroso ... Mampalahelo fa miverina haingana ho amin’ny antsoin’ny razambentsika tamin’ny taonjato faha-19 hoe fomba fiaina baranahiny ny olona, ary tsy hay hoe ho tonga hatraiza izany.”

Nanoratra toy izao i Jonathan Glover, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fitondran-tenan’ny Olona Nandritra ny Taonjato Faha-20 (anglisy): “Anisan’ny mampiavaka ny androntsika ny tsy fisian’ny lalàna mifehy ny fitondran-tena intsony.” Noho ireo Tandrefana tsy dia liana intsony amin’ny fivavahana, dia tsy manaiky ny fitsipi-pitondran-tena avy amin’olon-kafa i Glover, nefa mampitandrina izy hoe: “Na tsy manaiky ny fitsipi-pitondran-tena apetraky ny fivavahana aza ny sasany amintsika, dia tokony hanahy ihany, noho ny tsy fisian’ny fitsipi-pitondran-tena intsony.”

Mamadika ny fitokisana ankehitriny ny mpivarotra sy ny mpanao politika, ny mpitondra fivavahana, ary na dia ny namana sy ny havana aza. Ary izany rehetra izany sy ny voka-dratsiny dia anisan’ny teti-dratsin’ny Devoly hitondrana loza ho an’ny mponina amin’ny tany avokoa. Tapa-kevitra ny hiady hatramin’ny farany sy hamono an’izay miezaka manaraka ny fitsipik’Andriamanitra i Satana.​—Apokalypsy 12:17.

Misy vahaolana amin’izany famadihana ny fitokisana hatraiza hatraiza izany ve? Mamaly toy izao ny apostoly Petera: “Isika, araka ny teny fikasan[’Andriamanitra], dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana”. (2 Petera 3:13) Afaka matoky io fampanantenana io isika, satria sady manana hery hanatanterahana ny fikasany Andriamanitra no manome toky koa fa ho tanteraka izy io. Izao no lazain’i Jehovah momba ‘ny teny aloaky ny vavany’: “Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy”. Tena azo itokisana tokoa izany fampanantenana izany!​—Isaia 55:11; Apokalypsy 21:4, 5.

Fanarahana ny fitsipik’Andriamanitra

Miovaova sy mikororosy ny fitsipi-pitondran-tenan’izao tontolo izao, fa ny Vavolombelon’i Jehovah kosa miezaka mafy mba hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Noho izany, dia miavaka izy ireo, ka sady nahasarika no nahasosotra ny hafa matetika.

Tamin’ny fivoriambe iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Londres, dia nanontanian’ny mpanao gazety iray ny solontenan’izy ireo hoe Kristianina marina ve ny Vavolombelon’i Jehovah. Namaly ilay Vavolombelona hoe: “Tena Kristianina izahay, satria i Jesosy no modelinay. Tia tena izao tontolo izao, fa izahay kosa mibanjina an’i Jesosy Kristy, izay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Mino izahay fa Zanak’Andriamanitra izy, fa tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray akory. Noho izany, dia samy hafa ny fahatakaranay ny Baiboly sy ny an’ny fivavahan’ny olona.”

Rehefa nalefa tamin’ny televiziona BBC io fanadinadinana io, dia hoy ilay mpanao gazety namarana ilay fandaharana: “Mazava kokoa amiko ny antony ahatongavan’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-tranontsika. Mbola tsy nahita olona 25 000 niaraka tamin’ny toerana iray koa aho, ka tsara fitafy sy nahalala fomba toy izany.” Teny fiderana re izany, izay manaporofo fa fahendrena ny manaraka ny fitsipika tsy miovaovan’Andriamanitra!

Tsy tian’ny sasany angamba ny hoe manaraka fitsipika avy amin’olon-kafa. Mampirisika anao anefa izahay mba handinika ny Baiboly sy hianatra ireo fitsipik’Andriamanitra. Fakafakao tsara izy io, araka izao fampirisihan’ny apostoly Paoly izao: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina”. (Romana 12:2) Tongava any amin’ny Efitrano Fanjakana eny akaikinao, ary fantaro ireo Vavolombelona ao. Ho hitanao fa toy ny olona rehetra izy ireo, ary matoky ny fampanantenan’ny Baiboly sy mampiseho ny fatokisany an’Andriamanitra amin’ny fiezahany hanaraka ny fitsipiny.

Azo antoka fa hahazo fitahiana ianao, rehefa manaraka ny fitsipika tsy miovaova sy azo itokisana avy amin’Andriamanitra. Ataovy izao lazain’Andriamanitra izao: “Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao”.​—Isaia 48:18.

[Sary, pejy 5]

Mamadika ny fitokisana ny mpivarotra, ny mpanao politika sy ny mpitondra fivavahana ary ny havana