VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Tamin’ny Martsa 2025 i Andrii Kliuka no nanomboka nigadra tany Ukraine, ary dimy taona any am-ponja no saziny

Vavolombelon’i Jehovah Gadraina Noho ny Finoany any Amin’ny Tany Samihafa

Vavolombelon’i Jehovah Gadraina Noho ny Finoany any Amin’ny Tany Samihafa

Vavolombelon’i Jehovah 259 mahery maneran-tany no gadraina noho ny finoany, araka ny tatitra tamin’ny Febroary 2026.

Milaza ny Andininy Faha-18 amin’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika fa manana zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretany ary hanana ny fivavahany ny olona. Tsy avela hampiasa an’izany zony izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany sasany. Gadraina tsy ara-drariny sady ampijalina ry zareo satria mampihatra ny zavatra inoany na tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

“Tsarovy izay migadra, toy ny hoe miara-migadra aminy ianareo.”​—Hebreo 13:3.