Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanaiky Handinika Ilay Raharaha ny Fitsarana Tampony

Nanaiky Handinika Ilay Raharaha ny Fitsarana Tampony

Nanaiky Handinika Ilay Raharaha ny Fitsarana Tampony

MAHERIN’NY 7 000 ISAN-TAONA ny raharaha alefa any amin’ny Fitsarana Tampony. Tato anatin’ny taona faramparany dia 80 na 90 amin’ireny, izany hoe 1 isan-jato mahery kely monja, no eken’ny Fitsarana Tampony hamoahana didim-pitsarana an-tsoratra!

Nameno Fangatahana Famerenam-pitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Mey 2001, ka nandefa izany tany amin’ny Fitsarana Tampony. Nanontany izy ireo hoe: “Araka ny lalàm-panorenana, mitovy amin’ny mpivarotra ve ireo mpitory mitety trano miresaka ny zavatra inoany ao amin’ny Soratra Masina, efa nandritra ny taonjato maro? Tsy maintsy maka fahazoan-dalana any amin’ny ben’ny tanàna koa ve izy ireo vao mahazo miresaka momba ny Baiboly na mizara maimaim-poana boky sy gazety ara-baiboly?”

Ny 15 Oktobra 2001, dia nilazana ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna An’ny Fikambanana Watchtower fa neken’ny Fitsarana Tampony ny hamerenana ny fitsarana ny raharaha Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., sy ny namany, miady amin’ny Tanànan’i Stratton sy ny namany!

Ilay olana mahatafiditra ny fahalalahana haneho hevitra no neken’ny Fitsarana Tampony hodinihina, ka izao izany: Tafiditra amin’ny fahalalahana arovan’ny Fanitsiana Voalohany ve ny zo hiresaka amin’ny mpiara-monina, ka mahazo manao izany ny olona na dia tsy miseho any amin’ny manam-pahefana aza?

Tsy maintsy hohazavaina eo anatrehan’ireo mpitsara sivy ao amin’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia izao ilay raharaha. Hanana ny mpisolovavany ny Vavolombelona, ary hanana ny azy koa ny Tanànan’i Stratton. Inona no hitranga amin’izay?

[Efajoro, pejy 5]

INONA NO ATAO HOE FANITSIANA VOALOHANY?

“FANITSIANA I (NY FANANGANANA FIVAVAHANA; FAHALALAHANA ARA-PIVAVAHANA; FAHALALAHANA HANEHO HEVITRA, HAMPIELY VAOVAO, HIVORY, HAMETRAKA FITARAINANA) Tsy mahazo manao lalàna momba ny fananganana fivavahana ny Antenimieram-pirenena. Tsy azony atao koa ny mamoaka lalàna mandrara ny fahalalahana ara-pivavahana, mametra ny fahalalahan’ny olona haneho hevitra sy hampiely vaovao, mametra ny zon’ny olona hivory amim-pilaminana na ny zony hitaraina amin’ny Fanjakana mba hanala ny zavatra mampahory azy.”—Ny Lalàm-panorenan’i Etazonia (anglisy).

“Ny Fanitsiana Voalohany no fototry ny demokrasia eto Etazonia. Araka ny Fanitsiana Voalohany, ny Antenimieram-pirenena dia tsy mahazo mamoaka lalàna mametra ny fahalalahana haneho hevitra, hampiely vaovao, hivory amim-pilaminana, na hametraka fitarainana. Olona maro no manaiky fa ny fahalalahana haneho hevitra no lehibe indrindra sady fototry ny fahalalahana hafa rehetra. Araka ilay Fanitsiana Voalohany, dia tsy azon’ny Antenimieram-pirenena atao koa ny mamoaka lalàna hananganana fivavaham-panjakana na hamerana ny fahalalahana ara-pivavahana.” (Rakipahalalan’izao Tontolo Izao, anglisy) Efa nisy didim-pitsarana lehibe nahatafiditra ny Vavolombelon’i Jehovah koa tamin’ilay raharaha Cantwell miady amin’i Connecticut (1940). Tsara homarihina fa nilaza ny Fitsarana Tampon’i Etazonia tamin’izay hoe, samy tsy mahazo mamoaka lalàna mety hifanohitra amin’ny zo resahin’ny Fanitsiana Voalohany ny “Antenimieram-pirenena” (ny governemanta) sy ny manam-pahefana eo an-toerana (fanjakana mizaka tena sy tanàna).

[Sary, pejy 5]

Mahatafiditra ny antony rehetra itetezana trano ilay olana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Photograph by Franz Jantzen, Collection of the Supreme Court of the United States