Hijery ny anatiny

4 NOVAMBRA 2019
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Misy Amin’ny Fiteny 1000 Izao ny Zavatra ao Amin’ny JW.ORG

Misy Amin’ny Fiteny 1000 Izao ny Zavatra ao Amin’ny JW.ORG

Faly ny Filan-kevi-pitantanana milaza amintsika fa nahavita zavatra miavaka isika amin’ny ezaka ataontsika mba hanaovana mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. Efa misy lahatsoratra sy video ary raki-peo amin’ny fiteny 1000 izao ao amin’ny jw.org, ka tenin’ny tanana ny 100 amin’ireo fiteny ireo.

Rahalahy Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, namoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny tenin’ny tanana italianina (azo jerena ao amin’ny jw.org), tamin’ny Aogositra 2010

Hoy ny Rahalahy Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana: “Efa ho 150 taona izay isika no nandika ny boky sy gazetintsika ho amin’ny fiteny samihafa. Be lavitra noho ny hatramin’izay anefa ny zavatra nadikantsika tato anatin’ny 10 taona.” Hoy koa ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana: “Namoaka fanazavana tamin’ny fiteny 508 isika tamin’ny Janoary 2013, izany hoe 100 taona mahery kely taorian’ny nanombohantsika nandika teny. Tsy ampy fito taona akory anefa dia nitombo efa ho avo roa heny ny isan’ireo fiteny ireo, izany hoe 508 lasa 1000!”

Misy zavatra be dia be azo alaina amin’ny fiteny 1000 ao amin’ny jw.org ka efa azo jerena amin’ny fiteny 821 ny pejy fandraisana sy ny pejy hafa ao amin’ilay tranonkala. Ny jw.org àry no tranonkala voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra eran-tany. Mpiasa an-tsitrapo tsara ofana no mandika ny ankamaroan’ireo, any amin’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana 350 eo ho eo maneran-tany.

Hoy ny Rahalahy Izak Marais, mpiandraikitra ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny any amin’ny Foibe any Warwick, Etazonia: “Betsaka ny olana tsy maintsy novahana rehefa nadika ho amin’ny fiteny be dia be ny fanazavana avoakantsika. Misy fotoana isika te handika zavatra amin’ny fiteny vitsy mpampiasa nefa mbola tsy misy ny soratra ho an’ireny fiteny ireny. Namorona soratra tsikelikely àry isika ka rehefa nandeha ny fotoana dia afaka namoaka boky vita pirinty tamin’ny fiteny an-jatony isika. Betsaka koa ny olana tsy maintsy novahantsika mba hahafahana mamoaka fanazavana amin’ny fiteny be dia be ao amin’ny jw.org. Maro amin’ireo fiteny 1000 ao amin’ny jw.org ireo no tsy manana zavatra hafa mivoaka amin’ny fiteniny ao amin’ny Internet.”

Hoy koa ny Rahalahy Clive Martin, mpiandraikitra ny Sampan-draharaha Miandraikitra ny MEPS: “Nitady hevitra izahay hoe ahoana no fomba hamoahana lahatsoratra iray amin’ny fiteny an-jatony, izay samy manana ny sorany sy ny fomba fanoratany, ao amin’ny tranonkala iray ihany. Fiteny 21 ao amin’ilay tranonkala, ohatra, no soratana avy eo ankavanana miankavia. Efa azo jerena amin’ny tenin’ny tanana 100 koa izao ilay tranonkala.Tsy maintsy nitady fomba àry izahay mba ho mora amin’ny marenina ny hampiasa an’ilay tranonkala.”

Matetika ny orinasa no tsy mandika ny tranonkalany afa-tsy amin’ny fiteny hahafahany mahazo vola be. Tsy ny hahazo vola be anefa ny tanjontsika Vavolombelon’i Jehovah fa ny hanampy ny olona hahazo izay lazain’ny Baiboly amin’ny fomba tsotra sy mahaliana.

I Jehovah no omentsika voninahitra satria tahiny isika rehefa miezaka mafy manao “mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” Matoky isika hoe omen’i Jehovah antsika foana ny hery sy izay rehetra ilaina mba hitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona tso-po eran-tany, mandra-pilazany hoe vita ny asa.—Matio 28:19, 20.