Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampirisihina Hanao ny Tsy Marina

Ampirisihina Hanao ny Tsy Marina

Ampirisihina Hanao ny Tsy Marina

“Efa lany andro ny fanaovana ny marina eo amin’ny asa. Tsy hahomby izay miezaka ny hanao izany.”—Stephen, Etazonia.

EKENAO ve izany? Mety hahazoan-tombony tokoa ny fanaovana ny tsy marina, na dia vetivety ihany aza. Toa voatery manao an’izany àry ireo miezaka hanao ny marina. Diniho ireto lafin-javatra ireto:

Alaim-panahy. Iza no tsy te hanana vola na zavatra betsaka kokoa? Mety ho sarotra ny handa rehefa misy manome vola amin’ny fomba tsy ara-dalàna.

● “Izaho no manapa-kevitra hoe iza no hiara-miasa amin’ny orinasa iasako. Imbetsaka aho no misy manome tsolotra. Sarotra amin’ny olona maro ny handa zavatra toy izany.”—Franz, Moyen-Orient.

Te hahazo tombony faran’izay betsaka. Niady mafy tamin’ny olana ara-toe-karena ny orinasa maro eran-tany, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Miova foana koa ny teknolojia ary mitombo ny fifaninanana eo an-toerana sy iraisam-pirenena. Mety hieritreritra ny olona hoe tsy maintsy manao ny tsy marina izy vao hahavita an’izay takin’ny mpampiasa azy.

● “Nieritreritra izahay hoe ho bankirompitra raha tsy nanao an’ilay izy.”—Reinhard Siekaczek, voasambotra noho ny kolikoly.—Ny Gazetin’i New York (anglisy).

Ampirisihin’ny hafa. Mety hampirisika na hangataka anao tsy hanara-dalàna miaraka aminy ny mpiara-miasa na ny mpanjifa.

● “Nanatona ahy ny mpiandraikitra ny orinasa lehibe iray ary nilaza tamiko hoe tsy hiara-miasa amiko intsony izy raha tsy omeko azy ny ‘anjarany’, izany hoe omeko vola an-tsokosoko izy.”—Johan, Afrika Atsimo.

Efa kolontsaina. Fanao any amin’ny tany sasany ny mifanome falimpo rehefa mifampiraharaha eo amin’ny resaka varotra. Tsy fantatra intsony anefa indraindray hoe falimpo ve ilay izy sa tsolotra, noho ny habetsahan’ilay fanomezana sy ny fotoana anomezana azy. Tia vola ny manam-pahefana maro ka mangata-bola alohan’ny hanaovany ny asany, na mikarakara tsara rehefa omena vola.

● “Sarotra foana ny manavaka ny falimpo sy ny kolikoly.”—William, Kolombia.

Ny fiainana. Ireo mipetraka any amin’ny tany mahantra be na any amin’ny firenena misy korontana no tena alaim-panahy hanao kolikoly. Mety hoheverina ho tsy mahay mamelom-bady aman-janaka izay tsy mety mandainga na mangalatra.

● “Heverina ho ara-dalàna sy tena ilaina ary azo atao ny manao ny tsy marina rehefa tsy tratra ianao.”—Tomasi, Congo Kinshasa.

Tsy zava-dehibe intsony ny manao ny marina

Misy vokany be eo amin’ny olona ny fanerena azy hanao ny tsy marina. Nohadihadina ny talen’ny orinasa tany Aostralia ka hita fa ny 90 isan-jaton’izy ireo no mihevitra ny kolikoly ho “ratsy saingy tsy azo ialana.” Nilaza koa izy ireo fa vonona hamono eritreritra rehefa misy fifanarahana tiany ho azo na rehefa misy tombony ho an’ny orinasany.

Matetika anefa no mihevitra ny tenany ho olo-marina ireo manao ny tsy marina. Ahoana no hampandriany ny sainy? Hoy ny gazety iray momba ny varotra: “Tsy manara-dalàna ny olona rehefa te hahazo tombony. Tereny anefa ny sainy mba hiaiky hoe manara-dalàna izy.” Mitady fomba maro hanalana tsiny na hanamaivanana na hanamarinana ny zavatra tsy ara-dalàna ataony ny olona, mba hampandriana saina.

Teny tsy dia manafintohina, ohatra, no ilazana ny fanaovana ny tsy marina. Lazaina hoe “manamora zavatra” na “mifaninana” fotsiny ny olona mandainga na mamitaka, ary hoe “manome kely” ny olona manao tsolotra.

Ny hafa kosa manala tsiny ny ratsy ataony ka manitatra ny hevitry ny hoe manao ny marina. Hoy i Tom, mpiasan’ny orinasa iray mpitantam-bola: “Mihevitra ny olona fa manao ny marina izy rehefa tsy tratran’ny fanjakana, na dia tsy manara-dalàna aza.” Hoy koa i David, lehiben’ny orinasa iray taloha: “Heverina ho olon-dratsy ny olona manao ny tsy marina rehefa tratra. Heverina fa mety kosa ny ataony rehefa tsy tratra izy. Lazaina fa mahay ‘mitady hevitra’ izay mahay miala.”

Olona maro aza no hilaza fa tsy maintsy manao ny tsy marina izay te hahomby. Hoy ny mpandraharaha iray hatramin’ny ela: “Matetika ny olona tia mifaninana no mihevitra fa tsy maintsy manao izay azo atao izy mba hahazoana asa.” Marina ve izany? Sa ‘mamita-tena amin’ny fiheveran-diso’ ireo miezaka manala tsiny ny fanaovana ny tsy marina? (Jakoba 1:22) Diniho ny soa azon’ireo manao ny marina, araka ny asehon’ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 5]

“Mihevitra ny olona fa manao ny marina izy rehefa tsy tratran’ny fanjakana, na dia tsy manara-dalàna aza”

[Sary, pejy 5]

Maro no hilaza fa tsy maintsy manao ny tsy marina izay te hahomby