Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Tamin’ny Fangejan’ny Fankahalana

Afaka Tamin’ny Fangejan’ny Fankahalana

Afaka Tamin’ny Fangejan’ny Fankahalana

NOTANTARAIN’I JOSÉ GOMEZ

TERAKA tamin’ny 8 Septambra 1964 aho, tany Rognac, tanàna kely any amin’ny faritra atsimon’i Frantsa. Tzigane avy any Andalousie ny ray aman-dreniko sy ny raibeko ary koa ny renibeko. Tany Alzeria sy Maroc, any Afrika Avaratra, izy ireo no teraka. Tsy nisara-mianakavy ny fianakaviambenay, satria izany no fomban’ny Tzigane.

Nahery setra be i Dada, ary tadidiko fa namono an’i Mama foana izy tamin’izahay mbola kely. Nanapa-kevitra ny hisaraka taminy i Mama tamin’ny farany, na dia tsy dia mahazatra ny Tzigane aza izany. Nentin’i Mama nankany Belzika izahay telo mianadahy, ary nilamina erỳ ny fiainanay tany nandritra ny valo taona.

Niova anefa ny fiainana tatỳ aoriana. Te hahita an’i Dada izahay ankizy, ka nentin’i Mama niverina tany Frantsa ary nifampody indray izy sy i Dada. Nanahirana ahy ny niara-nipetraka tamin’i Dada indray. Niaraka tamin’i Mama foana mantsy izahay tany Belzika, nefa tamin’ny fianakavian’i Dada, dia ny lehilahy samy lehilahy ihany no mahazo miara-manao zavatra. Tia manjakazaka ry zareo, ka aminy dia manana ny zo rehetra ny lehilahy, fa ny vehivavy kosa mpanao raharaha. Indray hariva àry aho dia nolazain’ny dadatoako fa sarim-bavy, na karazan’itony lehilahy mpiray amin’ny lehilahy itony. Nanampy ny nenitoako nanadio latabatra sy nanasa vilia mantsy aho tamin’izay, rehefa avy nisakafo hariva. Ny vehivavy ihany no tokony hanasa vilia any amin’ny fianakavian-dry zareo. Nanjary nifindra tamiko izany fomba fisaina izany.

Nizaka ny herisetran’i Dada indray i Mama, taoriana kelin’ny nifindranay. Mba nisalovana izahay mirahalahy indraindray, nefa tsy maintsy nitsoaka avy teny am-baravarankely fa raha tsy izany dia nasian’i Dada ny totohondry. Niaritra an’izany koa ny anabavinay. Tsy mba nijanona tao an-trano mihitsy aho, raha mbola azoko natao. Tsy nisy tanjona àry ny fiainako tamin’izaho 15 taona.

Nanjary nalaza ho nahery setra aho tatỳ aoriana. Nahafinaritra ahy ny nampijaly kely. Nila ady tsotra izao tamin’ny ankizilahy aho indraindray. Vitsy ihany anefa no sahy niady tamiko, satria matetika aho no nitondra antsy na rojo. Nanomboka nangalatra fiara aho avy eo, ary namidiko izay azoko. Nodorako fotsiny izy ireny indraindray, ary finaritra erỳ aho nijery ny mpamono afo namonjy azy. Nandroba fivarotana sy trano fanatobiana entana koa aho. Imbetsaka aho no voasambotra. Nivavaka tamin’Andriamanitra foana anefa aho mba hanampy ahy!

Nino an’Andriamanitra tokoa aho. Tany amin’ny sekolim-pinoana aho no nianatra tamin’izahay tany Belzika, ka fantatro tsara fa ratsy ny nataoko. Tsy mba nisy vokany tamin’ny fitondran-tenako anefa ny finoako an’Andriamanitra. Nieritreritra aho hoe mifona fotsiny aho dia ho voavela ny heloko.

Nangalatra aho ka voaheloka higadra nandritra ny 11 volana, tamin’ny 1984. Nalefa tany amin’ny Fonjan’i Les Baumettes any Marseille, aho. Nasiako tombokavatsa ny tenako tany am-ponja. Nisy soratra, ohatra, tamin’ny tenako, hoe: “Fankahalana sy valy faty.” Tsy nanova ahy mihitsy ny fonja, fa vao mainka aza nanamafy ny fankahalako ny fahefana sy ny fiaraha-monina. Telo volana ihany aho no nigadra, ary vao mainka aho tena nankahala olona rehefa nafahana. Tamin’izay no nisy loza nitranga, nanova tanteraka ny fiainako.

Hamaly faty no lasa tanjoko

Nisy zavatra nampiady ny fianakavianay sy ny fianakaviana tzigane iray. Nanapa-kevitra ny hihaona tamin’izy ireo izaho sy ireo dadatoako mba handaminana izany. Samy nitondra fiadiana ny fianakaviana roa tonta. Raikitra ny ady, ka maty voatifitra ny dadatoako atao hoe Pierre sy ny zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Dada. Nentim-po be aho, ka nijoro teny amin’ny arabe sady nitana basy no romotra ary nikiakiaka. Nosintonin’ny dadatoako anankiray ilay basy tetỳ amiko tamin’ny farany.

Nalahelo mafy aho noho ny nahafatesan’i Dadatoa Pierre, satria toy ny dadako mihitsy no niheverako azy. Nisaona araka ny fanaon’ny Tzigane aho, ka tsy niharatra sady tsy nihinan-kena mihitsy nandritra ny andro maro. Tsy nety nijery tele sy nihaino mozika koa aho. Nivoady aho fa tsy maintsy hamaly faty an’izay namono ny dadatoako. Nanao izay tsy hahazoako basy mihitsy anefa ny havako.

Nanomboka nanao raharaha miaramila aho tamin’ny Aogositra 1984. Niditra ho anisan’ny tafika mpampandry tany nampiasain’ny Firenena Mikambana tany Liban aho, rehefa feno 20 taona. Vonona hamono olona aho ary tsy natahotra ny ho faty koa. Mpifoka rongony be aho tamin’izany fotoana izany. Nahatsiaro ho sambatsambatra aho rehefa nifoka, sady nihevitra aho hoe tsy ho tra-doza mihitsy.

Tsy sarotra ny nahazo fiadiana tany Liban, ka nanapa-kevitra aho fa handefa fiadiana any Frantsa hamitako ny valy faty tiako hatao. Nividy poleta roa sy bala aho. Nosaratsarahiko ireo poleta ireo aloha ary nafeniko tao anaty radio, izay vao nalefako tany aminay.

Nandeha tany ivelan’ny toby izaho sy ny namako telo lahy nefa tsy niera, tapa-bolana tsy hahavitan’ny raharaha miaramila nataoko. Nogadraina àry izahay rehefa niverina. Tezitra be aho tao am-ponja, ka niady tamin’ny mpiambina iray. Tsy tantiko mihitsy izany hoe ivaivain’ny payo, na olona tsy Tzigane, izany. Mbola niady be tamin’ny polisy iray koa aho ny ampitson’iny. Nalefa tany amin’ny Fonjan’i Montluc, any Lyon, aho avy eo, mandra-pahatapitry ny raharaha miaramila nataoko.

Tany am-ponja aho no nahita fahafahana

Nandray ahy tsara ny tovolahy mahafinaritra iray, raha vao tonga tao am-ponja aho. Reko fa Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nogadraina, hono, izy sy ireo Vavolombelona hafa satria tsy nety nampiasa fiadiana. Tena nahagaga ahy izany. Te hahafantatra bebe kokoa momba azy ireo aho.

Hitako fa tena tia an’Andriamanitra ireo Vavolombelon’i Jehovah, ary nampiaiky ahy ny fitondran-tena tsarany. Nanana fanontaniana maro anefa aho. Ny tena tiako ho fantatra dia ny hoe: ‘Afaka miresaka amin’ny velona amin’ny alalan’ny nofy ve ny maty?’ Nino an’izany ny Tzigane. Nisy Vavolombelona iray atao hoe Jean-Paul, nanolo-tena hampianatra ahy Baiboly tamin’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. *

Indray alina monja no namakiako ilay boky, ary tena nanohina ny foko izay novakiko tao anatiny. Tany am-ponja àry no nahitako ny tena fahafahana! Nandray fiarandalamby nandeha nody aho rehefa nafahana, ary feno boky ara-baiboly ny kitapoko.

Nitady Vavolombelon’i Jehovah tany aminay aho, ka nandeha tany amin’ny Efitrano Fanjakana tany Martigues. Nanohy nianatra Baiboly aho, ka mpanompo manontolo andro tanora atao hoe Eric no nanampy ahy. Nijanona tsy nifoka intsony aho rehefa afaka andro vitsivitsy monja, ary tsy nankany amin’ireo jiolahy namako taloha intsony. Tapa-kevitra aho fa hanaraka izay voalazan’ny Ohabolana 27:11 hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” Nahita Ray be fitiavana sy tiako hampifalina aho, dia i Jehovah.

Tsy mora ny niova

Tsy mora tamiko ny nampihatra ireo toro lalana ho an’ny Kristianina. Mbola niverina nifoka rongony nandritra ny herinandro maromaro indray aho, ohatra. Ny mafy indrindra tamiko anefa dia ny nanaisotra tao an-tsaiko ny faniriana hamaly faty. Tsy fantatr’i Eric, fa nitondra basy foana aho ary mbola nanao tetika hamaliana faty an’ireo namono ny dadatoako. Nitady azy ireo aho, nandritra ny alina maromaro.

Rehefa nolazaiko tamin’i Eric izany, dia nohazavainy tsara tamiko fa tsy afaka hifandray tsara amin’Andriamanitra aho raha mbola mitahiry fiadiana sy mikendry hamaly faty. Tsy maintsy nisafidy àry aho. Noeritreretiko tsara ny fananaran’i Paoly ao amin’ny Romana 12:19 hoe: “Aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana.” Nivavaka mafy koa aho, ka nanampy ahy hifehy ny fihetseham-poko izany. (Salamo 55:22) Tsy nitahiry fiadiana intsony aho tamin’ny farany. Nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano aho ny 26 Desambra 1986, rehefa avy nianatra Baiboly nandritra ny herintaona.

Nandray tsara ny fianakaviako

Voatosika hianatra Baiboly ny ray aman-dreniko rehefa nahita fa niova ny fitondran-tenako. Nifampody izy ireo, ary natao batisa i Mama tamin’ny Jolay 1989. Nisy havanay maromaro koa tatỳ aoriana nandray ny hafatra ara-baiboly, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Nanapa-kevitra hanao fanompoana manontolo andro aho, tamin’ny Aogositra 1988. Raiki-pitia tamin’ny anabavy tanora iray tao amin’ny fiangonanay aho tatỳ aoriana. Katia no anarany. Nivady izahay ny 10 Jona 1989. Sarotra ny fiainanay nandritra ny herintaona voalohany nivadianay, satria mbola nila nanova ny fomba fitondrako vehivavy aho. Tsy mora tamiko ny nampihatra ny voalazan’ny 1 Petera 3:7, izay mampirisika ny lehilahy mba hanome voninahitra ny vadiny. Tsy maintsy nivavaka imbetsaka aho mba hahavitako hampandefitra ny hambom-poko sy hanova ny toe-tsaiko. Nivoatra miandalana ny fiainako.

Mbola malahelo mafy foana aho noho ny nahafatesan’ny dadatoako, ary tsy tanako ny ranomasoko indraindray rehefa mieritreritra azy. Maro ny fihetseham-po mifamahofaho ato anatiko rehefa mahatsiaro ny namonoana azy aho. Natahotra aho, nandritra ny taona maro, na dia taorian’ny batisako aza, sao hifanena tamin’ireo fianakaviana niady taminay. Nieritreritra foana aho hoe: ‘Ahoana no hataoko raha miady amiko ry zareo? Hanao ahoana ny fihetsiko? Ny toetrako taloha ve no hisongadina amin’izay?’

Nanao lahateny ho an’ny fiangonana iray tany akaikinay aho indray andro, ka nifankahita tamin’i Pepa, havan’ireo lehilahy namono ny dadatoako. Ekeko aloha fa mafy tamiko ny nahita azy, ary tena sarotra tamiko ny nampiseho ireo toetra kristianina. Nifehy tena mafy anefa aho. Rehefa natao batisa i Pepa tatỳ aoriana, dia namihina azy aho ary niarahaba azy noho izy tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah. Noraisiko ho anabaviko ara-panahy izy, na dia teo aza ny zava-nitranga rehetra taloha.

Misaotra an’i Jehovah isan’andro aho, noho ny fanampiany ahy ho afaka tamin’ny fangejan’ny fankahalana. Taiza no ho niafarako raha tsy teo ny famindram-pon’i Jehovah? Noho izy, dia manana fiainam-pianakaviana sambatra aho izao. Manantena koa aho fa ho avy ny tontolo vaovao tsy hisian’ny fankahalana sy herisetra. Matoky aho fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra hoe: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.”—Mika 4:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 19]

Tao amin’ny tafika mpampandry tany amerikanina, tany Liban tamin’ny 1985

[Sary, pejy 20]

Izaho sy Katia ary Pierre sy Timeo zanakay