Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JOLAY 2013

Ilay Sakadia Tsy Fahita Firy

Ilay Sakadia Tsy Fahita Firy

Roa volana eo ho eo ilay sakadia no mitondra vohoka, ary telo ny zanany amin’ny ankapobeny

EFA maizim-be ny andro any amin’ilay tany efitra. Iny fa mivoaka avy ao anaty lavaka ny sakadia iray ary mijanona kely. Mijerijery ny manodidina sy mihainohaino izy, mandady moramora, ary manomboka mihaza manerana an’ilay tany efitra be fasika.

Tampoka eo dia mitsambikina misambotra voalavodia iray mbola variana ilay sakadia. Mihaza mandritra ny alina izy, ka mitsambikina tsindraindray mba hisambotra ny hazany. Totofany amin’ny fasika izay haza tsy laniny. Miverina any an-davaka izy raha vao mangiran-dratsy, ary mahalana vao hita amin’ny antoandro. Diniho ny lafiny mampiavaka an’io sakadia tsy fahita firy io.

  • Matsilo sofina ilay sakadia ka fantany ny misy ny hazany, na dia any ambanin’ny tany aza

  • Mimeomeo mafy izy rehefa mitady vady. Iny feony maranitra iny no ren’ny sakadia vavy, na dia avy lavitra aza

  • Miaro an’ilay sakadia tsy hilentika any anaty fasika ny volo amin’ny faladiany sady miaro azy amin’ny fasika mahamay na mangatsiaka be

  •  Feno volo fotsifotsy matevina ny atisofiny. Miaro azy amin’ny fasika tsofin’ny rivotra izany

  • Sarotra arahina ny dian’io sakadia io satria rakotra volo matevina ny faladiany, ka zara raha tazana ny dian-tongony

  • Ny rano avy amin’ny hazany dia efa mahavelona azy

  • Mety hahatratra 80 degre ny hafanan’ny fasika any an-tany efitr’i Karakoum. Mety hidina 25 degre ambanin’ny zero koa anefa ny mari-pana