Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Jolay 2013

 MATOAN-DAHATSORATRA

Vahaolana ve ny Mitokona?

Vahaolana ve ny Mitokona?

Tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mamoaka an’ity gazety ity. (Jaona 17:16; 18:36) Mitantara fihetsiketsehana vitsivitsy àry ity lahatsoratra ity, nefa tsy hoe miandany amin’ny firenena iray na manohana hevitra ara-politika iray.

TOVOLAHY 26 taona i Mohamed Bouazizi ary mpivarotra amoron-dalana tany Tonizia. Kivy izy satria tsy nahita asa tsara. Fantany koa fa tsy mety ny ataon’ireo manam-pahefana manao kolikoly. Noraofin’ny polisy ny poara sy akondro ary ny paoma namidiny, ny marainan’ny 17 Desambra 2010. Nalain’izy ireo koa ny mizanany ka nanohitra izy, nefa nofelahan’ny polisy vavy iray. Tsy tantiny intsony àry ny nanjo azy.

Menatra i Mohamed sady tezitra ka nandeha nitaraina tany amin’ilay biraom-panjakana teo akaiky teo. Tsy nisy nihaino anefa izy. Voalaza fa nankeo anoloan’ilay birao izy ary nivazavaza hoe: “Dia inona izany no hivelomako?” Norarahany lasantsy ny tenany, avy eo, ary nodorany. Maty izy, telo herinandro latsaka taorian’izay.

Nisy vokany teo amin’ny mponin’i Tonizia sy ny manodidina ny zavatra nataon’i Mohamed Bouazizi. Maro no mihevitra fa iny fihetsiny iny no nahatonga ny vahoaka hikomy ka nampiongana ny fitondrana tany Tonizia. Tsy ela dia nisy korontana koa tany amin’ny firenena arabo hafa. Notoloran’ny Parlemanta Eoropeanina ny Loka Sakharov Momba ny Fahalalahana Haneho Hevitra i Mohamed sy ny olon-kafa efatra, tamin’ny 2011. Izy koa no nantsoin’ny gazety Ny Fotoana (anglisy) any Londres hoe olon’ny taona 2011.

Mety hisy vokany lehibe àry ny fitokonana. Fa nahoana ny olona no lasa tia mitokona, tato ho ato? Misy vahaolana hafa ve?

 Nahoana no lasa tia mitokona ny olona?

Anisan’ny mahatonga an’izany ireto:

  • Tsy afa-po amin’ny rafitra misy eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy dia te hitokona ny olona rehefa hitany hoe manome izay ilainy ny mpitondra ary mahay mitantana. Ny manam-pahefana no hatoniny rehefa manana olana izy. Lasa mikomy anefa ny vahoaka raha tsapany hoe tsy mety sy tsy rariny ny ataon’ny mpitondra, ary olom-bitsy ihany no mahazo tombontsoa.

  • Misy mandrisika. Matetika no misy zava-mitranga mahatonga ny vahoaka hahatsapa hoe mila manao zavatra izy ireo fa tsy hiaritra intsony. Nahatonga hotakotaka be tany Tonizia, ohatra, ilay zavatra nataon’i Mohamed. Nitokona tsy nihinan-kanina koa i Anna Hazare, mpitari-tolona tany Inde, mba hiadiana amin’ny kolikoly. Nirotaka àry ireo mpanohana azy tany amin’ny tanàna 450.

    Efa ela ny Baiboly no nilaza fa ‘hanjakazaka amin’ny namany ny olona ka hampiditra loza aminy.’ (Mpitoriteny 8:9) Izany no iainantsika ankehitriny. Vao mainka betsaka izao ny kolikoly sy ny tsy rariny. Takatry ny olona kokoa hoe mandiso fanantenana azy ireo ny rafitra ara-politika sy ara-toe-karena. Lasa misy vokany any amin’ny faritra maro izao ny zava-mitranga eran-tany, na dia any amin’ny faritra mitokana be aza, noho ny Internet sy ny finday ary ny fampielezam-peo milaza vaovao tsy an-kiato.

Ny vokatry ny fitokonana

Ireto avy no lazain’ireo mpanao fihetsiketsehana fa vokatry ny fitokonana:

  • Mandray soa ny mahantra. Nirotaka ireo mpanofa trano tany Chicago, any Etazonia, nandritra an’ilay Olana Ara-toe-karena Lehibe taorian’ny 1930. Naaton’ny manam-pahefana àry ilay fandroahana olona tamin’ny tranony ary nomeny asa ny mpirotaka sasany. Nisy rotaka nitovy tamin’io koa tany New York, ka fianakaviana 77 000 no naverina tao amin’ny tranony.

  • Nampiharina ny rariny. Nitokona tsy nety nandeha bisy ny mponina sasany tany Montgomery, any Etazonia, tamin’ny 1955 sy 1956. Tsy nanan-kery intsony àry ireo lalàna manavaka ny toeran’ny olona ao anaty bisy.

  • Natsahatra ny tetikasa fanorenana. Olona an’aliny no nirotaka tamin’ny Desambra 2011, satria tsy neken’izy ireo ny hanorenana foiben-kerinaratra mandeha amin’ny arintany, tany akaikin’i Hong-Kong. Nanahy mantsy izy ireo sao hanimba ny tontolo iainana izany. Nofoanana àry ilay tetikasa.

Mety hahazo izay takiny ny mpanao fihetsiketsehana sasany. Manana vahaolana tsara kokoa anefa ny Fanjakan’Andriamanitra

 Tsy hoe mahazo izay takiny foana anefa ireo mpikomy. Mety hanafay azy ireo kosa ny mpitondra. Vao haingana, ohatra, no nisy rotaka tany amin’ny firenena iray any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, ka hoy ny mpitondra tany: “Tsy maintsy manao zavatra hentitra isika!” Olona an’arivony no maty tamin’ilay rotaka.

Marina fa mety hahazo izay iriny ireo mpitolona. Mety hiteraka olana anefa ilay zavatra niriny. Anisan’ny nanongam-panjakana tatsy Afrika ny lehilahy iray. Hoy izy tao amin’ny gazetiboky Fotoana (anglisy), momba an’ilay fitondrana vaovao: “Tanteraka ny nofinofy, nefa tsy ela dia nisy olana be.”

Misy fomba tsara kokoa hamahana olana ve?

Maro ny olo-malaza mihevitra fa ilaina ny mikomy rehefa manao ny tsy rariny ny fitondrana. Nigadra an-taonany maro, ohatra, i Václav Havel, filoha tseky efa nodimandry, noho izay nataony mba hiarovana ny zon’olombelona. Izao no nosoratany tamin’ny 1985: ‘Ny tenany ihany no azon’ilay mpikomy atao sorona. Izay ihany no azony atao mba hanamafisana hoe marina ny hevitra ijoroany.’

Manamarina ny tenin’i Havel ny zavatra nataon’i Mohamed Bouazizi sy ny hafa. Tsy faly noho ny didy jadon’ny mpitondra  fivavahana sy ny mpanao politika ny olona tany amin’ny tany iray any Azia, ka maromaro no nandoro tena. Niresaka ny antony nanaovan’izy ireo an’izany ny lehilahy iray, tao amin’ny gazetiboky Herinandrom-baovao (anglisy). Hoy izy: ‘Tsy manana basy izy ireo sady tsy te hanisy ratsy olona. Ka inona àry no azony atao?’

Resahin’ny Baiboly ny fomba hanafoanana ny tsy rariny sy ny kolikoly ary ny fampahoriana. Lazainy fa hanorina fitondrana any an-danitra Andriamanitra. Izy io no hisolo ny fitondran’olombelona tsy mahomby, izay mahatonga ny olona hikomy. Hoy ny faminaniana iray momba ny Mpitondra azy io: “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy. Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”—Salamo 72:12, 14.

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no tena azo antenaina hitondra fiadanana. (Matio 6:9, 10) Tsy mandray anjara amin’ny rotaka na fitokonana àry izy ireo. Mety ho toa tsy mampino ilay hoe hahavita hanafoana an’ireo antony hikomian’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra. Maro anefa no lasa natoky azy io. Nahoana raha ianao mihitsy no manamarina raha azo itokisana io Fanjakana io na tsia?