25 JOLAY 2023 | VAOVAO FARANY: 5 FEBROARY 2025
ROSIA
VAOVAO FARANY—NOGADRAINA IREO RAHALAHY ARY NOMELOHINA IREO ANABAVY | Manatanjaka ny Vavolombelona any Vladivostok ny Vavaka sy ny Toe-tsaina Tsara
Nomelohin’ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Pervorechensky any Vladivostok ny Ranabavy Nina Astvatsaturova, Yelena Barmakina, Ludviga Katanaeva, Yekaterina Treguba, ary Yelena Tsorn, sy ny Rahalahy Igor Lonchakov sy Yuriy Redozubov, tamin’ny 3 Febroary 2025. Nahazo sazy mihantona telo taona avy i Nina sy Yelena Barmakina ary Yelena Tsorn. Nahazo sazy mihantona telo taona sy efa-bolana kosa i Ludviga sy Yekaterina. Mbola tsy voatery higadra aloha izao ireo anabavy ireo. Voasazy higadra fito taona i Igor. I Yuriy indray voasazy higadra enin-taona sy tapany. Tonga dia nentina nankany am-ponja izy mirahalahy rehefa avy notsaraina.
Ireo voampanga
Tena mampionona antsika ny mahafantatra hoe mitahy sy mikarakara ny mpanompony tsy mivadika foana i Jehovah, ka ‘ataony manodidina azy toy ny ampinga lehibe ny fankasitrahany.’—Salamo 5:12.
Zava-nitranga
6 Aogositra 2019
Nampangaina hoe nanao heloka bevava i Yelena Barmakina
8 Jona 2020
Nosokafana ny raharaham-pitsarana iampangana an’i Nina sy Ludviga ary Yelena Tsorn ho mpanao heloka bevava
7 Jona 2020
Nosokafana ny raharaham-pitsarana iampangana an’i Yelena Barmakina ho mpanao heloka bevava
9 Jolay 2020
Nosavana ny tranon’i Nina, Ludviga, Yelena Tsorn, ary Yuriy. Nentina hatao famotorana i Yuriy. Tsy navela hanao dia lavitra kosa i Nina sy Ludviga ary Yelena Tsorn
4 Septambra 2020
Nampangaina hoe nanao heloka bevava i Igor
8 Septambra 2020
Nampangaina hoe nanao heloka bevava i Yekaterina
29 Septambra 2020
Naverina tany amin’ny mpampanoa lalàna ny raharaha mahakasika an’i Yelena Barmakina satria tsy ampy ny porofo hoe nanao zavatra mampidi-doza izy
11 Aogositra 2021
Voampanga ho mpanao heloka bevava i Yuriy. Naverina hatramin’ny voalohany ny raharaha mahakasika an’i Yelena Barmakina, dia natambatra ho lasa iray daholo ny raharaha mahakasika an-dry zareo
28 Septambra 2022
Nanomboka ny fitsarana

