Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mezopotamia

Mezopotamia

MEZOPOTAMIA

(Mezôpôtamìa) [avy amin’ny teny gr. midika hoe “[Tany] Anelanelana Renirano”].

Teny grika iantsoana an’ilay faritra eo anelanelan’ny reniranon’i Tigra sy Eofrata. Toa mifanitsy amin’ilay teny hebreo hoe Arama-naharaima io teny grika io, ary mitovitovy ny hevitr’ireo teny roa ireo. (Sl 60:t.m.) Mazàna no natao hoe “Mezopotamia” ny hoe “Arama-naharaima” ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.—Jereo ARAMA No. 5.

Misy tsy itovizany ny faritra lazain’ny olona hoe “Mezopotamia”, na taloha izany na ankehitriny. Matetika, ohatra, no antsoina hoe Mezopotamia ilay faritra midadasika eo anelanelan’i Tigra sy Eofrata, ka ny Hoala Persika no eo atsimo ary ny tendrombohitr’i Torkia sy Iran no eo avaratra. Anisan’izy io àry ny lemak’i Babylonia fahiny izay tany be antsanga, tonga hatrany amin’ny 400 km eo ho eo any atsimon’i Bagdad. (Jereo BABYLONA No. 2.) Antsoina hoe Mezopotamia koa anefa ny ilany avaratra fotsiny amin’io faritra io, izany hoe tsy ampidirina i Babylonia. Lembalemba iva mikitoantoana sy be vato iny faritra avaratra iny, ary ahitana deboka maromaro.

Nilaza i Stefana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:2 fa nonina tany “Mezopotamia” i Abrahama. Tany Ora tany Babylonia anefa izy no nipetraka tamin’izay. Izany no porofo fa anisan’i Mezopotamia koa i Babylonia, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy misy anefa porofo ahafahana manamarina raha anisan’i “Arama-naharaima” koa i Babylonia na tsia. Fantatra avy amin’ny andinin-teny sasany hoe taiza ho aiza no nisy an’i “Arama-naharaima” (Mezopotamia). Avy amin’ireny andininy ireny no ahalalana fa anisan’izy io ny faritra avaratra manodidina an’i Harana (Ge 24:2-4, 10), sy ny faritra avaratra be tendrombohitra manodidina an’i Petora. (De 23:4; ampit. No 23:7.) Tsy fantatra mazava ny haben’ny faritra nofehezin’i Kosana-risataima, mpanjakan’i Mezopotamia (ilay nampijaly ny Israelita tamin’ny andron’i Otniela Mpitsara). Nety ho tany avaratra koa anefa ny foiben’ny fitondrany. (Mpts 3:8-10; jereo KOSANA-RISATAIMA.) Toa avy tany amin’ny faritra avaratr’i Mezopotamia ireo kalesin’ady sy mpitaingin-tsoavaly nokaramain’i Hanona, mpanjaka amonita, tamin’izy niady tamin’i Davida Mpanjaka.—1Ta 19:6, 7.

Nisy avy any Mezopotamia ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy tonga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33. (As 2:1, 2, 9) Nety ho avy tany Babylonia, faritra atsimon’i Mezopotamia, ny sasany tamin’izy ireny. Mahaliana fa nilaza i Josèphe, mpahay tantara, hoe nisy “Jiosy maro be” tany Babylonia, tamin’ny taonjato voalohany T.K.—Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 14 (ii, 2).