Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA DESAMBRA 2014

“Mahatsindry Fo ny Olona Raha Lalin-tsaina”

“Mahatsindry Fo ny Olona Raha Lalin-tsaina”

Tsy nahafehy ny hatezerany ny mpanazatra tamin’ny baskety tany amin’ny oniversite iray, ka voaroaka.

Tsy narahina ny sitrapon’ny ankizikely iray, ka nila vaniny be izy.

Nifampilelalela tamin’ny zanany lahy ny vehivavy iray satria nikorontana ambony ambany ny entan’ilay ankizilahy.

EFA nahita olona tezitra daholo isika, ary azo antoka hoe efa samy tezitra daholo koa. Mety hihevitra isika fa ratsy ny hatezerana ka tokony hofehezina. Matetika anefa isika no mieritreritra hoe manan-jo ho tezitra, indrindra rehefa misy olona heverintsika ho manao ny tsy rariny. Nilaza mihitsy aza ny lahatsoratra iray navoakan’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Psikolojia hoe “fihetseham-pon’olombelona ara-dalàna tanteraka ny hatezerana, ary mazàna no mahasalama.”

Mety hiombon-kevitra amin’izany isika rehefa mandinika an’izay nasain’Andriamanitra nosoratan’ny apostoly Paoly ao amin’ny Efesianina 4:26. Hoy izy: “Tezera fa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” Miaiky i Paoly eo hoe mety ho tezitra isika indraindray. Mahazo manampatra ny hatezerantsika àry ve isika, sa tokony hiezaka hifehy azy io?

TOKONY HO TEZITRA VE IANAO?

Toa ity Salamo ity no tao an-tsain’i Paoly, rehefa nanome an’io torohevitra eo aloha io izy: “Tezera fa aza manota.” (Salamo 4:4) Inona no tena tiany holazaina? Hoy ihany izy: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra, mbamin’ny faharatsiana rehetra.” (Efesianina 4:31) Nampirisihiny ny Kristianina mba tsy hanapoaka hatezerana. Tsara homarihina fa izao no tohin’ilay lahatsoratra navoakan’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Psikolojia: ‘Hita tamin’ny fikarohana fa mitombo ny hatezeranao rehefa avoakanao, ary lasa mahery setra ianao. Tsy mahavaha olana anefa izany.’

Ahoana no ‘hanesorana’ ny hatezerana sy hisorohana ny voka-dratsiny? Hoy i Solomona, mpanjaka mahay tany Israely fahiny: “Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina, ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.” (Ohabolana 19:11) Nahoana no hahatsindry fo ianao raha “lalin-tsaina”?

 MAHATSINDRY FO IZAY LALIN-TSAINA

Lalin-tsaina ny olona iray, raha mahatakatra tsara ny tena zava-misy fa tsy mijery ivelany fotsiny. Nahoana izany no tena ilaina rehefa misy mahatezitra na mahasosotra?

Mety ho sosotra isika rehefa mahita tsy rariny. Raha entim-po anefa isika ka mahery setra, dia mety hitondra fahavoazana ho an’ny tenantsika na ny olon-kafa. Toy ny afo ny hatezerana. Mety handoro trano ny afo tsy voafehy. Raha tsy voafehy koa ny hatezerantsika, dia mety ho ratsy laza isika. Mety ho simba koa ny fifandraisantsika amin’olona, ary na ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra mihitsy aza. Rehefa tsapanao àry hoe miakatra ny hatezeranao, dia eo indrindra ianao no tokony handinika tsara an’ilay zavatra mahatezitra anao. Azo inoana fa hahavita hanindry fo ianao, rehefa takatrao kokoa ny tena marina.

Efa saika meloka ho nandatsa-dra i Davida Mpanjaka, rain’i Solomona, indray mandeha, nefa soa ihany fa nisy nanampy azy handinika ny tena zava-misy. Niaro ny ondrin’ny lehilahy iray atao hoe Nabala, tany an-tany efitr’i Jodia, i Davida sy ny miaramilany. Nanety ondry i Nabala, tatỳ aoriana, ary nangataka sakafo taminy i Davida. Hoy anefa i Nabala: “Izaho ve dia haka ny mofoko sy ny ranoko ary ny henan’ny biby izay novonoiko sy norasarasaiko ho an’ny mpanety ondriko, ka hanome izany ho an’ny olona tsy fanta-piaviana?” Vava re izany! Vao nahare an’ireo i Davida, dia niainga izy sy ny miaramilany 400 teo ho eo, mba hamono an’i Nabala sy ny lehilahy rehetra tao an-tranony.—1 Samoela 25:4-13.

Ren’i Abigaila vadin’i Nabala izany, ka lasa nitsena an’i Davida izy. Niankohoka teo an-tongotr’i Davida izy, ary niteny hoe: “Mba avelao ny mpanompovavinao hiteny kely aminao, ka henoy ny tenin’ny mpanompovavinao.” Nohazavainy fa tsy misaina i Nabala, ary hanenina i Davida raha mamaly faty ka mandatsa-dra.—1 Samoela 25:24-31.

Nilamina ilay olana satria nanampy an’i Davida ho lalin-tsaina i Abigaila. Voalohany, lasa azon’i Davida fa olona adala tokoa i Nabala. Faharoa, hitany hoe ho meloka ho nandatsa-dra izy raha namaly faty. Mety hisy zavatra hahatezitra anao koa indraindray. Inona no tokony hataonao? Hoy ny lahatsoratra iray navoakan’ny Hopitaly Mayo, any Etazonia, momba ny hatezerana: “Makà fotoana kely hifohana rivotra lalina ary manisà 10.” Aza maimaika àry fa eritrereto hoe inona no nahatonga an’ilay olana, ary inona no mety ho vokatry ny zavatra eritreretinao hatao. Aoka ianao ho lalin-tsaina. Hahavita hanindry fo ianao amin’izay, na tsy ho tezitra ela be.—1 Samoela 25:32-35.

Maro koa ankehitriny no lasa mahay mifehy ny hatezerany. Nigadra tany Polonina, ohatra, i Sebastian, tamin’izy 23 taona. Nianatra Baiboly izy tany, ka lasa nahay nanindry fo. Hoy izy: “Dinihiko tsara aloha ilay olana, dia miezaka mampihatra ny torohevitry ny Baiboly aho avy eo. Tsy misy torohevitra tsara noho ny ao amin’ny Baiboly.”

Ampiharo ny torohevitry ny Baiboly, dia hahatsindry fo ianao

Mitovitovy amin’izany koa no nataon’i Setsuo. Hoy izy: “Novazavazaiko izay olona nahatezitra ahy tany am-piasana. Mianatra Baiboly anefa aho izao ka tsy mivazavaza intsony fa mieritreritra hoe: ‘Fa iza moa no diso e? Sao dia mba izaho ihany no nahatonga an’ity olana ity?’ ” Nahavita nanindry fo izy rehefa avy nisaintsaina toy izany ka tsy nitroatra.

Mety ho tezitra be ianao, nefa tena afaka manampy anao ny Tenin’Andriamanitra. Ampiharo ny torohevitra ao ary mivavaha amin’Andriamanitra mba hanampy anao, dia ho lalin-tsaina ianao, ka hahatsindry fo.

Fanampim-panazavana

Miezaha mba Tsy Hanao Teny Maharary

Inona no azonareo atao raha nanimba ny fifandraisanareo mivady ny teny maharary?

Nahoana no Mahasoa ny Lalàn’Andriamanitra?

Nohazavain’i Jesosy hoe nahoana isika no mila tari-dalana, ary inona no toro lalana lehibe indrindra.