Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maro no Manao ny Tsy Marina

Maro no Manao ny Tsy Marina

Maro no Manao ny Tsy Marina

Miasa ao amin’ny tranombarotra lehibe iray any Hong-Kong i Danny. * Nitsidika orinasa iray mety ho afaka hamatsy an’ilay tranombarotra izy, ary nilaza fa mety tsy hahafeno ny fepetra notakin’ilay tranombarotra ilay orinasa. Nomen’ny lehiben’ilay orinasa valopy iray i Danny rehefa nisakafo. Vola an’aliny dolara no tao. Mitovy amin’ny karaman’i Danny herintaona izany.

● Fahita ny toy izany. Mahazendana ny hoe fahita eran-tany ny kolikoly, ary misy sahy manome vola be amin’izany. Hita amin’ny antontan-taratasin’ny fitsarana, ohatra, fa nanao tsolotra 1 400 tapitrisa dolara ny orinasa lehibe iray any Alemaina, teo anelanelan’ny 2001 sy 2007, rehefa nitady olona hanao fifanarahana aminy.

Marina fa mba misy fiovana kely rehefa lasa resa-be ny momba ny olona tratra nanao kolikoly. Toa vao mainka anefa betsaka ny kolikoly, amin’ny ankapobeny. Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Mangarahara Iraisam-pirenena tamin’ny 2010 fa “nitombo ny fanaovana kolikoly [eran-tany] tato anatin’ny telo taona.”

Nahoana no be dia be no manao ny tsy marina? Mahasoa ve ny manao ny marina? Raha eny, ahoana no hetezan’izany? Afaka manampy antsika ve ny Baiboly?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana sasany ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.