Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hiatrehako ny Fitaoman’ny Namana?

Ahoana no Hiatrehako ny Fitaoman’ny Namana?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Ahoana no Hiatrehako ny Fitaoman’ny Namana?

“Misy hatraiza hatraiza ny fitaoman’ny namana.”​—Jesse, 16 taona.

“Ny fitaoman’ny mpiara-mianatra tamiko no anisan’ny zava-tsarotra indrindra natrehiko, rehefa nihalehibe aho.”​—Johnathan, 21 taona.

TENA TOKONY hasiana fiheverana ny herin’ny fitaoman’ny namana. Matokia anefa fa afaka manohitra azy io ianao. Afaka mifehy azy io sy mandray soa avy amin’izy io mihitsy aza ianao. Amin’ny fomba ahoana?

Niresaka momba ny dingana voalohany tokony hatao isika, tao amin’ny nomerao teo aloha, dia ny hoe manaiky fa mahery ny fitaoman’ny namana ary mety hiharan’izy io ianao. * Inona no mety hanampy anao, ankoatra izany? Misy tari-dalana mahasoa anao ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hoy ny Ohabolana 24:5: “Mitombo hery ny olona manam-pahalalana.” Fahalalana inona no afaka mampitombo ny hery hanoheranao ny fitaoman’ny namana? Andeha aloha isika handinika ny olana iray mety hahatonga anao ho resin’ny fitaoman’ny namana, alohan’ny hamaliana izany.

Mitera-doza ny tsy fatokisan-tena

Zava-manahirana ny tanora Vavolombelon’i Jehovah manokana ny fitaoman’ny namana indraindray. Fanaon’izy ireo mantsy ny miresaka momba ny finoany amin’ny hafa. (Matio 28:19, 20) Sarotra aminao ve indraindray ny miresaka momba ny finoanao amin’ny tanora hafa? Tsy ianao irery no toy izany. Hoy i Melanie, 18 taona: “Tena sarotra, fa tsy araka ny niheverako azy, ny hilaza amin’ny tanora hafa hoe Vavolombelona aho.” Hoy ihany izy: “Efa saika hilaza izany tamin’izy ireo aho, nefa tsy sahy indray fa natahotra.” Toa ny fitaomana ratsy no nampiahotra azy.

Mampahery antsika ny Baiboly, satria lazainy fa na dia ny lehilahy sy vehivavy nanana finoana niavaka aza dia tsy sahy niresaka tamin’olona momba an’Andriamanitra. Fantatr’i Jeremia, ohatra, fa mety hesoina sy henjehina izy raha mitory, araka ny baikon’Andriamanitra. Tsy natoky tena koa izy. Nahoana? Hoy izy tamin’Andriamanitra: “Tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.” Nanaiky ve i Jehovah fa tanora tokoa i Jeremia ka tsy nahay niteny? Tsia. Nampahery ilay mpaminany toy izao izy: “Aza manao hoe: Mbola zaza aho.” Notanterahin’i Jehovah ihany ny fikasany, ka nirahiny hanao asa lehibe ilay tovolahy na dia niahotrahotra aza.—Jeremia 1:6, 7.

Mety ho sarotra be amintsika ny manohitra ny fitaoman’ny namana, rehefa tsy matoky tena isika. Voaporofon’ny fikarohana izany. Nanao fanandramana iray be mpahalala, ohatra, ny mpahay siansa atao hoe Muzafer Sherif, tamin’ny 1937. Nampiditra olona maromaro tao amin’ny efitra maizina iray izy, ary nampiseho tamin’izy ireo tara-pahazavana kely. Nanontaniany izy ireo avy eo hoe nifindra hatraiza ilay tara-pahazavana kely.

Voafitaka fotsiny anefa ny mason’izy ireo fa tsy tena nifindra izy io. Samy nanome ny heviny momba ny fihetsehan’ilay tara-pahazavana ireo olona ireo, rehefa nadinina tsirairay. Nampiarahina maromaro anefa izy ireo avy eo, ary nasaina noteneniny mafy ny heviny. Inona no nitranga? Tsy natoky tena izy ireo ka nanaraka ny hevitry ny hafa. Nihanitovy ny valin-teniny rehefa naverimberina ilay fanadinana, ary tamin’ny farany dia nanjary nisy valiny “niombonan’ny besinimaro.” Nadinina tsirairay indray izy ireo avy eo, nefa mbola nisy heriny taminy ihany ilay hevitra niombonana.

Mampiharihary hevi-dehibe iray io fanandramana io. Mora resin’ny fitaoman’ny namana ny olona rehefa tsy matoky tena. Tsy mampieritreritra ve izany? Mety hotaomin’ny namana koa ny olona amin’ny raharaha tena lehibe, toy ny fiheverany ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ny fidorohana zava-mahadomelina, eny fa na dia ny tanjony eo amin’ny fiainana aza. Mety hanimba ny hoavintsika isika, raha ny hevitra “iombonan’ny besinimaro” no arahintsika amin’ireo raharaha ireo. (Eksodosy 23:2) Inona àry no azo atao?

Inona no ho nolazainao, raha ianao no nadinina ka azonao antoka fa tsy nihetsika ilay tara-pahazavana kely? Tsy voatariky ny besinimaro angamba ianao. Eny, tena mila matoky tena isika. Karazana fatokisana manao ahoana anefa no ilaina, ary ahoana no ahazoana azy io?

Matokia an’i Jehovah

Mety handre torohevitra maro momba ny fatokisan-tena ianao. Samy hafa anefa ny hevitry ny olona mahakasika ny fomba ahazoana azy io, sy ny habetsahany ilaina. Manome izao torohevitra voalanjalanja izao ny Baiboly: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony.” (Romana 12:3) Hoy ny fandikan-teny iray hafa: “Izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: aza mihevi-tena mihoatra ny tokony hiheverana ny tena, fa aoka samy hihevi-tena amim-pahendrena.”—Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Tsy hieboebo, na hatoky tena be loatra na hiavonavona ianao rehefa ‘mihevi-tena amim-pahendrena.’ Rehefa manana fomba fijery voalanjalanja toy izany anefa ianao, dia afaka matoky koa ny fahaizanao misaina sy manjohy hevitra ary mandray fanapahan-kevitra feno fahendrena. Nanome anao fahaiza-misaina ny Mpamorona, ary tena sarobidy izany fa tsy zavatra kely akory. Hahatohitra ny fitaoman’ny hafa ianao raha mitadidy izany, ka tsy hamela azy ireo hanapa-kevitra ho anao. Misy karazana fatokisana maharo anao kokoa anefa.

Nanoratra toy izao i Davida Mpanjaka: “Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.” (Salamo 71:5) Eny, natoky tanteraka ny Rainy any an-danitra i Davida hatramin’ny fahatanorany. “Mbola zaza” izy, na zatovo angamba, rehefa nihantsy miaramila isiraelita iray hiady taminy i Goliata, ilay Filistinina goavam-be. Natahotra ireo miaramila. (1 Samoela 17:11, 33) Nanakivy ny namany angamba ny sasany. Azo antoka fa nahaketraka ny resaka nataon’izy ireo momba ny haben’i Goliata sy ny hakingany. Nanizingizina koa angamba izy ireo fa adala izay nanaiky hiady taminy. Tsy nisy vokany tamin’i Davida izany fitaomana izany. Nahoana?

Mariho ny tenin’i Davida tamin’i Goliata: “Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefompohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.” (1 Samoela 17:45) Hitan’i Davida tsara ny haben’i Goliata sy ny tanjany ary ny fitaovam-piadiany. Nisy zavatra tena azony antoka koa anefa. Fantany fa tsinontsinona i Goliata raha noharina tamin’i Jehovah Andriamanitra. Inona no hatahoran’i Davida an’i Goliata, raha niandany taminy i Jehovah? Niaro an’i Davida izany fatokisana an’Andriamanitra izany, ka tsy nisy heriny taminy mihitsy ny fitaoman’ny namana.

Toy izany ve ny fatokisanao an’i Jehovah? Tsy niova izy hatramin’ny andron’i Davida. (Malakia 3:6; Jakoba 1:17) Arakaraka ny hianaranao momba azy, no hatokisanao izay lazainy ao amin’ny Teniny. (Jaona 17:17) Ao no ahitanao fitsipika tsy miovaova sy azo ianteherana, izay hitari-dalana anao eo amin’ny fiainana sy hanampy anao hanohitra ny fitaoman’ny namana. Misy zavatra hafa azonao atao koa, ankoatra ny fatokiana an’i Jehovah.

Mifidiana mpanolo-tsaina tsara

Hamafisin’ny Tenin’Andriamanitra fa ilaina ny mitady tari-dalana tsara. “Aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara”, hoy ny Ohabolana 1:5. Miahy fatratra ny hahasoa anao ny ray aman-dreninao ka afaka manome tari-dalana anao. Fantatr’i Indira tsara izany. Hoy izy: “Matoa aho mandeha amin’ny fahamarinana ankehitriny, dia satria nampiasa ny Soratra Masina foana ny ray aman-dreniko rehefa nampisaintsaina ahy. Nanampy ahy koa izy ireo mba hino fa tena misy i Jehovah.” Tanora maro no mahatsapa toy izany.

Raha anisan’ny fiangonana kristianina ianao, dia afaka mahazo fanampiana lehibe avy amin’ny mpiandraikitra voatendry, na anti-panahy, sy ny Kristianina matotra hafa. Hoy ny tanora iray atao hoe Nadia: “Tena nanaja sy nankasitraka ireo anti-panahy teo anivon’ny fiangonako aho. Tsaroako ny lahateny iray izay tena natokana ho an’ny tanora, ary nataon’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Faly be izaho sy ilay namako rehefa vita ny fivoriana, satria ny zavatra niainanay mihitsy no noresahiny tao.”

Fomba mandaitra hafa hiadiana amin’ny fitaomana ratsy ny fitaomana tsara. Raha fidinao tsara ny namanao, dia afaka hanampy anao tsy hiala amin’ny tanjona sy fitsipi-pitondran-tena tsara izy ireo. Ahoana no ahafahana manao safidy tsara? Tsarovy izao torohevitra izao: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20) Mailo i Nadia tany am-pianarana ka nifidy namana tsara, dia ireo tanora Vavolombelona manaraka fitsipi-pitondran-tena mitovy aminy. Hoy izy: “Nifanampy izahay rehetra, rehefa tonga ‘hanadala’ anay ireo tovolahy, tany am-pianarana.” Manampy antsika hihatsara ny namana tsara. Tsy very maina ny ezaka atao hitadiavana azy ireny.

Matokia àry fa afaka miatrika tsara ny fitaoman’ny namana ianao, raha matoky an’i Jehovah sy mitady tari-dalana any amin’ny Kristianina matotra ary mifidy tsara ny namanao. Afaka ny ho fitaomana tsara ho an’ny namanao mihitsy aza ianao, ka hanampy azy hijanona eo amin’ny lalan’ny fiainana miaraka aminao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tena Mahery Tokoa ve ny Fitaoman’ny Namana?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Desambra 2002.

[Teny notsongaina, pejy 26]

Mitadiava namana tsara, tia an’Andriamanitra sy ny fitsipiny, toa anao

[Sary, pejy 26]

“Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.”​—1 Korintiana 15:33

“Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry.”​—Ohabolana 13:20