Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

3 Maninona ny Tsara Fanahy no Mijaly?

3 Maninona ny Tsara Fanahy no Mijaly?

Zava-dehibe ny valin’izany

Tena tsy rariny rehefa ny tsara fanahy no mijaly. Misy mieritreritra koa hoe raha samy hijaly ihany, dia tsy misy dikany ilay hoe miezaka ny ho tsara fanahy.

Eritrereto izao

Mino ny olona sasany hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona iray rehefa maty, ary miverina imbetsaka izany. Raha nanao ny tsara, hono, izy dia hilamina ny fiainany rehefa teraka ao amin’ny vatana hafa izy. Raha nanao ratsy kosa izy dia hijaly. Na tsara fanahy aza izany ny olona iray, dia hijaly ihany izy raha nanao ratsy tamin’ny fiainany teo aloha. Diniho anefa izao:

  • Raha tsy mahatadidy ny fiainany taloha ilay olona rehefa teraka indray, dia inona izany no tanjona amin’ilay izy tsy maintsy mijaly?

  • Maninona isika no miezaka hitandro fahasalamana sy hisoroka loza, raha tsy maintsy hijaly ihany noho ny tsy nety nataontsika taloha?

    FANAZAVANA FANAMPINY

    Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly?

Inona no lazain’ny Baiboly?

Tsy sazy avy amin’Andriamanitra ny fijaliana.

Matetika ny olona no mijaly satria nisy zavatra tsy nampoizina nitranga taminy. Mety hoe teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza izy.

“Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena, ary tsy ny mahery no mandresy, ary tsy ny hendry no manan-kanina, ary tsy ny mahira-tsaina no mahazo harena, ary tsy ny manam-pahalalana no mahazo sitraka, satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.”MPITORITENY 9:11.

Anisan’ny mahatonga antsika hijaly ilay isika mpanota.

Ny zavatra ratsy atao matetika no antsoin’ny olona hoe “ota.” Milaza anefa ny Baiboly fa nandova ota ny olombelona rehetra, na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy.

“Efa nanam-pahadisoana aho rehefa nateraky ny reniko tao anatin’ny fanaintainana. Ary efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.”SALAMO 51:5.

Nisy vokany ratsy be teo amin’ny olombelona ny ota.

Lasa simba ny fifandraisantsika amin’ny Mpamorona sy amin’ny zavaboary hafa. Samy mijaly daholo àry na ny olona tsirairay, na ny olombelona amin’ny ankapobeny.

“Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.”ROMANINA 7:21.

“Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra.”ROMANINA 8:22.