Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JOLAY 2015

Inona no Tokony ho Fantatrao Momba ny Tazomoka?

Inona no Tokony ho Fantatrao Momba ny Tazomoka?

Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa olona 198 tapitrisa mahery no voan’ny tazomoka tamin’ny 2013, ary 584 000 teo ho eo no matin’io aretina io. Efa ho ny 80 isan-jaton’ny olona matin’izy io no ankizy latsaka ny dimy taona. Olona 3 200 tapitrisa, any amin’ny tany 100 eo ho eo, no atahorana ho voan’io aretina io.

1 INONA NO ATAO HOE TAZOMOKA?

Aretina avy amin’ny katsentsitra ny tazomoka. Ireto ny sasany amin’ny soritr’aretina: Manavy, mangovitra, tsemboka, marary andoha, manakotsako ny vatana, misalebolebo, na mandoa. Mety hiverina isaky ny roa na telo andro izany, arakaraka ny karazana katsentsitra tafiditra ao amin’ilay olona sy ny hoe hafiriana izy no efa voan’ilay aretina.

2 AHOANA NO FOMBA IFINDRANY?

  1. Ilay moka vavy atao hoe anofela no mampiditra an’ilay katsentsitra ao amin’ny ran’ny olona.

  2. Mankany amin’ny atin’ilay olona ireo katsentsitra ireo ary mihamaro.

  3. Vaky ireo selan’ny aty avy eo, miparitaka ny katsentsitra, ary mitsofoka ao amin’ny liomena. Mitombo isa indray ry zareo rehefa tafiditra ao.

  4. Vaky indray ireo liomena, dia miparitaka indray ireo katsentsitra, ary mihamaro hatrany ny liomena idirany.

  5. Mitombo foana ny sela vaky sy ny sela idiran’ny katsentsitra. Matetika no misy soritr’aretina miseho isaky ny misy liomena vaky.

 3 INONA NO FIAROVAN-TENA AZO ATAO?

Izao no azonao atao raha be tazo any amin’ny faritra misy anao:

  • Mampiasà lay rehefa matory. Ary ny lay dia tokony...

    • hisy ody moka.

    • tsy hisy loaka na tataka.

    • hasisika tsara ao ambany kidoro.

  • Asio ody moka ao an-tranonao.

  • Raha azo atao, dia asio an’ireny aromoka makarakara ireny ny varavarana sy ny varavarankely. Mampiasà vantilatera, amin’izay tsy tafapetraka mihitsy ny moka.

  • Manaova akanjo maivana maharakotra tsara ny vatanao.

  • Halaviro ny toerana misy lobolobo satria be moka eny. Aza mankeny amin’ny toerana misy rano mihandrona koa fa amin’ireny izy no manatody.

  • Tsaboy haingana ny tazo raha vao tratra ianao.

Izao indray atao raha mikasa ho any amin’ny toerana iray be tazo ianao:

  • Mitadiava fanazavana farany momba an’ilay toerana, alohan’ny handehananao any. Mety tsy hitovy mantsy ny karazana katsentsitra mpitondra tazo any amin’ny toerana tsirairay, dia arakaraka izay ny fanafody mahasitrana an’ilay aretina. Anontanio an’ilay dokotera mpitsabo anao koa izay tokony ho fantatrao momba ny toe-batanao.

  • Araho ireo tari-dalana nomena terỳ aloha momba ny faritra be tazo, rehefa any an-toerana ianao.

  • Manaraha fitsaboana avy hatrany raha voan’ny tazo ianao. Tadidio fa eo anelanelan’ny herinandro sy iray volana aorian’ny nahazoanao an’ilay katsentsitra no mety hiseho ny soritr’aretina.