Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

JW Broadcasting

Misy fandaharana ara-panahy mampahery natao ho an’ny fianakaviana ao amin’ilay tele JW Broadcasting. Hita ao ny zavatra vokarin’ny studio an’ny JW Broadcasting sy ny video sasany ao amin’ny jw.org. Jereo Mivantana ny iray amin’ireo tele izay mandefa video tsy an-kiato, na mijere video ao amin’ilay hoe Video Rehetra. Tsindrio ilay hoe Raki-peo raha te hihaino fandaharana noraisim-peo ianao, ohatra hoe hira, tantara an-tsehatra, na tantara henoina.

Jereo amin’ny Internet amin’ny alalan’ny ordinatera, tablette, na smartphone ny tv.jw.org, na koa amin’ny telenareo raha manana fitaovana Roku ianao.

 

Mivantana

  • Misy video mandeha foana isaky ny fandaharana, ary manaraka programa efa nalamina izy ireo.

  • Mijere fandaharana isan-karazany, anisan’izany ny Fandaharana Isam-bolana, Filma, Ankizy, Tanora, Tranga.

  • Jereo ny programa mba hahitana hoe inona indray no handeha manaraka.

 

Video Rehetra

  • Misy karazana video iray na maromaro isaky ny sokajy.

  • Mijere video iray, na tsindrio ilay hoe Handefa Azy Rehetra raha te hijery ny video rehetra ao amin’ny karazany iray ianao.

  • Azo ovaovana ny famakiana an’ilay video (miato, handefa, hamerina, haroso haingana, dinganina).

 

Raki-peo

  • Misy karazana raki-peo maromaro ato (hira, tantara henoina, sy ny maro hafa).

  • Mihainoa raki-peo iray, na tsindrio ilay hoe Handefa Azy Rehetra raha te hihaino ny raki-peo rehetra ao amin’ny karazany iray.

  • Tsindrio ilay hoe Tsy Milahatra raha hihaino raki-peo tsy milahatra ao amin’ny karazany iray.

 

Fitaovana Azo Ijerena Azy

  • TV.JW.ORG: Mandeha amin’ny ankamaroan’ny ordinatera, tablette, ary smartphone misy Internet sy JavaScript. Raha afaka mamaky video ao amin’ny jw.org ny ordinatera na fitaovana ampiasainao, dia tokony ho afaka hamaky tv.jw.org.

  • Programa Roku: Roku 1, Roku 2, Roku 3, Roku Streaming Stick.