Deoteronomia 8:1-20

8  “Araho tsara+ izay didy rehetra andidiako anareo anio, mba ho ela velona ianareo,+ ka hihamaro ary hiditra ao amin’ilay tany nianianan’i Jehovah tamin’ny razanareo,+ ary haka izany ho fanananareo.  Tsarovy ny lalana rehetra nasain’i Jehovah Andriamanitrao nalehanao tany an-tany efitra nandritra izay efapolo taona+ izay, mba hampanetry tena anao+ sy hitsapana anao+ mba hahalalana izay ao am-ponao,+ ka hahafantarana raha hitandrina ny didiny ianao na tsia.  Koa nampanetry tena anao izy, ka namela anao ho noana,+ sy nanome anao mana+ ho sakafo, dia ny mana izay tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razanao, mba hampahafantarana anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.+  Tsy nanjary tonta ny lamba notafinao, ary tsy nivonto ny tongotrao nandritra izay efapolo taona izay.+  Ary fantatrao tsara ao am-ponao fa tahaka ny anitsian’ny olona ny zanany no nanitsian’i Jehovah Andriamanitrao anao.+  “Tandremo ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, ka mandehana amin’ny lalany+ ary matahora azy.+  Fa efa hampiditra anao ao amin’ny tany soa+ i Jehovah Andriamanitrao. Tany be lohasaha falehan-driaka misy rano izy io, sady misy loharano sy rano lalina avy any amin’ny lemaka*+ sy ny faritra be tendrombohitra;  tany misy varimbazaha sy vary orza sy voaloboka sy aviavy sy ampongabendanitra+ sy oliva fanaovana menaka, ary tany misy tantely.+  Tsy ho ory sakafo ianao ao, sady tsy ho ory na inona na inona. Feno vy ny vato ao amin’izany tany izany, ary ao amin’ny tendrombohiny no hitrandrahanao varahina. 10  “Rehefa mihinana ianao ka voky,+ dia misaora+ an’i Jehovah Andriamanitrao noho ilay tany soa nomeny anao.+ 11  Tandremo anefa sao hadinoinao+ i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy ankatoavinao ny didiny sy ny didim-pitsarany ary ny lalàny, izay andidiako anao anio.+ 12  Tandremo koa sao rehefa mihinana ianao ka voky ary manorina trano tsara ka mipetraka ao,+ 13  ary mihamaro ny omby sy ny ondry aman’osinao, ary mitombo ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny fanananao rehetra, 14  dia hiavonavona ny fonao+ ka hohadinoinao i Jehovah Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny trano fanandevozana.+ 15  Fa izy no nampandeha anao namakivaky ilay tany efitra lehibe sy mampahatahotra,+ izay onenan’ny bibilava misy poizina+ sy ny maingoka, sady tany karakaina tsy misy rano. Izy koa no namoaka rano ho anao avy tamin’ny harambato,+ 16  ary nanome anao mana+ ho sakafo tany an-tany efitra—mana izay tsy fantatry ny razanao—mba hampanetry tena anao+ sy hitsapana anao ka hanasoavana anao any aoriana.+ 17  Koa rehefa mahazo izany rehetra izany ianao, dia tandremo koa sao hanao anakampo hoe: ‘Ny heriko sy ny tanjako manontolo no nahazoako izao harena izao.’+ 18  Fa tsarovy i Jehovah Andriamanitrao, satria izy no manome anao hery hahazoanao harena,+ mba hanatanterahany ilay fifanekena nianianany tamin’ny razanao, toy ny amin’izao andro izao.+ 19  “Fa raha sanatria manadino an’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ary manaraka andriamani-kafa sy manompo an’ireny sady miankohoka eo anatrehany, dia lazaiko marimarina aminareo anio fa ho ripaka tanteraka ianareo.+ 20  Ho ripaka toy ireo firenena izay haringan’i Jehovah tsy ho eo anatrehanareo ianareo, satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrareo.+

Fanamarihana

A.b.t.: “lohasaha lemaka.”