Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Sambo Sarobidy Hita Tany Galilia

Ilay Sambo Sarobidy Hita Tany Galilia

Ilay Sambo Sarobidy Hita Tany Galilia

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ISRAELY

TEO amin’ny Ranomasin’i Galilia no nitranga ny sasany tamin’ireo fisehoan-javatra nahavariana indrindra nandritra ny fanompoan’i Jesosy. Teny ambonin’io farihy io ny Zanak’Andriamanitra no nandeha an-tongotra sy nampitony rivo-mahery, ary teny akaikin’ny morony izy no nanasitrana marary sy namahana olona an’arivony tamin’ny fomba mahagaga.

Nahitana zavatra tsy nampoizina tao amin’ny fanambanin’io farihy io, tamin’ny 1986. Sambo niasa teo amin’ny Ranomasin’i Galilia tamin’ny fotoana nanompoan’i Jesosy teto an-tany ilay izy. Teo akaikin’ny tanànan’i Kapernaomy fahiny no nahitana ilay sambo. Ahoana no nahitana azy io? Ary inona no ianarantsika avy amin’izy io?

Hita noho ny hain-tany

Nisy hain-tany tamin’ny fahavaratry ny taona 1985, ary kely dia kely ny rotsak’orana nandritra ny taona maromaro talohan’izay. Nisy fiantraikany tamin’ny Ranomasin’i Galilia izany. Avy ao amin’io farihy io koa ny olona no mitarika rano hanondrahana tanimboly, noho izy io tsy masira. Ritra àry ilay farihy, ka niseho ny fotaka tao amin’ny fanambaniny. Nisy mpirahalahy, nonina tsy lavitra teo, nanararaotra izany mba hitadiavana zava-tsarobidy mety ho nilevina tao. Nikarokaroka tany anaty fotaka izy ireo, ka nahita vola vita amin’ny halimo, sy fantsika vitsivitsy efa tranainy. Hitany avy eo ilay sambo. Ny sisiny ihany aloha no hitany, satria nilevina tao anaty fotaka ny vatany manontolo. Tena nahita zava-tsarobidy izy ireo!

Nateza nandritra ny 2 000 taona ilay sambo. Tsy nanampo hahita izany tao amin’ny Ranomasin’i Galilia mihitsy ireo mpikaroka zavatra any ambanin’ny tany. Nihevitra mantsy izy ireo fa rehefa mety ho hazo dia tsy maintsy ho efa simban’ny bibikely, ao anatin’ny fotoana lava be toy izany. Rehefa avy nandinika an’ilay sambo sy ilay vola anefa ny manam-pahaizana, dia nanatsoaka hevitra fa efa nisy tamin’ny taonjato voalohany T.K. ilay izy, na taonjato voalohany A.K. Tena mahagaga fa tsy simba ny vatan’ilay sambo. Ahoana no nahatonga izany?

Tsy nikorontana firy angamba ny rano teo amin’ny toerana nisy io sambo io, ka izany no nahatonga ny vatany ho rakotra fotaka miharo tanimanga. Nihamafy ilay fotaka rehefa nandeha ny fotoana. Voatahiry nandritra ny 2 000 taona teo ho eo àry io sambo tranainy io!

Rehefa niely ny vaovao momba ny nahitana io sambo io, dia nomena anaram-bosotra hoe Sambon’i Jesosy ilay izy. Mazava ho azy aloha, fa tsy nisy olona nieritreritra hoe io mihitsy no sambo nampiasain’i Jesosy na ny mpianany. Na izany aza, dia nanjary nahaliana ny mpahay tantara sy ny manam-pahaizana momba ny Baiboly ilay izy, satria efa nisy tamin’ny andron’i Jesosy, ary misy itovizany amin’ireo sambo voaresaka ao amin’ny Filazantsara.

Mirefy 8,2 metatra ny halavan’ilay sambo, ary 2,3 metatra ny sakany. Raha ny fomba mahazatra fandrafetana sambo, dia ny tanjany aloha no amboarina, izay vao arafitra eo amboniny ny hazo fisaka, na ny vatany. Ity sambo hita tany Galilia ity anefa, dia ny vatany aloha no narafitra, izay vao napetaka avy tao anatiny ny tanjany. Toy izany matetika no fomba nandrafetana ny sambo niasa teo amin’ny Ranomasina Mediterane. Natao hiasa teo amin’ny farihy anefa ilay sambo hita tany Galilia, ka nety ho namboarina nifanaraka tamin’izany.

Azo antoka fa lay tokana miendrika efamira no nampiasaina tamin’ilay sambo. Nahitana fivoizana efatra koa tamin’ilay izy, ka hita avy amin’izany fa tantsambo dimy, fara fahakeliny, no nilaina mba hampandeha azy. Efatra no mpivoy, niampy mpanamory iray. Nahazaka olona valo na maherin’izany anefa ilay sambo. Azo inoana fa sambo nitovy habe tamin’io no nandehanan’ny mpianatr’i Jesosy fito tamin’izy ireo nanarato, ka nahita an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty.—Jaona 21:2-8.

Nisy toerana marin-tampona teo amin’ny vodisambo, ary teo no nampirimana ny harato lehibe fanjonoana. Nisy efitra kely tao ambanin’izy io, ka afaka niala sasatra tao ny mpanarato rehefa reraka. Tao amin’io toerana amin’ny ‘vodisambo’ io angamba no ‘natory niondana i Jesosy’, rehefa nisy tafio-drivotra mahery indray mandeha. (Marka 4:38) Mety ho gonim-pasika no ‘niondanany’, araka ny hevitry ny olona sasany. Nasiana an’ireny mantsy tao anaty sambo mba tsy hihilangilana. *

Ireo mpanarato teo amin’ny Ranomasin’i Galilia

Alao sary an-tsaina hoe nandeha sambo iray toy izany ianao tamin’ny taonjato voalohany. Inona no mety ho hitanao rehefa eny afovoan’ny Ranomasin’i Galilia ianao? Hahita mpanarato manipy ny haratony ianao. Ny sasany mandeha amin’ny sambokely, ary ny hafa miroboka eny amin’ny rano marivo. Havanana tokoa izy ireo, satria amin’ny tanany ilany fotsiny no anipazany ilay harato boribory, izay mavesatra sady manana savaivo mirefy enina ka hatramin’ny valo metatra. Mivelatra tsara eo ambonin’ny rano ilay harato rehefa atsipy, ary avy eo milentika ka mamabo trondro. Mitarika ny haratony mankeny amoron-drano ny mpanarato mba hanangonana ny trondro azony, na mety hidina ao anaty rano izy ireo ary akariny mankao anaty sambo ny harato miaraka amin’ny trondro ao anatiny. Mitovy amin’izany angamba no nataon’i Simona sy Andrea, rehefa mitantara ny Baiboly hoe “nanipy” ny haratony izy ireo.—Marka 1:16.

Mety hahita mpanarato maromaro manomana harato tarihina koa ianao. Mafana erỳ ny resak’izy ireo eo am-panaovana izany. Mety hahatratra 300 metatra ny halavan’ireny harato ireny, ary valo metatra ny sakany eo afovoany. Misy tady fisintonana azy eo amin’ny andaniny roa. Mifidy ny toerana hakany trondro aloha ireo mpanarato. Mankeny amin’ny morony ny antsasak’izy ireo, avy eo, ary mitazona ny tady fisintonana iray. Voizina mankeny afovoan’ilay farihy ny sambo mba hamelarana tsara an’ilay harato manontolo. Aorian’izay, dia mihodina ilay sambo ary misarika moramora an’ilay harato mankeny amin’ny morony. Miendrika antsasaka faribolana ilay harato amin’izay. Midina ny sambo ireo mpanarato hafa mitana ilay tady fisintonana faharoa. Mifanatona amin’izay ireo mpanarato amin’ny andaniny roa, ary misintona ny harato miaraka amin’ny trondro ao anatiny.—Matio 13:47, 48.

Mahatazana mpanjono mampiasa haran-jono kosa ianao erỳ lavidavitra. Indray mandeha, dia naniraka an’i Petera i Jesosy mba hanipy lelam-pitana tao amin’io ranomasina io indrindra. Talanjona tokoa i Petera, tamin’izay, rehefa nahazo trondro, ary nisy vola madinika volafotsy tao am-bavan’ilay izy. Ampy tsara nandoavana ny hetran’ny tempoly ilay vola.—Matio 17:27.

Mangina eo amin’ilay farihy rehefa hariva ny andro. Manapaka tampoka an’izany fahanginana izany anefa ny tabataba ataon’ireo mpanarato. Eny ambony sambo izy ireo no mingodongodona sy mikapokapoka mafy ny rano amin’ny fivoizany. Fa nahoana? Avy nametraka harato fandrika izy ireo, ary manao kotaba mba hampitahorana ny trondro. Tafiditra ao anaty harato izy ireny rehefa mitsoaka. Mitsangana mantsy ny fametrahana ilay harato, ary tsy hita ilay izy rehefa maizina. Mora voasaringotra ny trondro rehefa tafiditra ao. Averimberina alatsaka izy io mandritra ny alina. Sasana ilay izy rehefa maraina, ary ahantona mba ho maina. Mety hanontany àry ianao hoe: ‘Harato fandrika ve no nampiasain’ny mpianatr’i Jesosy, tamin’izy ireo nahazo trondro tamin’ny fomba mahagaga, voaresaka ao amin’ny Lioka 5:1-7?’

Narenina ilay sambo

Hiverina hiresaka momba ilay sambo hita tany Galilia isika. Natao ahoana izy io? Marina fa tsy nisy simba ilay izy, kanefa nalemy toy ny baoritra mando ny vatany. Tsy nety àry raha tonga dia noloarana avy tao anaty fotaka ilay izy. Tena hampalahelo tokoa raha ho simba mandritra ny fanesorana azy avy ao anaty fotaka ilay sambo, nefa mba efa nateza be! Nananganana fefiloha àry nanodidina ny toerana nisy azy io, satria natahorana hiakatra indray ny ranon’ilay farihy. Nesorina ny tany sasany tao ambanin’ilay sambo, ary nanatsofohana tohana vita amin’ny fitaratra. Nodiovina tsara avy eo ny fotaka tamin’ny vatany, ary nolalorina rihitra plastika ny atiny sy ny ivelany.

Nila nobataina 300 metatra niala teo amin’ny toerana nisy azy izao ilay sambo, mba hahafahana hikarakara ny fitahirizana azy. Sarotra ny nanao izany satria narefo ilay izy. Marina aloha fa mafy ilay plastika nahosotra azy, nefa mety hisamatsamaka ilay hazo marefo raha misy fihetsika mahery tampoka eo am-pibatana azy. Nahita hevitra tsara àry ireo mpikarakara an’ilay sambo. Novakin’izy ireo ilay fefiloha, mba hidiran’ny rano. Sambany tao anatin’ny an-jatony taona, vao nitsinkafona teo ambonin’ny Ranomasin’i Galilia indray ilay sambo, ary plastika maoderina no nandrakotra azy.

Nanamboatra dobo tamin’ny simenitra ireo tompon’andraikitra mba hametrahana ilay sambo, hahafahana hikarakara ny fitahirizana azy. Naharitra 14 taona izany fikarakarana izany. Nanjary feno olitra moka anefa ilay dobo, ka niteraka olana ho an’ireo mpikarakara, izay tsy maintsy niroboka tao anatin’ilay rano. Nahita hevitra hafakely sy tsy tontan’ny ela anefa izy ireo. Niompiany karazana tilapia tao amin’ilay dobo, ary ireny trondro ireny no nihinana ireo olitra sy nanadio ilay rano.

Tsy ela dia tonga ny fotoana anamainana an’ilay sambo. Mbola faran’izay narefo anefa ilay izy, ka tsy azo navela ho maina amin’izao. Tsy maintsy nosoloana tamin-javatra hafa àry ny rano namonto ny hazon’ilay sambo. Novontosana ranon-tsavoka ilay izy, amin’izay dia tsy hiova ny endriny na dia maina aza.

Rehefa vita ny fikarakarana ny fitahirizana azy, dia naseho ampahibemaso amin’izay ilay sambo, izay somary tsotsotra ihany. Karazan-kazo 12 no nanamboarana azy io. Nahoana? Angamba tsy dia nisy loatra ny hazo tamin’izany, na olona tsy nanan-karena no tompony. Namboarina imbetsaka ny simba tamin’ilay sambo, talohan’ny naharendrika azy.

Marina fa mety tsy hisy ifandraisany mivantana amin’i Jesosy io sambo hita tany Galilia io. Sarobidy anefa izy io ho an’ny olona maro. Ahafantarana ny zava-nisy taloha ilay izy, ary ahazoana sary an-tsaina ny fiainana teo amin’ny Ranomasin’i Galilia tamin’ny fotoana nandalovan’i Jesosy teto an-tany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Teny Amin’ny Ranomasin’i Galilia”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2005, pejy 8, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 15]

Nitandrina tsara ireo mpiasa rehefa nanala ny fotaka avy tao anatin’ilay sambo

[Sary, pejy 15]

Nolalorana rihitra plastika ny atiny sy ny ivelany

[Sary, pejy 15]

Nitsinkafona indray ilay sambo, 2 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana

[Sary, pejy 15]

Izao no mety ho endrik’ilay sambo tamin’ny taonjato voalohany

[[Sary, pejy 15]

Ilay sambo taorian’ny fikarakarana ny fitahirizana azy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Ny sary rehetra, afa-tsy ilay modelin-tsambo, dia avy amin’ny Israel Antiquities Authority - The Yigal Allon Center, Ginosar