Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HIATREHANAO NY OLANA MAHAZO ANAO?

Olana: Tsy Voafehy ny Fihetseham-po

Olana: Tsy Voafehy ny Fihetseham-po

MALAHELO foana ve ianao, sa tezi-dava, sa mitana lolompo? Mety tsy hahavita ny zavatra tokony hataonao ianao, raha izany. Ahoana no hiatrehanao an’izany? *

OHATRA AO AMIN’NY BAIBOLY: DAVIDA

Nanana fihetseham-po maro nifamahofaho i Davida Mpanjaka. Anisan’izany ny fanahiana sy ny alahelo. Afaka niatrika an’izany anefa izy satria niantehitra tamin’Andriamanitra. (1 Samoela 24:12, 15) Nanam-pinoana izy ka nivavaka matetika. Nataony an-tsoratra koa ny zavatra tsapany. *

INONA NO NATAON’I GREGORY?

Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra voalohany fa olona mikorontan-tsaina lava i Gregory. Hoy izy: “Efa tafahoatra loatra ny fanahiako ka tsy voafehiko intsony.” Ahoana no niatrehany an’izany? Hoy izy: “Nanaiky hampian’ny vadiko sy ny namako aho. Nanatona dokotera koa aho, ary niezaka namantatra tsara an’ilay zavatra nahazo ahy. Nanao fanovana aho avy eo. Hitako izao fa efa tsy resin’ny fanahiana intsony aho. Mbola manahy ihany aloha aho indraindray, kanefa efa fantatro ny antony mahatonga an’ilay izy, ary haiko ny fomba hiatrehana azy.”

“Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana.”​—Ohabolana 17:22

INONA NO AZONAO ATAO?

Raha manana olana ara-pihetseham-po ianao, dia izao atao:

  • Soraty ao anaty karine ny zavatra tsapanao.

  • Miezaha hamboraka ny fihetseham-ponao amin’ny havanao na ny namanao akaiky.

  • Reseo ilay fihetseham-po. Azo atao, ohatra, ny misaintsaina hoe: ‘Rariny ve raha manamelo-tena be hoatr’izao aho?’

  • Ataovy izay hahatonga anao tsy hanahy be intsony na ho tezitra foana na hitana lolompo. Manaova zavatra mahasoa kokoa. *

Fehiny: Tsy ny zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika mazàna no mahatonga antsika ho kivy na ho tezitra na hanahy, fa ny fomba fijerintsika azy ireny.

^ feh. 3 Mety hanana olana ara-pihetseham-po ny olona iray noho ny aretina mahazo azy, ary mety hilana fitsaboana izany. Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza!, fa anjaran’ny tsirairay ny misafidy.

^ feh. 5 Maro amin’ireo salamo ao amin’ny Baiboly no vavaka nataon’i Davida.

^ feh. 13 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay andian-dahatsoratra hoe “Manahy Be Loatra ve Ianao?,” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2015.