Nanova ny Fiainako ny Anaran’Andriamanitra!

Nanova ny Fiainako ny Anaran’Andriamanitra!

Nanova ny Fiainako ny Anaran’Andriamanitra!

NOTANTARAIN’I SANDY YAZZIE TSOSIE

RAHA mbola niafina tao ambany farafara izaho sy ireo rahavaviko, nitsikanikany sy nifampikapokapoka tao, no injay fa nandondòna tao am-baravaranay ny Mormons. a Namaly ihany aho tamin’ny farany, ary tamim-panevatevana no nilazako tamin’izy ireo fa Navajo izahay, ka tsy tianay ny hiresahan’izy ireo aminay momba ny fivavahan’ny vazaha.

Lasa niakatra tany an-tanàna ny ray aman-dreninay, ka tokony ho tafaverina ny harivan’io. Rehefa tonga izy ireo, dia reny fa nanevateva ny Mormons aho. Nanarin’izy ireo aho mba tsy hamerina izany intsony. Nampianarina ho tsara fanahy sy hanaja olona izahay. Tsaroako fa rehefa nisy vahiny tsy nampoizina tonga tao aminay indray andro, dia nahandro sakafo teo an-tokotany ny ray aman-dreninay. Nasainy tamim-pitiavana aloha ilay vahiny hihinana, ary avy eo vao nisakafo izahay.

Fiainana tany amin’ny tanin’ny Navajo

Tany Howell Mesa, eto Arizona, izahay no nipetraka, 14 kilaometatra avaratrandrefan’i Hopi, tanin’ny Indianina, ary lavitra ny tanàna sy tanàn-dehibe be mponina. Any atsimoandrefan’i Etazonia izy io. Hita any ny tany efitra mahatalanjona, izay miavaka noho ireo karazam-bato mena mitandavana tsy fahita firy. Maro ny lembalemba avo, marin-tampona sady mideza. Avy eny izahay dia afaka mitazana ny ondrinay miraoka ahitra eny amin’ny valo kilaometatra. Tena tiako fa tony erỳ io toerana io, dia ilay tanindrazako!

Nanjary nifankahazo be tamin’ny zanak’olo-mpiray tam-po tamiko aho, rehefa nianatra teny amin’ny lise. Nanohana ilay Hetsiky ny Indianina eto Amerika (AIM) izy ireo. b Nireharehako erỳ izany hoe Indianina eto Amerika izany, ary nolazaiko fa araka ny hevitro dia noho ny nataon’ny Birao Misahana ny Raharaha Indianina (BIA) no nahatonga anay hampijalin’ny vazaha nandritra ny am-polony taona maro. Tsy mba toy ireo zanak’olo-mpiray tam-po tamiko anefa aho, fa tsy mba nasehoko niharihary mihitsy ny fankahalako. Nohazoniko tao am-poko mangina tao izany. Izany no nahatonga ahy hankahala izay rehetra nanana Baiboly.

Nihevitra aho fa noho ny Baiboly no nahafahan’ireo vazaha nandrombaka ny taninay sy ny zonay ary ny fahalalahanay hanao ireo fombafomba masina anay manokana! Rehefa noterena handeha hiangona izahay tany amin’ny kilasimandry, dia vitako mihitsy ny nangalatra ny sonian’i Dada, mba tsy handraisako anjara tamin’ny fombam-pivavahana protestanta sy katolika. Natao mba hampidirana anay tao amin’ny kolontsaina hafa ireny sekoly ireny, ka hampanadino anay ny lovanay Indianina. Tsy navela hiresaka tamin’ny fiteninay akory aza izahay.

Fatra-panaja ny natiora sy ny tontolo manodidina izahay. Nivavaka nanatrika ny atsinanana izahay isa-maraina, ary nanao fisaorana tamin’ny famafazana ny vovobony masina avy tamin’ny katsaka. c Izany no fampiofanana azoko araka ny fomba fivavahan’ny Navajo, ary nekeko tamin’ny foko rehetra izany sady nireharehako. Tsy nahasarika ahy ny hevitry ny Kristianisma Anarana momba ny fiakarana any an-danitra, ary tsy ninoako ny fampijaliana ao amin’ny afobe mirehitra. Tena niriko ny hiaina eto an-tany.

Finaritra erỳ aho, nandritra ny vakansy, niaraka tamin’ny fianakavianay nifandray tsara. Izao avy no asa fanaoko andavanandro: Manadio ny hogan trano fonenan’ny Navajo (jereo ny sary eo ambany), mandrary, ary miandry ondry. Efa mpiandry ondry hatramin’ny taonjato maro mantsy izahay Navajo. Isaky ny nanadio trano aho dia nahita boky menamena kely iray nisy ny bokin’ny Salamo ao amin’ny Baiboly, sy boky maromaro ao amin’ny “Testamenta Vaovao”. Nodakadakako ilay izy, fa tsy mba noeritreretiko mihitsy izay tao anatiny sy izay dikany. Tsy afa-bela tamin’izy io mihitsy anefa aho.

Fanambadiana nandiso fanantenana

Nikasa hiditra tany amin’ny sekoly fianarana asa tany Albuquerque, any Nouveau Mexique aho, rehefa nahazo diplaoma tao amin’ny lise. Nifankahita tamin’ilay lehilahy lasa vadiko tatỳ aoriana anefa aho talohan’ny nandehanako. Niverina tany amin’ny tanin’ny Navajo, nantsoinay hoe Rez, aho mba hanambady. Mpivady nandritra ny taona maro ny ray aman-dreniko. Naniry hanaraka ny dian’izy ireo aho, ka mba nanambady koa. Tiako erỳ ny nikarakara tokantrano sady nahafinaritra ahy ny fiainan-tokantranonay, indrindra fa rehefa teraka i Lionel zanakay lahy. Sambatra erỳ izahay mivady, mandra-pahatongan’ny andro nandrenesako vaovao iray nahavaky fo!

Niaraka tamim-behivavy hafa ny vadiko! Rava tanteraka ny fanambadianay, vokatry ny fivadihany. Nalahelo mafy aho, ary nanjary tsy tia maizina azy ka naniry hamaly faty! Raha mbola niady anefa aho mba hahazo ny zo hikarakara ny zanakay sy fanampiana ara-bola, dia nanjary ory aho, nahatsiaro ho tsy nisy vidiny, sady very fanantenana. Nahazatra ahy ny nanao hazakazaka kilaometatra maro, mba hanamaivanana ny fahoriana mangidy nentiko. Matetika aho no nitomany ary tsy nahatelin-kanina. Nahatsiaro ho irery tanteraka aho.

Tatỳ aoriana kely aho dia nanomboka niaraka tamin’ny lehilahy iray nanana olana ara-panambadiana nitovy tamiko. Samy efa voadona izahay. Takany izay nahazo ahy, ka nomeny izay nilaiko ara-pihetseham-po. Nolazaiko taminy izay tao an-tsaiko sy izay zavatra niombonako fihetseham-po taminy. Nihaino izy, ka hitako tamin’izany fa nitsetra ahy izy. Nikasa hivady izahay.

Fantatro avy eo fa namitaka ahy koa izy! Notapahiko ny fifandraisanay na dia mafy sy nangidy tamiko aza izany. Toy ny very aho ka kivy tanteraka. Nanjary romotra mafy aho, ta hamaly faty, ta hamono tena. Indroa aho no nanandrana namono tena. Naniry ho faty tsotra izao aho.

Ny nahafantarako voalohany ilay Andriamanitra marina

Nipotrapotraka ny ranomasoko rehefa nivavaka tamin’ny Andriamanitra iray tsy fantatro akory aho. Nasehoko anefa ny finoako ny Fisiana Fara Tampony iray, namorona izao rehetra izao mahatalanjona. Nahalasa eritreritra ahy ny hakanton’ny masoandro mody, ary nisaintsaina aho hoe mahafinaritra fa nisy Olona iray namela antsika hankafy ireny zava-mahagaga ireny. Nitombo ny fitiavako an’io olon-tsy fantatro io. Nanomboka nilaza taminy aho hoe: “Andriamanitra ô! Raha tena misy tokoa ianao dia ampio aho, tariho lalana aho ka ataovy sambatra indray.”

Nitebiteby ny fianakaviako nandritra izany fotoana izany, indrindra fa ny raiko. Nanarama mpanao fanafody mba hitsabo ahy ny ray aman-dreniko. Nilaza ny raiko fa tsy hitaky vola akory ny mpanao fanafody tsara fanahy sy mahay, ary ho to izay lazainy. Mba hampifaliana ny ray aman-dreniko, dia imbetsaka aho no nandray anjara tamin’ireo fombam-pivavahan’ny Navajo izay natao ho fangataham-pitahiana.

Nihidy an-trano aho nandritra ny andro maromaro, niaraka tamin’ny radio teo akaikin’ny fandriako. Nahasorena ahy ny nihaino ny fanomezan-tsiny nataon’ny mpitondra fivavahana iray, satria tsy nandray an’i Jesosy tao am-poko aho. Naharikoriko ahy na ny fivavahan’ny vazaha na ny fivavahanay! Tapa-kevitra aho fa hitady an’Andriamanitra araka izay itiavako azy.

Nandritra ny fitoerako irery tao an-trano dia mbola hitako indray ilay boky kely menamena. Fantatro tamin’izay fa tapany amin’ny Baiboly ilay izy. Fantatro ny fahoriana sy fahaketrahana niainan’i Davida mpanjaka, rehefa namaky ny Salamo aho. Nampionona ahy izany. (Salamo 38:1-22; 51:1-19) Noho ny hambom-poko anefa, dia tsy noraharahaiko izay rehetra novakiko. Raha izaho aloha dia tsy hanaiky izay fivavahan’ny vazaha mihitsy e!

Nataoko izay hikarakarana tsara ny zanako lahy, na dia ketraka aza aho. Nanjary loharanom-pampaherezana ho ahy izy. Nanomboka nijery fandaharana natao hanolorana vavaka ho an’ny hafa, tao amin’ny tele aho. Tena nilaiko ny vavaka toy izany ka niantso an-telefaonina tamim-pamoizam-po aho mba hahazoana ilay izy. Nakarapoko ny telefaonina raha vao nolazaina tamiko fa tokony hanaiky handoa vola 50 na 100 dolara (300 000 FMG na 600 000 FMG eo ho eo) aho!

Nahakivy ahy ny fitsarana momba ny fisaraham-panambadianay, indrindra rehefa hitako fa tsy dia nanao ny marina loatra ny vadiko nanoloana ilay mpitsaram-poko. Ela vao vita ilay izy noho ny fiadiana ny zo hikarakara ny zanakay. Nandresy anefa aho. Nanampy ahy mangingina ny raiko, nandritra ilay fitsarana. Hitany fa tena voaratra lalina aho.

Ny fifandraisako voalohany tamin’ny Vavolombelona

Nanapa-kevitra ny hiatrika ny fiainana araka izay fitrangany isan’andro aho. Nahatsikaritra fianakaviana navajo iray niresaka tamin’ny mpifanila trano tamiko aho indray mandeha. Tsy naharitra aho fa nitsikilo azy ireo. Nitety trano ny asa nataon’ireo mpitsidika. Tonga tao amiko koa izy ireo. Nilaza i Sandra, Navajo iray, fa Vavolombelon’i Jehovah izy. Tena nanaitra ahy ilay anarana hoe Jehovah. Hoy aho hoe: “Iza izany Jehovah izany? Fivavahana vaovao ianareo e! Nahoana aho no tsy nampianarina ny anaran’Andriamanitra tany am-piangonana?”

Nosokafany tamin-katsaram-panahy ny Baiboliny, tao amin’ny Salamo 83:18, izay milaza hoe: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany. Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Nohazavainy fa manana anarana manokana Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy Zanany dia Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza tamiko izy fa hampianatra ahy momba an’i Jehovah sy i Jesosy, ary navelany tamiko ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. d Nientanentana erỳ aho nilaza hoe: “Ta hanandrana ity fivavahana vaovao ity aho!”

Voavakiko vetivety ilay boky. Vaovao ary hafa tanteraka izay noraketiny. Nohazavain’ilay boky fa misy zava-kendrena ny fiainana, ary izany indrindra no nilaiko mba hanairana indray ny fitiavako ny fiainana. Nanomboka nianatra ny Baiboly aho, ary akory ny hafaliako rehefa voavaly avy ao amin’ny Baiboly avokoa ny ankamaroan’ireo fanontaniako. Natokisako avokoa izay nianarako. Nazava ilay izy sady marina!

Nanomboka nampianatra ny Baiboly an’i Lionel aho, fony izy enin-taona. Niara-nivavaka izahay mianaka. Nifampahery izahay tamin’ny fieritreretana fa mikarakara i Jehovah, ka tsy maintsy nitoky taminy izahay. Tsy nanan-kery intsony hiatrehana ny olana nitranga aho indraindray. Teo anefa i Lionel, namihina ahy tamin’ireo sandry keliny sady nampanantena no nanome toky ahy hoe: “Aza mitomany ry Neny a! Hikarakara antsika i Jehovah.” Nanova tanteraka ny fiainako izany. Tena nampionona ahy mihitsy izany ary nahatonga ahy ho tapa-kevitra hanohy hianatra ny Baiboly! Tsy nitsahatra nivavaka mba hahazoana tari-dalana aho.

Ny vokatry ny fanatrehana fivoriana kristianina

Ny fankasitrahanay an’i Jehovah no nanosika anay hanao dia lavitra 240 kilaometatra nandroso sy niverina, mba hanatrehana fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Tuba. Nanatrika fivoriana indroa isan-kerinandro izahay tamin’ny vanin-taona nafana ary ny alahady manontolo andro tamin’ny ririnina, satria ratsy ny andro. Simba ny fiaranay indray andro, ka nisakana izay fiara nandalo izahay mba hitondra anay tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nilaza i Lionel fa tsy tokony hanapaka fivoriana mihitsy izahay, raha tsy hoe efa ho faty angaha. Namizana ilay dia lavitra, nefa izany tenin’i Lionel izany dia nandentika tao an-tsaiko fa zava-dehibe ny hiheverana ho sarobidy ny fampianarana avy amin’i Jehovah.

Nirotsaka ho azy ny ranomasoko tany am-pivoriana, rehefa nohirainay ny hiran’ilay Fanjakana nanantitrantitra ny amin’ny fiainana mandrakizay tsy hisy fahoriana intsony. Nandray fampiononana sy fampaherezana avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nampiseho fahaiza-mandray vahiny izy ireo, tamin’ny fanasana anay hiara-misakafo tamin’izy ireo tany an-tranony sy hiala hetaheta ary hiaraka hanao fianaram-pianakaviana. Tia anay izy ireo ary nihaino anay. Ireo anti-panahy indrindra indrindra no niezaka mafy mba hahay hiombom-pihetseham-po taminay sy hanamafy ny fiekenay fa mikarakara i Jehovah Andriamanitra. Sambatra erỳ aho fa nahazo tena namana. Namelombelona ry zareo, ary niara-nitomany tamiko mihitsy aza rehefa nahatsiaro ho tsy nanan-kery hanohy intsony aho.—Matio 11:28-30.

Fanapahan-kevitra roa lehibe

Nahatsiaro ho afa-po noho ny fikarakaran’i Jehovah aho. Tamin’izay indrindra anefa, no niverina indray mba hanarina ny tsy nety nataony, ilay lehilahy niarahako taloha. Mbola tia azy aho, ka tsy vitako ny nanda ny fiangaviany. Nikasa ny hivady izahay. Nihevitra aho fa hanova azy ny fahamarinana. Izany no fahadisoana goavana indrindra teo amin’ny fiainako! Tsy sambatra aho. Nanenjika mafy ahy ny eritreritro. Very hevitra aho satria tsy tia ny fahamarinana izy.

Niresaka tamin’ny anti-panahy iray aho. Nampisaintsaina ahy tamin’ny alalan’ny Baiboly izy, ary niara-nivavaka tamiko momba ny fanapahan-kevitro. Nanatsoaka hevitra aho fa tsy i Jehovah mihitsy no hitondra fahavoazana na hampahory antsika. Ny olona tsy tanteraka no hahavita izany amintsika, na dia tena tia azy ireny aza isika. Nianarako, raha ny marina, fa tsy mampilamin-tsaina ny fanaovana izay antsoina hoe tokantranomaso. Nanapa-kevitra aho. Tena sarotra sady nampahory ny nanapaka ilay fifandraisana. Tsy maintsy nitoky tamin’i Jehovah tamin’ny foko rehetra aho, na dia ho sahirana ara-bola aza.

Tia an’i Jehovah aho ka tapa-kevitra ny hanompo azy. Nampiseho ny fanolorana ny fiainako ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano aho, tamin’ny 19 May 1984. Vavolombelon’i Jehovah vita batisa koa i Lionel zanako. Niharam-panenjehana be avy amin’ny fianakaviako sy ny vadiko taloha izahay, nefa niantehitra tamin’i Jehovah hatrany. Tsy nahakivy anay izany. Nitony ihany ny fianakaviako, ary nanaiky ny fomba fiainanay vaovao izy ireo rehefa afaka 11 taona.

Tena tia azy ireo aho, ary iriko ny hianaran’izy ireo momba an’i Jehovah, ka mba ho sambatra koa. Niaro ahy tamin-kerim-po ny raiko, izay nieritreritra fa namoy ahy tao anatin’ny fahaketrahana sy ny fikasana hamono tena. Faly izy nahita ahy sambatra indray. Hitako fa mba hampody indray ny fahasalamana ara-pihetseham-po, dia tena ilaina ny mivavaka amin’i Jehovah, manatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mampihatra ny Tenin’Andriamanitra.

Fanantenana amin’ny hoavy

Tsy andriko ny fotoana hahafoana tanteraka ny soritra rehetran’ny fahoriana, ny tsy fahatanterahana, ny lainga ary ny fankahalana. Azoko sary an-tsaina i Navajo, ilay taninay, mamokatra zavamaniry tsy hita lany, anisan’izany ireo paiso isan-karazany fahita tetỳ. Toa hitako an’eritreritra ny hafalian’ireo foko maro samy hafa, mandray anjara amin’ny fanovana ny tanindrazan’izy ireo karakaina ho lasa paradisa kanto, satria misy renirano sy orana. Azoko an-tsaina izahay Navajo miara-monina amin’ny Hopi, sy foko maro hafa, fa tsy mifandrafy toy ny taloha. Hitako izao fa mampiray ny firazanana sy ny foko rehetra ny Tenin’Andriamanitra. Amin’ny hoavy aho dia hahita fianakaviana sy mpinamana maro ho tafaray indray amin’ireo havan-tiany nodimandry, noho ny fitsanganana amin’ny maty. Ho fotoam-pifaliana lehibe izany noho ny fahatsinjovana ny fiainana mandrakizay. Tsy mino aho hoe misy olona tsy ta handre izany fanantenana mahatalanjona izany.

Fitaran’ny asa kristianina teto amin’ny tanin’ny Navajo

Nampientam-po ny nahita Efitrano Fanjakana eto Tuba sy ny fitomboan’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ny tanin’ny Navajo sy ny Hopi, e toa an’i Chinle, i Kayenta, i Tuba, ary ny Hadilanana Keams. Raha sambany vao nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana aho tamin’ny 1983, dia efa nieritreritra fa hisy eto amin’ny tanin’ny Navajo io sekoly io indray andro any. Tsy eritreritro fotsiny intsony izany ankehitriny. Efa tarihina amin’ny fiteny navajo io sekoly io nanomboka tamin’ny 1998.

Nitondra fitahiana tsy nisy farany ho ahy ny firesahana tamin’ny olona fa manana anarana manokana Andriamanitra. Mahazendana loatra, ka tsy hay hazavaina ny hoe azonay atao ny mamaky sy mizara ireo teny manatanjaka ny finoana avy ao amin’ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, ary ilay farany Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, izay voadika amin’ny fiteny navajo avokoa. Ankasitrahako ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina izay mitarika io asa fampianarana Baiboly io, mba hahafahan’ny firenena sy ny foko ary ny fiteny rehetra handray soa, anisan’izany ny vahoaka navajo antsoina hoe Diné.—Matio 24:45-47.

Manontolo andro ny asa fivelomako, nefa manao tsy tapaka ny asan’ny mpisava lalana mpanampy aho. Tiako ny mijanona tsy manambady, ary iriko ny hanompo an’i Jehovah tsy misy fanelingelenana. Afa-po sy sambatra aho milaza amin’ny mpiray firenena amiko sy ny hafa koa, indrindra fa amin’ireo tratran’ny famoizam-po, fa “akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy”.—Salamo 34:18.

Tsy mihevitra intsony aho izao fa an’ny fivavahan’ny vazaha ihany ny Baiboly. Natao ho an’izay rehetra te hianatra sy hampihatra azy io ny Baiboly Tenin’Andriamanitra. Raha mitsidika anao àry ny Vavolombelon’i Jehovah, dia avelao izy hampiseho aminao ny fomba hahafahanao ho sambatra marina. Mitondra ho anao ny vaovao tsara ny amin’ilay anaran’Andriamanitra izy ireo, dia ilay anarana hoe Jehovah, izay nanova ny fiainako! “Eny, Jehovah no anaran’Andriamanitra.”

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Mifohaza! 8 Novambra 1995, mba hahazoana fanazavana amin’ny an-tsipiriany.

b Ny AIM dia fikambanana sivily naorin’ny Indianina eto Amerika, tamin’ny taona 1968. Nokianin’izy io matetika ny BIA (biraom-panjakana naorina tamin’ny 1824) Nolazaina mantsy fa hanatsara ny fiainam-pirenena indianina ny BIA, nefa izy indray no nampanofa tamin’ireo tsy Indianina ny harena an-kibon’ny tany, ny rano ary ny zavatra hafa koa izay tao amin’ny tanin’ny Indianina.—Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy).

c Noheverina ho masina ny vovobony, ary nampiasaina tamin’ny vavaka sy ny fombafomba, mba hampisehoana ny fiainana sy ny fanavaozana indray. Mino ny Navajo fa lasa masina ny vatana rehefa mandeha eo amin’ny lalana nofafazana vovobony.—Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahan’ny Indianina any Amerika (anglisy).

d Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy atao pirinty intsony izao.

e Jereo ny fitohizan-dahatsoratra “Indiana Amerikana—Inona no Tahirizin’ny Hoavy ho Azy Ireo?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Septambra 1996.

[Sary, pejy 21]

Trano fonenan’ny Navajo

[Sary, pejy 21]

Miaraka amin’i Lionel zanako

[Sary, pejy 23]

Miaraka amin’ny namana rosianina tany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Moscou, tamin’ny 1993

[Sary, pejy 24]

Miaraka amin’ny fianakaviako ara-panahy ao amin’ny Kongregasionan’i Kayenta, any Arizona