Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Hanohitra ny fangatahan’ny vadiny fisaraham-panambadiana ve ny vehivavy kristianina mahatoky iray?

Rehefa nanomboka ny fanambadian’olombelona, dia nilaza Andriamanitra fa tokony ‘hifikitra’ amin’izy samy izy ny mpivady. (Genesisy 2:18-24, NW ). Nanjary tsy lavorary ny olombelona, ka izany dia miteraka zava-manahirana ao amin’ny fanambadiana maro; fanirian’Andriamanitra anefa ny mbola tokony hifikiran’ny mpivady amin’izy samy izy ihany. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy (nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin’ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin’ny vavy.”​—1 Korintiana 7:10, 11.

Araka ireo teny ireo, dia ekena fa eo amin’ny olombelona tsy lavorary, indraindray dia manapa-kevitra ny handao ny tokantrano ny vady iray. Ohatra, nilaza i Paoly fa raha niala ny vady iray, dia samy tokony “hitoetra tsy manam-bady” ny andaniny roa. Nahoana? Niala ilay vady, fa izy roa kosa dia mbola voafatotry ny fanambadiana hatrany teo imason’Andriamanitra. Afaka nilaza izany i Paoly, satria nanambara toy izao ny fari-pitsipika ho an’ny fanambadiana kristianina i Jesosy: “Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana [grika: por·neiʹa] ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga”. (Matio 19:9). Eny, ny hany antony ahazoana misara-panambadiana, antony araka ny Soratra Masina mamarana ny fanambadiana iray, dia ny “fijangajangana”, izany hoe ny fahalotoam-pitondran-tena. Miharihary fa tamin’ilay toe-javatra noresahin’i Paoly, dia samy tsy naloto fitondran-tena izy mivady, koa rehefa niala ilay lehilahy na ilay vehivavy, dia tsy nifarana ilay fanambadiana, araka ny fahitan’Andriamanitra azy.

Avy eo dia niresaka momba ny toe-javatra iray misy ny Kristianina marina iray manambady tsy mpino, i Paoly. Diniho ireto toromarika nomeny ireto: “Raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin’ny fihavanana.” (1 Korintiana 7:12-16). Inona no ho azon’ny vehivavy mahatoky iray atao, raha mandao azy ny vadiny tsy mpino, eny, mangataka fisaraham-panambadiana ara-dalàna mihitsy aza?

Mety ho tian’ilay vehivavy kokoa ny tsy hisaraka aminy. Angamba mbola tia azy ravehivavy sady mahatsapa ny zavatra ilain’ny andaniny avy eo amin’ny ara-pihetseham-po sy eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, ary fantany fa mila fanohanana ara-nofo izy sy izay zanany tsy ampy taona. Mety hanantena koa izy fa rehefa mandeha ny fotoana, dia ho tonga mpino ny vadiny, ka ho voavonjy. Raha manao dingana mba hamaranana ilay fanambadiana anefa ralehilahy (noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina), dia ho afaka hamela azy “hiala” ravehivavy, araka ny nosoratan’i Paoly. Ho azo atao koa izany, raha tsy miraharaha ny fiheveran’Andriamanitra ny fanambadiana ny lehilahy mpino iray, ka mikiribiby handao ny fianakaviany.

Amin’ny toe-javatra toy izany anefa, dia mety hilain’ilay vehivavy ny miaro ny tenany sy ireo zanany. Amin’ny fomba ahoana? Tsy tokony hanome ho an’ny vadiny ny zo hikarakara ireo zanaka malalany izy, mba hahafahany hanohy haneho ny fitiavan-dreny aminy, hanome azy ireo fampiofanana ara-pitondran-tena, ary hamboly ao aminy finoana miorina amin’ny fampianarana tsara ara-baiboly. (2 Timoty 3:15). Mety ho very ireo zony noho ilay fisaraham-panambadiana. Noho izany, dia mety hanao dingana izy mba hisian’ny olona hisolo tena azy, araka ny tokony ho izy, manoloana ny manam-pahefana. Izany dia mba hiarovana ny zony hifandray amin’ny zanany ary mba hahazoana antoka fa hoteren’ny lalàna hamelona ilay fianakaviana nilaozany ilay vadiny. Any amin’ny toerana sasany, dia afaka manao sonia taratasy ara-dalàna milaza ny fandaharana momba ny zo hikarakara zanaka sy ny fanohanana ara-bola, ny vehivavy manohitra fisaraham-panambadiana, na dia tsy manaiky ilay fangatahan’ny vadiny fisaraham-panambadiana aza izy. Any amin’ny toerana hafa, dia misy filazana ao amin’ireo taratasy fa manaiky ilay fisaraham-panambadiana izy; noho izany, raha nanitsakitsaka azy ilay vadiny, ka manao sonia ireny taratasy ireny ravehivavy, dia hidika izany fa mandà azy tsy ho vadiny izy.

Tsy hahafantatra ireo tsipiriany amin’ilay raharaha ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny fiaraha-monina sy ao amin’ny kongregasiona; tsy fantany, ohatra, raha antony araka ny Soratra Masina no nisarahan’izy mivady. Noho izany, raha mbola tsy lasa lavitra toy izany ny tarehin-javatra, dia ho tsara ho an’ilay vehivavy ny mampahafantatra ireo zava-misy (tsara kokoa raha an-tsoratra) amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha sy ny loholona hafa iray ao amin’ny kongregasiona. Amin’izay, dia ho fantatra ireo zava-misy ireo raha toa ka misy fanontaniana mipoitra​—amin’izay fotoana izay na any aoriana.

Andeha isika hiverina amin’izay nolazain’i Jesosy: “Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga”. Raha diso tokoa ny lehilahy iray satria naloto fitondran-tena, nefa maniry ny mbola ho vadin-dravehivavy, dia tsy maintsy mifidy ilay vehivavy (ilay tsy manan-tsiny ao amin’ny ohatra nolazain’i Jesosy) na hamela ny fahadisoany ka hanohy hiray fandriana aminy ihany, na handa azy tsy ho vadiny. Raha vonona ny hamela heloka sy hiaraka hatrany amin’ilay vadiny ara-dalàna ravehivavy, dia tsy haloto fitondran-tena izy raha manao izany.​—Hosea 1:1-3; 3:1-3.

Raha misy lehilahy naloto fitondran-tena, mangataka fisaraham-panambadiana, dia mety ho mbola vonona ny hamela heloka ihany ravehivavy, satria manantena ny hiverenany aminy. Anjarany ny mamantatra, araka ny feon’ny fieritreretany sy ny toe-javatra misy azy, raha hanohitra ilay fangatahan’ny vadiny fisaraham-panambadiana izy na tsia. Any amin’ny toerana sasany, raha manohitra fangatahana fisaraham-panambadiana ny vehivavy iray, dia azony atao ny manao sonia taratasy momba ny zo hikarakara zanaka sy ny fanohanana ara-bola, na dia tsy manaiky ilay fisaraham-panambadiana aza izy; ny fanaovany sonia ireny taratasy ireny dia tsy hidika hoe mandà an’ilay lehilahy tsy ho vadiny izy. Any amin’ny tany hafa anefa, ny vehivavy iray manohitra fangatahana fisaraham-panambadiana, dia mety hangatahina hanao sonia taratasy milaza fa manaiky ilay fisaraham-panambadiana izy. Raha manao sonia izy, dia hampiseho mazava izany fa mandà an’ilay lehilahy diso tsy ho vadiny.

Mba tsy hisian’ny tsy fahazoan-kevitra, amin’ity tarehin-javatra ity, dia ho tsara ho an’ilay vehivavy koa ny manome ho an’ny solontenan’ny kongregasiona, taratasy iray manoritra ireo dingana ataony amin’izay fotoana izay sy ireo fihetseham-po nanosika azy hanao izany. Azony lazaina ao amin’ilay taratasy fa efa nilazany ny vadiny hoe vonona ny hamela ny helony sy ny mbola ho vadiny ihany izy. Hidika izany fa na dia misara-panambadiana aza izy roa, dia tsy naniry izany izy; tsy nanda an-dralehilahy tsy ho vadiny izy, fa mbola vonona ny hamela heloka kosa. Rehefa avy nohazavainy toy izany fa vonona ny hamela heloka sy ny mbola ho vadiny ihany izy, dia tsy hidika hoe mandà an-dralehilahy tsy ho vadiny izy, raha manao sonia taratasy milaza fotsiny ny fomba handaminana ireo raharaha ara-bola sy/na momba ny raharaha mahakasika ny zo hikarakara zanaka. *

Rehefa avy noporofoiny fa vonona ny hamela heloka izy na dia aorian’ny fisaraham-panambadiana aza, dia samy tsy hisy ho afaka hanambady olon-kafa na izy na ny vadiny. Raha nolavina ny famelan-kelok’ilay vady tsy manan-tsiny ary manapa-kevitra izy atỳ aoriana fa handa an’ilay lehilahy tsy ho vadiny, noho izy io naloto fitondran-tena, dia samy ho afaka hanambady izy roa amin’izay. Nasehon’i Jesosy fa manana zo handray izany fanapahan-kevitra izany ilay vady tsy manan-tsiny.​—Matio 5:32; 19:9; Lioka 16:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Miova arakaraka ny toerana ny fomba fanaovan-javatra sy ny taratasy ara-dalàna. Alohan’ny hanaovana sonia, dia tokony hodinihina akaiky ireo fepetra voasoritra ao amin’ny taratasy ara-dalàna mahakasika ilay fisaraham-panambadiana. Raha toa ny vady iray tsy manan-tsiny ka manao sonia taratasy izay milaza fa tsy manohitra ilay fisaraham-panambadiana angatahin’ny vadiny izy, dia hidika izany hoe mandà an’ilay ankilany tsy ho vadiny izy.​—Matio 5:37.