JW BROADCASTING
Hampiditra JW Broadcasting Amin’ny Roku
Mila mametraka fitaovana Roku sy mampiditra programa JW Broadcasting ianao, alohan’ny hijerena Tele JW amin’ny Roku. Araho ireto dingana manaraka ireto:
Hametraka fitaovana Roku
Misy toromarika miaraka amin’ny fitaovana Roku ampiasainao ary ho hitanao ao ny fomba fampiasana azy sy ny fampifandraisana azy amin’ny Internet. Rehefa mifandray amin’ny Internet ilay fitaovana, dia araho ny toromarika mipoitra eo amin’ny efijery.
Fanamarihana: Mila mampiasa Internet amin’ny ordinatera na fitaovana entin-tanana ianao raha te hanaraka an’ilay toromarika.
Asaina mampifandray ny fitaovanao amin’ny kaontinao Roku ianao ao amin’ilay toromarika. Midira ao amin’ny www.roku.com/link dia ampidiro ny kaody mipoitra eo amin’ny telenao. Araho avy eo ny toromarika hitanao ao amin’ny ordinatera na ny fitaovana entin-tanana rehefa hamorona kaonty Roku ianao.
Hiova ny zavatra mipoitra eo amin’ny telenao rehefa mifandray amin’ny kaontinao ilay fitaovana Roku.
Midira ao amin’ny pejy misy ny fanampiana ao amin’ny tranonkalan’ny Roku, raha mila fanazavana fanampiny momba ny fampiasana ny fitaovana Roku ianao.
Hampiditra JW Broadcasting avy ao amin’ny ordinatera
Hahafahana mandefa programa hijerena video (na “chaînes”) ny fitaovana Roku. Mila manampy chaînes misy an’ireo video tianao hojerena ianao. Azonao atao, ohatra, ny manampy chaînes avy ao amin’ny ordinatera.
Mampiasà programa fijerena Internet, dia tadiavo ny JW Broadcasting ao amin’ny pejy fakana programa an’ny Roku.
Midira ao amin’ny kaontinao Roku raha mbola tsy tafiditra ianao.
Tsindrio ny Add Channel (Hanampy chaîne). Hiova hoe Installed (tafiditra) avy eo ilay bokotra maitsomaitso hoe Add Channel rehefa tafiditra ilay chaîne nampidirinao.
Tsy mbola tafiditra ao amin’ny fitaovana Roku akory ny chaîne nalainao avy amin’ny programa fijerena Internet. Midika fotsiny izany hoe haka an’io chaîne io ianao. Mila mampiditra an’ilay chaîne ao amin’ny fitaovana Roku ianao izao.
Tsindrio ny Home (Fandraisana) eo amin’ny télécommande Roku.
Ampiasao ny bokotra Miakatra na Midina mba hankanesana eo amin’ny Settings (Firafitra).
Tsindrio ny OK.
Ampiasao ny bokotra miakatra na midina mba hankanesana eo amin’ny System Update, dia tsindrio ny OK. Hipoitra eo amin’ny sisiny havanana amin’ny efijery avy eo ilay soratra hoe Check Now.
Tsindrio ny OK.
Hitady sy hampiditra an’ilay chaîne nalainao izao ny fitaovana Roku.
Miverena any amin’ny pejy fandraisana, dia mankanesa eo amin’ny My Channels. Hipoitra eo daholo ny chaînes nampidirinao ao amin’ny fitaovana Roku, anisan’izany ny JW Broadcasting.
Mankanesa eo amin’ny sary famantarana ny jw.org, dia tsindrio ny OK mba handefasana ny JW Broadcasting.
Hampiditra JW Broadcasting avy ao amin’ny Roku
Azonao atao koa ny mampiditra avy hatrany ny JW Broadcasting ao amin’ny fitaovana Roku.
Midira eo amin’ny pejy fandraisana.
Ampiasao ny bokotra Miakatra na Midina eo amin’ny télécommande mba hankanesana eo amin’ny Search.
Tsindrio ny OK.
Mifanaraka amin’ny zavatra nosoratanao eo amin’ny Search ny filma, fandaharana amin’ny Tele, mpilalao filma, lalao video, ary chaînes tadiaviny. Chaîne iray ny JW Broadcasting ka teny misy ifandraisany amin’ny anaran’ilay chaîne no karohina. Ampiasao ny iray amin’ireto teny ireto raha hitady ny JW Broadcasting ianao:
jw broadcasting
jw.org
jwtv
Jehovah
Tsindrio ny bokotra flesy Havanana rehefa mipoitra ny JW Broadcasting, dia tsindrio ny OK. Hipoitra ny Add channel avy eo.
Tsindrio ny OK mba hampidirana ny JW Broadcasting.
Mankanesa eo amin’ny Go to channel, raha hijery Tele JW, na miverena any amin’ny pejy fandraisana dia tadiavo ny JW Broadcasting ao amin’ny My Channels.

