Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Toy ny Lamban’akoho ny Fanambadiana

Toy ny Lamban’akoho ny Fanambadiana

Manome voninahitra an’i Jehovah sady mitondra fifaliana ho an’ny mpivady ny fanambadiana kristianina, raha milamina tsara. (Mr 10:9) Raha te hanana tokantrano sambatra sy maharitra anefa ny Kristianina, dia mila manaraka tsara ny toro lalan’ny Baiboly rehefa hifidy vady.

Aza miaraka amin’ny olona raha mbola “ao anatin’ilay fotoana fivelaran’ny fahatanorana” ianao, izany hoe amin’ilay fotoana mampirongatra ny faniriana hanao firaisana iny. (1Ko 7:36) Hararaoty hifandraisana akaiky amin’Andriamanitra sy hananana toetra tsara ny fotoana maha mpitovo anao. Ho lasa vady tsara ianao amin’izay, rahatrizay manambady.

Makà fotoana ampy tsara hamantarana ny “toetra miafina” ao am-pon’ilay olona, alohan’ny hanekena azy ho vady. (1Pe 3:4) Miresaha aminy raha misy zavatra lehibe mampisalasala anao. Ny hitady ny tombontsoan’ilay iray sy ny hanome anefa no tena tokony hataonao an-tsaina, fa tsy ny tombontsoanao, hoatran’ny amin’ny fifandraisana rehetra ihany. (Fi 2:3, 4) Tena ho tsara fiaingana ny fanambadianareo, raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ianareo dieny mbola tsy mivady.

JEREO ILAY VIDEO HOE FIOMANANA HO AMIN’NY FANAMBADIANA​—FIZARANA 3: ‘MANAOVA KAJY NY AMIN’IZAY HO LANY.’ VALIO IRETO AVY EO:

  • Nanao ahoana ny fiarahan’ilay anabavy tamin’i Ranto?

  • Inona no tsikariny rehefa nandeha teny ny fiarahan-dry zareo?

  • Ahoana no nanampian’ny ray aman-dreniny azy, ary ahoana no nampisehoany hoe hendry izy?