Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Soisa

Hita tamin’ny fandinihana natao tany Soisa fa atahorana ho faty ny olona 60 taona mahery, rehefa mitsingerina ny andro nahaterahany. Manan-tombo 14 isan-jato ny mety hahafaty azy amin’io fotoana io, raha mitaha amin’ny andro hafa. Amin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany, dia manan-tombo 18 isan-jato ny mety hampihetsika ny aretim-pon’ny olona, manan-tombo 21 isan-jato ny mety hahatapaka lalan-dra ny vehivavy, ary manan-tombo 35 isan-jato ny famonoan-tena eo amin’ny lehilahy. Lazain’ny manam-pahaizana fa anisan’ny mahabetsaka ny loza sy famonoan-tena ny adin-tsaina sy ny toaka. Misy manam-pahaizana tsy manaiky an’io voka-pandinihana io anefa. Misy fahadisoana, hono, matoa mitovy ny daty nahaterahan’ny olona maro sy ny daty ahafatesany.

Israely

Azo antoka kokoa ho voantso mba hadinadinina ny lehilahy tsara tarehy rehefa mametaka ny sariny ao amin’ny taratasy fangatahana asa. Tsy toy izany kosa ny vehivavy tsara tarehy. Nahoana? Izao no mety ho anton’izany, araka ny hevitr’ireo mpikaroka israelianina: Vehivavy ny ankamaroan’ireo mifidy hoe iza no hadinadinina. Milaza ny gazety The Economist fa “ratsy” ilay antony, satria “be fialonana ireo vehivavy ireo ka lasa avakavahany ny vehivavy tsara tarehy mitady asa.”

Etazonia

Nisy masera 82 taona sy lehilahy roa 63 sy 57 taona, tafiditra tao amin’ny toerana misy fitaovam-piadiana niokleary milanja 100 taonina, any Oak Ridge, any Tennessee. Mpanohitra ny herisetra izy ireo, ka nasiany teny faneva manohitra ny ady teo amin’ny rindrin’ny trano iray tao. Milaza i Steven Chu, Minisitry ny Angovo, fa “tena mampanahy” izany, satria natao an-tsirambina ny fiarovana ny “toerana heverina fa anisan’ny voaro indrindra eran-tany.”

Aostralia

Nasain’ny fitsarana tampony nesorin’ireo orinasa mpanao sigara ny sary sy soratra famantarana milokoloko eo amin’ny fonon-tsigara. Tokony hiloko volontsôkôlà daholo izao ny fonon-tsigara any, ary tokony hisy sary sy soratra mampiseho ny loza vokatry ny fifohana sigara.