Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA JOLAY 2014

 MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NY TSARA FANAHY NO MIJALY?

Nahoana ny Tsara Fanahy no Mijaly?

Nahoana ny Tsara Fanahy no Mijaly?

Misy milaza hoe avy amin’i Jehovah Andriamanitra * ny zavatra tsara sy ratsy, satria izy no Mpamorona ny zava-drehetra sady mahery indrindra. Inona anefa no lazain’ny Baiboly momba an’ilay tena Andriamanitra?

  •  Manao ny rariny i Jehovah amin’ny lalany rehetra.”—Salamo 145:17.

  •  Ara-drariny daholo ny lalany. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.”—Deoteronomia 32:4.

  •  Be fitiavana tokoa i Jehovah sady mamindra fo.”—Jakoba 5:11.

Tsy avy amin’Andriamanitra ny faharatsiana. Tsy izy koa no mampirisika ny olona hanao ratsy. Milaza ny Soratra Masina fa “rehefa misy fitsapana”, dia tsy tokony hisy hilaza hoe “fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.” “Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” (Jakoba 1:13) Tsy mitsapa na maka fanahy olona hanao ratsy izy. Tsy izy àry no mampisy ny faharatsiana na mampirisika ny olona hanao ratsy. Koa rehefa tsy izy izany dia iza? Ary raha tsy olona dia inona?

LOZA TSY AMPOIZINA

Hoy ny Baiboly momba ny antony iray mahatonga ny olona hijaly: “Mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.” (Mpitoriteny 9:11) Mety ho tratran’ny loza tampoka ny olona iray raha sendra teo amin’ny toerana iray izy rehefa nisy loza nitranga teo. Niresaka momba ny olona 18 maty nianjeran’ny tilikambo i Jesosy Kristy, efa ho 2 000 taona lasa izay. (Lioka 13:1-5) Tsy izay nataon’ireo olona ireo tamin’ny fiainany teo aloha akory no nahatonga azy hiharan’ilay loza. Sendra teo ambanin’ilay tilikambo fotsiny izy tamin’ny fotoana nianjeran’ilay izy. Nisy horohoron-tany nitranga koa tany Haïti tamin’ny Janoary 2010, ka 300 000 mahery no maty. Tsy nifidy olona nasiana ilay horohoron-tany tamin’izany. Mandripaka olona tsy an-kanavaka amin’ny fotoana rehetra koa ny aretina.

Nahoana no tsy arovan’Andriamanitra amin’ny loza ny tsara fanahy?

Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Maninona raha sakanan’Andriamanitra tsy hitranga ireny loza mahatsiravina ireny? Tsy ho vitany ve ny hiaro ny tsara fanahy amin’ny loza?’ Mba hahafahany manao an’izany anefa, dia tsy maintsy fantariny mialoha raha hisy loza hitranga na tsia. Marina fa mahay mamantatra ny hoavy Andriamanitra, kanefa manao an’izany foana ve izy, sa mba mifidy ny tsy hanao an’izany ihany indraindray?—Isaia 42:9.

Hoy ny Salamo 115:3: ‘Any an-danitra Andriamanitra, ary izay rehetra mahafinaritra azy dia ataony.’ Tsy izay rehetra vitan’i Jehovah àry dia ataony, fa izay hitany hoe ilaina ihany.  Hoatr’izany koa no ataony rehefa mamantatra ny hoavy. Nisy fotoana, ohatra, niely be ny faharatsiana tany Sodoma sy Gomora fahiny. Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: “Tapa-kevitra mihitsy aho ny hidina, mba hahitako raha tena araka ny fitarainana tonga atỳ amiko tokoa ny zavatra ataony. Ary raha tsy araka izany, dia ho fantatro koa.” (Genesisy 18:20, 21) Nifidy ny tsy hamantatra ny habetsahan’ny faharatsiana tao amin’ireo tanàna ireo i Jehovah, talohan’io. Tsy voatery hofantarin’i Jehovah mialoha daholo àry izay hitranga amin’ny hoavy. (Genesisy 22:12) Tsy midika anefa izany hoe tsy lavorary izy, na misy zavatra tsy hainy. “Tonga lafatra” kosa izay ataony, ka tsy mamantatra ny hoavy izy raha tsy rehefa mifanaraka amin’ny fikasany izany. Tsy manery ny olona hanao zavatra koa izy. * (Deoteronomia 32:4) Hita amin’izany fa mifidy an’izay tiany hofantarina mialoha Andriamanitra, ary mandinika tsara izy vao manao an’izany.

Nahoana no tsy arovan’Andriamanitra amin’ny heloka bevava ny tsara fanahy?

AVY AMIN’NY OLONA IHANY

Anisan’ny mahatonga ny faharatsiana koa ny olombelona. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana, ary ny fahotana kosa rehefa tanterahina, dia miteraka fahafatesana.’ (Jakoba 1:14, 15) Tsy maintsy hijinja ny vokany ny olona iray raha manatanteraka ny fanirian-dratsiny. (Romanina 7:21-23) Hita tamin’ny tantara fa nahavita zavatra nahatsiravina ny olona sady nahatonga ny olon-kafa hijaly be. Mitarika ny hafa hanao toa azy koa ny mpanao ratsy, ka lasa misy foana ny faharatsiana.—Ohabolana 1:10-16.

Nahavita zavatra nahatsiravina ny olona sady nahatonga ny olon-kafa hijaly be

Tokony hanakana ny olona tsy hanao ratsy ve Andriamanitra? Milaza ny Soratra Masina fa nataon’Andriamanitra araka ny endriny ny olona, izany hoe misy itovizana aminy. Afaka manahaka ny toetrany àry ny olombelona. (Genesisy 1:26) Nomeny safidy ny olona, na ho tia sy hanaraka an’izay hitan’Andriamanitra fa mety, na tsy hanao an’izany. (Deoteronomia 30:19, 20) Tsy hisy dikany ny nanomezan’Andriamanitra an’izany safidy izany, raha tereny hanao zavatra iray ny olona. Lasa toy ny milina fotsiny mantsy izy ireo amin’izay, ka izay asaina ataony ihany no ataony. Tsy misy dikany koa ny nanomezana antsika safidy raha hoe efa voalahatr’Andriamanitra mialoha ny fiainantsika. Soa ihany fa nataony manana ny maha izy azy ny olona, ka navelany hifidy izay hitondrany ny fiainany. Izany anefa tsy midika hoe hitohy mandrakizay ny faharatsiana vokatry ny ataon’ny olombelona.

 VALIN’NY NATAONY VE?

Raha Hindoa na Bodista no anontanianao an’ilay fanontaniana eo amin’ny fonon’ity gazety ity, dia izao no havaliny: “Ny lalàn’ny Karma no mahatonga ny tsara fanahy hijaly. Mijinja ny vokatry ny nataony tamin’ny fiainany teo aloha mantsy izy.” *

Inona anefa no lazain’ny Baiboly momba ny maty? Hoy ny Mpamorona tamin’ilay lehilahy voalohany atao hoe Adama, tao amin’ny zaridainan’i Edena: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.” (Genesisy 2:16, 17) Ho niaina mandrakizay i Adama raha nankatò ny didin’Andriamanitra, fa tsy nanota. Fahafatesana àry no sazy vokatry ny tsy fankatoavana. “Niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana” rehefa niteraka izy sy ny vadiny, tatỳ aoriana. (Romanina 5:12) Hita avy amin’izany fa ny “fahafatesana no tambin’ny ota.” (Romanina 6:23) Hoy koa ny Baiboly: “Izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.” (Romanina 6:7) Tsy mila mizaka ny vokatry ny fahotany intsony ny olona rehefa maty.

Olona an-tapitrisany no milaza fa ny Karma no mahatonga ny olona hijaly. Matetika ny olona mino an’izany no tsy rototra intsony rehefa misy zavatra manjo azy na ny olon-kafa, fa tonga dia manaiky ho azy ny sainy. Raha izany anefa no izy, dia tsy antenaina hifarana mihitsy ny faharatsiana. Milaza ny olona mino an’io hevitra io fa mila manao zavatra tsara eken’ny fiaraha-monina ny olona iray sady mila manana fahalalana manokana, raha tsy tiany intsony ny ho teraka indray amin’ny vatana hafa. Tsy izany mihitsy anefa no resahin’ny Baiboly. *

IZA NO TENA FOSITRA?

Fantatrao ve fa i Satana, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao”, no tena mahatonga ny fijaliana?—Jaona 14:30

Tsy ny olona no tena mahatonga ny faharatsiana, fa i Satana Devoly. Anjely tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy io tamin’ny voalohany, saingy “tsy nifikitra tamin’ny marina.” (Jaona 8:44) Izy no atidoha nikotrika an’ilay fikomiana tao amin’ny zaridainan’i Edena. (Genesisy 3:1-5) Nantsoin’i Jesosy Kristy hoe ‘ilay ratsy’ sy “ilay mpitondra an’izao tontolo izao” izy. (Matio 6:13; Jaona 14:30) Manaraka an’i Satana koa ny ankamaroan’ny olona, ka manaiky ampirisihiny tsy hankatò ny fitsipik’i Jehovah. (1 Jaona 2:15, 16) ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo’, hoy ny 1 Jaona 5:19. Nisy anjely hafa koa nanao ratsy, tatỳ aoriana, ka nanaraka an’i Satana. Milaza ny Baiboly fa “mamitaka ny tany rehetra misy mponina” i Satana sy ny demoniany, ary “loza ho an’ny tany” no vokatr’izany. (Apokalypsy 12:9, 12) I Satana Devoly àry no tena fositra mahatonga ny faharatsiana.

Hita avy amin’izany fa tsy Andriamanitra velively no mahatonga ny faharatsiana hisy na mahatonga ny olona hijaly. Mampanantena kosa izy fa hanafoana ny faharatsiana, araka ny hohazavain’ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 3 Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.

^ feh. 11 Jereo ny toko 11 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, raha tianao ho fantatra hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny faharatsiana hitohy.

^ feh. 16 Manazava ny niandohan’ny lalàn’ny Karma ny pejy 8-12 amin’ilay bokikely hoe Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 18 Jereo ny toko 6 sy 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, raha tianao ny hahalala izay lazain’ny Baiboly momba ny maty sy ny fanantenana ho azy ireo.

Fanampim-panazavana

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?

Nanomboka oviana no nisy faharatsiana teto an-tany? Nahoana Andriamanitra no mbola miandry? Mbola hifarana ihany ve ny fijaliana?