Photo by Stringer/Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Ady any Moyen-Orient​—Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ady any Moyen-Orient​—Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Matahotra ny olona eran-tany mahita an’ilay ady mahatafiditra an’i Etazonia sy Israely ary Iran. Mbola hitatra ve io ady io? Ho vitan’ny fanjakana eran-tany ve ny hisoroka ny ady sy hampilamina an’izao tontolo izao?

 Mety hieritreritra ny olona mahafantatra faminanian’ny Baiboly hoe io ady any Moyen-Orient io ve no fiandohan’ilay ady Aramagedona resahin’ny bokin’ny Apokalypsy.

 Inona no lazain’ny Baiboly?

Ho vitan’ny fanjakana eran-tany ve ny hampitsahatra ny ady any Moyen-Orient?

 Hoy ny Baiboly: “Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.”​—Salamo 146:3.

 Ho hitantsika eo ihany raha ho vitan’ireo fanjakana ny hampilamindamina ny any Moyen-Orient. Mazava anefa ny lazain’ny Baiboly hoe tsy hisy mihitsy mpanao politika, na fanjakan’olombelona, na antokon’olona hahavita hampitsahatra ny ady sy hampilamina tanteraka ny tany manontolo. Andriamanitra irery no mahavita mampitsahatra tanteraka ny ady eran-tany.​—Salamo 46:9.

Manatanteraka faminaniana ve ilay ady any Moyen-Orient?

 Hoy ny Baiboly: “Haheno ady ianareo ary hisy hilaza aminareo koa hoe misy ady any an-toeran-kafa. ... Hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana.”​—Matio 24:6, 7.

 Anisan’ny famantarana io ady any Moyen-Orient io hoe “efa akaiky ny faran’izao tontolo izao” ary “andro farany” izao iainantsika izao. (Matio 24:3; 2 Timoty 3:1) Ireny ady hitantsika ireny no mampiseho hoe kely sisa dia hofaranan’Andriamanitra ny ady sy ny olana hafa mahazo ny olombelona.

Ilay ady any Moyen-Orient ve no hanombohan’ny Aramagedona?

 Hoy ny Baiboly: “Nangonin’izany fanambarana izany ho any amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Aramagedona ireny mpanjaka ireny.”​—Apokalypsy 16:16.

 Ady ataon’ny fanjakan’olombelona rehetra amin’Andriamanitra ny Aramagedona fa tsy hoe ny fanjakan’olombelona no miady ary hanomboka any Moyen-Orient ilay izy.

Inona no hanampy antsika tsy hitaintaina be?

 Hoy ny Baiboly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana ary ny fisaorana.”​—Filipianina 4:6.

 Asain’i Jehovah a Andriamanitra hivavaka aminy isika. Hihaino ny vavaka ataontsika sy hanampy antsika tsy hitaintaina be izy satria miahy antsika. (1 Petera 5:7) Ampiany, ohatra, isika mba hahatakatra hoe nahoana no misy foana ny ady. Tsy izay ihany fa ampahafantariny antsika koa hoe ahoana no ataony mba hamaranana ny ady sy hahatonga antsika tsy hijaly sy tsy hanaintaina intsony.​—Apokalypsy 21:3, 4.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.