Hijery ny anatiny

Hoatran’ny Ahoana ny Paozin’ny Devoly?

Hoatran’ny Ahoana ny Paozin’ny Devoly?

Valiny ara-baiboly

 Fanahy ny Devoly, izany hoe tsy manana vatana hita maso.—Efesianina 6:11, 12.

 Be dia be ny mpanao sary efa nanao sarin’ny Devoly. Sarina bibiolona mitovitovy amin’ny osy no ataony, dia misy tandroka sy rambo ilay izy, ary mitazona fitrebika. Misy milaza hoe mpanao sary tamin’ny arivo taona mahery lasa no nanao an’ireny sary ireny. Avy tamin’ny angano nalaza tamin’izany, hono, no nahitan’izy ireo hevitra hanaovana an’ilay sary.

 Hoatran’ny ahoana ny Devoly, raha ny Baiboly no jerena?

 Mampiasa sarin-teny be dia be ny Baiboly rehefa miresaka momba ny Devoly. Tsy ny paoziny anefa no asehon’ireny sarin-teny ireny fa ny toetrany. Ireto misy ohatra:

  •   Anjelin’ny mazava. Mody manome zavatra tsara izy, amin’izay ny olona manaraka ny fampianarany, fa tsy manaraka ny fampianaran’Andriamanitra.—2 Korintianina 11:14.

  •   Liona mierona. Tsy mifaditrovana mihitsy izy manafika ny mpanompon’Andriamanitra.—1 Petera 5:8.

  •   Dragona lehibe. Matanjaka izy sady mampahatahotra ary mandravarava.—Apokalypsy 12:9.