Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Nilaza ny 76,3 isan-jaton’ny olona nohadihadina tany Alemaina fa “tsy mampaninona mihitsy” ny milalao fitia ary “tsy voafatopatotra mihitsy” ireo manao izany. Efa ho ny antsasak’ireo nohadihadina no nilaza fa tsy maninona raha milalao fitia amin’olon-tsy fantany ny olona manambady.—APOTHEKEN UMSCHAU, ALEMAINA.

Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Rosia fa efa ho ny antsasaky ny mponina any no mihevitra fa lasa “ampoizina foana” ny fanafihan’ny mpampihorohoro ary efa lasa “mahazatra.”—KOMMERSANT, ROSIA.

Tsy te ho tratran’ny mpiambina sisin-tany ny Meksikanina mpanondrana zava-mahadomelina ka nanandrana fomba vaovao, izay “mampahatsiahy antsika ny fanaon’ny mpiady fahiny.” “Pilotra lehibe” misy lasitika matanjaka be, entina amin’ny kamiao, no ampiasainy “hanipazana zava-mahadomelina mianavaratra” mihoatra ny sisin-tany amerikanina.—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, ETAZONIA.

“Ny roa ampahadimin’ny vehivavy bevohoka” any New York no manala zaza. “Zara raha niova izany tato anatin’ny folo taona mahery.”—THE NEW YORK TIMES, ETAZONIA.

Gaga ireo mpamono bibikely rehefa nantsoina mba hisambotra fosa tany amin’ny rihana faha-72 amin’ny tranobe iray mbola tsy vita, tany Londres. “Nivelona tamin’ny poti-kanin’ireo mpanao trano” ilay biby. Nosamborina ilay izy ary navotsotra teo akaiky teo.—THE TELEGRAPH, LONDRES.

Mahazo Milatsaka Hofidina ny Pretra Ortodoksa any Rosia

Hoy ny masoivohom-baovao RIA Novosti: “Mamela ny mpitondra fivavahana ao aminy hirotsaka hofidina ny Konsilin’ny Evekan’ny Eglizy Ortodoksa any Rosia, amin’ny toe-javatra maningana, mba hiarovana ny fiangonana tsy hisaratsaraka sy tsy hiharan’ny loza mivantana hafa.” Nilaza ireo eveka fa azo atao izany rehefa misy “olona te hampisaratsaraka ny fiangonana” ka mila “toherina”, na misy “fivavahana mitady hampiasa ny fahefany eo amin’ny fanjakana mba hamelezana ny Eglizy Ortodoksa.”

Olana Vaovao Mifandray Amin’ny Lalàna

Tsy nampino hoe handroso be toy izao ny siansa eo amin’ny resaka fananahana. Nampisy olana mifandray amin’ny lalàna izany. Hoy ny gazety The Wall Street Journal: “Mihamaro isan-taona ny zaza teraka avy amin’ny tsirilahy na fanjary tsaika notehirizina amam-bolana na aman-taonany. Efa misy maty ny ray aman-drenin’ilay zaza indraindray. Ilay ray izany matetika.” Mahazo fanampiana isam-bolana avy amin’ny fiantohana sosialy ny kamboty sasany any Etazonia. Tsy mitovy kosa ny lalàn’ireo fanjakana any momba ny hoe homena fanampiana ilay zaza sa tsia, raha maty talohan’ny niforonany ny rainy na ny reniny. Hoy i Sonny Miller, mpahay lalàna any Minnesota: “Lasa lavitra loatra ny teknolojia, ka lasa misy toe-javatra tsy noeritreretin’ny mpanao lalàna.”